08/10/2025
TOROHEVITRA VITSIVITSY HOAN'IZAY MANANA OLANA AMIN'NY TAREHY.
🌿 Ahoana ny fomba hanesorana ny bouton, tasy, sy ny acné eo amin’ny tarehy.
Ny hoditra dia mitaky fikarakarana tsy tapaka mba hihazonana azy ho madio, malama ary salama. Raha te hanala na hampihena ny bouton, tasy, sy acné, dia ireto torohevitra manaraka ireto dia mety hanampy :
1. Sasao tsara ny tarehy indroa isan’andro 🧼
Mampiasà savony malefaka ho an’ny hoditra (savon doux / gel nettoyant) mba hanesorana ny loto sy ny menaka tafahoatra. Aza sasana tafahoatra ihany koa anefa satria mety hampitombo ny sebum izany.
2. Mampiasa crème hydratante tsy manentsina ny mason-koditra 💧
Misy crème na gel "non comédogène" izay tsy miteraka bouton, ary manampy hitazomana ny hamandoana eo amin'ny hoditra ihany koa izio.
3. Misafidiana sakafo mahasalama 🥗
Mampihena ny sakafo be siramamy, voahodina, sy be tavy. Mihinàna legioma, voankazo, hena maivana ary rano betsaka.
4. Aza potserina ny bouton eo amin'ny tarehy 🚫
Mety hiteraka ratra sy tasy maharitra (cicatrices) izany.
Manaova fitsaboana manokana 💊
♦️ Crème misy (acide salicylique) na (peroxyde de benzoyle)
♦️ Raha mahazo lapa loatra ny acné, manatona dermatologue izay afaka manome fanafody am-bava na amin’ny crème.
6. Arovy ny masoandro ☀️
Ny taratra UV dia mety mampitombo ny tasy sy ny fery. Mampiasà crème solaire manokana ho an’ny hoditra mora miteraka acné.
7. Ataovy madio ny zavatra ifandraisan’ny tarehy🛏
♦️ Ovay matetika ny sarona ondana
♦️ Aza mikasika matetika ny tarehy amin’ny tanana maloto
8. Mifehy ny adin-tsaina 🧘♀️
Ny stress dia mety hampitombo ny acné. Manaova fanatanjahan-tena, alefaho ny fisaintsainana, na asa fialam-boly manampy hiala voly.
💡 Fanamarihana :
♦️ Raha tsy mihena ny soritr’aretina na miharatsy dia ilaina ny manatona (dermatologue).
♦️ Misy olona mora miteraka acné noho ny hormona, ka mila fitsaboana manokana.
Araho tsy tapaka ny pejy CuraFind mba hahazoana toro-hevitra momba ny fahasalamana.