08/01/2026
Hallo zusammen 🤗 Ny «Harcelement» dia miseho amin’ny endriny maro eny amin‘ny fiarahamonina fa any antsekoly sy any ampiasana no teny miseho satria any no andro antokompiainana 👩🏻🏫
➡️ Ity zandriko ity tany ampianarana anisany niaina izany teny amin‘ny Lycée,ankizy ray tanàna taminay ary olona kely fa be vava be zay kala dia 3 vavy zareo no miaraka manao an’ny zandrinay tany ampianarana,manopa anazy hoe lava mahia,taokifafa sns…(Maty ilay zaza,efa tsy taokifafa intsony izy izao 🤣) sady hilany ady sy dominy foana hono rehefa mifanena.
➡️ Zandrinay moa tsy mamaly fa nitaraina taty foana dia nifanena taminay i kalakely indray andro,aleo izahay samy kely no hifanintsana 😆 nolazaiko kala hoe inona no tena olan’izy ireo amin’ny zandriko? Teneno eto imasoko eto fa maninona izy no atao an’izany? Kala sady mbola be vava ihany hoe za nga nanao an’izany,tsy za zany fa le namako reny 🤥
➡️ Hoy aho mantsy azy hoe «Ndao aloha isika sy ndry no manao iray sy iray dia rehefa resindry aho dia zay vao ampiadiko nareo fa izaho ary zokin’io tsy maharesy an’io olona be io dia ndry olona kely io no mi-harcèle an’ny zandriko isanandro eo»,eo kala dia sady migoningonina hoe tsy za zany koa… blablabla,ataovy mbola henoko oa fa ho hitandry kely ny tohiny dia teneno ilay namandry any fa ahitaaaa…fa avy eo tsy nanao intsony hono ry zareo 😂
➡️ Ndry izany na olona kely ary dia mijanona ho zoky foana ary aza ny zandriko no kitihana fa ireo tena niadivako aman’olona foana taloha 🤭 Izaho tsy dia mba nisy nanao «Harcèlement» tany ampianarana fa somary misimisy vava sy be loha rehefa mihetsika ny kalalao-ko 🙈
✅ Rehefa sendran’ny «Harcelement» toy itony dia tsara ny mametraka ny olona iray amin’ny toerany ☺️ Ny be loha tena ilaina indraindray,raha olona mamono dia azo atao ko ny miaro tena saingy alohan’ireo dia zavadehibe ny fifampiresahana amin’ny RAD sy zoky,olona akaiky,rehefa tsy vitan’ireo dia ampiaro ny lalàna dia TORIO fa efa 2026 izao fa tsisy hoe fiarahamonina ehhh,izao ehhh!!!
Raha ato i kalakely dia izao ah!!! tena sahy ray sy ray aho tamin’iny fa soa ihany kala fa nahay nifitsaka (Tsy mbola niady an-tsena Rasazy Fy - Hebamme fa vavimatoa fotsiny 🤐)
Mirary soa ❤️
🇲🇬 🇩🇪