Natiora by MQM

Natiora by MQM Produits 100% naturels Vita Malagasy: Infusions, supers aliments et produits cosmétiques 100% bio (hand made)

🌺 Astuces natoraly natao hoan'ny olona manana tarehy feno mony 🌺👉 Glaçon Thé vert:▶️Ireo zavatra ilaina :1/2 bol rano3 s...
18/06/2023

🌺 Astuces natoraly natao hoan'ny olona manana tarehy feno mony 🌺

👉 Glaçon Thé vert:
▶️Ireo zavatra ilaina :
1/2 bol rano
3 sotro fihinanana Gel Aloe vera
Huile essentielle Tea tree 3 gouttes
▶️Fikarakarana :
Hataovy anaty moule glaçon, hatao anaty congelateur.
▶️Fampiasana azy : maka glaçon, hapetakapetaka moramora amin ny faritra feno mony nirongatra, tsy kosehina, ary hoentina matory sy kobanina amin'ny maraina
⚠️ Tandremo fa tsy azo hatao ela amin ny tarehy ny glaçon, hampandalovina fotsiny, ny hatsiaka be ihany koa dia mety handoro ny tarehinao (mivaramena, mitsovaka)
⛔ Tsy afaka mampiasa azy ny manana peau sensible, tandremana ny hoditra manodidina ny maso, tarehy efa voadio no hampiasana azy

© Natiora by MQM 18 juin 2023

🌺 FOMBA FAMPIASANA NY VITAMINE E (capsule) AMIN NY TAREHY👉IREO VOKATSOA AZO AMIN NY FANOSORANA VITAMINE E AMIN NY TAREHY...
11/03/2023

🌺 FOMBA FAMPIASANA NY VITAMINE E (capsule) AMIN NY TAREHY

👉IREO VOKATSOA AZO AMIN NY FANOSORANA VITAMINE E AMIN NY TAREHY
✔ anti-oxydant miaro amin ny mariky ny fahanterana toy ny kentrona sy ny tâches
✔ manampy amin ny famoronana Collagen, elastine sy acide hyaluronique, ireo miaro ny tarehy mba tsy hiroraka, ho maina sy hisy kentrona

👉 FOMBA FAMPIASANA AZY
✔ sasana tsara ny tarehy (amin ny gel mifanaraka amin ny type de peau)
✔ maka capsule 1, vakiana sy hararaka anaty sotrokely
✔ hosorana amin ny tarehy, indrindra eo amin ny hoditra manodidina ny maso, tandremana tsy ho tafiditra any anaty maso
✔ avela hilona 30mn ary kobanina tsara
✔ manositra crême hydratante

Copyright Natiora by MQM 11 Mars 2023

🌺 ROUTINE FIKARAKARANA TAREHY PEAU MATURE (40 Taona miakatra) 🌺40 taona efa manomboka peau mature, ireto no BASES tokony...
06/11/2022

🌺 ROUTINE FIKARAKARANA TAREHY PEAU MATURE (40 Taona miakatra) 🌺

40 taona efa manomboka peau mature, ireto no BASES tokony ho fantatra:

👉 ny peau mature mihamaina ary iny no mahatonga ny kentrona sy kentrona madinika manomboka miseho, ny hoditra lasa matevina sy mikitaotaona, ny panda sy tâches sns, mila HYDRATATION be izany
👉 miankina amin'ny karazan-koditra (sèche, mixte, normale, grasse, acnéique) ny produits hampiasaina + produits anti-aging na anti-âge
👉 plus mitombo ny taona plus tokony mihena ny isan'ny fanasana tarehy mba tsy hanimba ny Barrière cutanée. Izany hoe tsy manasa tarehy matetika intsony rehefa manana peau mature (Indray mandeha isan andro no manasa tarehy).

💚 Ity ny Routine natao hoan'ny olona manana Peau mature:

⭕ Fanasana tarehy: Double nettoyage raha manao maquillage (demaquillage amin ny huile pure avy eo fanasana tarehy amin ny produits à base d'eau miankina amin ny karazan-koditra hatrany). Produit malefaka hatrany ampiasaina hitsinjovana ilay hoditra (Ph neutre, tsy misy alcool, tsy misy parfum sns) ary tsy savony tsotra, raha tsy hoe savony Ph neutre. Ny tena tsara ireny gel fanasana tarehy natao hoan'ny tarehy sensible ireny

⭕ Gommage sy exfoliation: 1 na 2 isankerinandro miankina amin ny karazan-koditra, fa raha peau mature exfoliation hatao. Gommage a grains tsy mety fa mahery loatra be loatra manimba hoditra (gommage à grains izany hoe misy vaingambaingana toy ny siramamy sira vary sns.)

⭕ Masque: Argile rose, argile blanche, zavoka, akondro, karaoty, tantely, Gel vahona

⭕ Lotion tonique/eau florale/hydrolat: rose

⭕ Traitement: Sérum na mitondra hydratation (Acide hyaluronique) na mitondra Antioxydant (Vitamine C) na Anti aging (Retinol)

⭕ Crême amin ny maso: ilaina be hisorohana ny cernes sy poches ary kentrona mqdinika manodidina ny maso

⭕ Crême hydratante: mifanaraka amin ny karazan-koditra.

⭕ Crême solaire: prioritaire tsy afaka hialana mihitsy, miaro amin ny masoandro
@ Natiora by Mqm 06.11.2022

🌳🍀🍃 IREO VOKA-TSOA HOENTIN NY MANGA🌳🍀🍃Efa ho hita eraky ny tsena izao ny manga. ✅🌳🍀🍃Inona avy moa ireo hita ao anatin ny...
26/10/2022

🌳🍀🍃 IREO VOKA-TSOA HOENTIN NY MANGA🌳🍀🍃

Efa ho hita eraky ny tsena izao ny manga.

✅🌳🍀🍃Inona avy moa ireo hita ao anatin ny manga?
➡️Rano 81.7g
➡️Vit b6 7%
➡️Vit C 46%
➡️Vitamine A 15%
➡️Sns.

Isan ny "Mpanjakan ny voankazo" ny manga satria manome otrikaina maro hoan ny vatana. Sady mamy sy manitra ary tena mahasalama.

✅🌳🍀🍃Inona avy ary ireo vokatsoa hoentin ny manga?

▶️Miaro amin ny cancer. Ambony be ny anti oxydants ao aminy toy ny vit A ny vit C
Miaro amin ny radicaux libres noho izany ny manga. Ny radicaux libres dia isan ny antony mahatonga cancers.

▶️Miaro amin ny aretim po. Manampy amin ny fampidinana ny tahan ny cholesterol sy triglycerides ny fihinanana manga noho izy be fibres. Manatsara ny fikorinan ny ra izany ary miaro amin ny mety ho fijanonan ny fo tampoka

▶️Manatsara ny fahasalaman ny maso. Ambony ny vit A ho entiny. Ny vit A isan ny miady amin ny fahasimban ny maso. Miaro amin ny katarakta sns

▶️Mampitombo ny habetsaky ny ra. Mitondra mineraux betsaka ny manga toy ny fer, magnesium sy zinc. Ilaina mafy ireo amin ny famoronana ra vaovao

▶️Mampiakatra ny hery fanoherana. Ny vit C anatin ny manga dia anti oxydants manampy ny vatana hatanjaka sy tsy ho tratran ny aretina

▶️Miaro amin ny diabeta. Tsy ambony ny tahan ny siramamy anatin ny manga na dia voankazo aza izy.

▶️Miady amin ny fitohanana sy ny hemorroide. Noho izy mitondra fibres betsaka, manampy be ny manga amin ny fandevonan kanina sady tsy mampitohana

Tsy ireo ihany no vokatsoa hoentin ny manga fa ireo aloha no afaka natolotra anao androany.

ZARAZARAO SAO MAHASOA NY NAMANAO
👉👉AZA HADINO NY MANISY J AIME NY PEJY 🤗

© MQM 21.09.2019

🌺 TETIKA 2 FANALANA PANDA AMIN'NY TAREHY🌺 T E T I K A n°01🥣 Gommage à base de lait 🥣👉 Zavatra ilaina:🥛 1 sotro lehibe Ro...
25/10/2022

🌺 TETIKA 2 FANALANA PANDA AMIN'NY TAREHY

🌺 T E T I K A n°01
🥣 Gommage à base de lait 🥣

👉 Zavatra ilaina:
🥛 1 sotro lehibe Ronono vovony
💧 2 sotro lehibe Rano
🍋 Jus Citron na Pamplemousse

👉 Fampiasana azy:
▶️ hafangaroy ny rehetra mba hanome toy ny pâte
▶️ hosory amin'ny tarehy, koseho moramora avy eo kobano tsara

🌺 T E T I K A n°02
🧖‍♀️ Masque anti-tâche 🧖‍♀️

👉 Zavatra ilaina:
🥔 Ovy lehibe 1
🍯 1/2 citron

👉 Fampiasana azy:
▶️ mixeo ny ovy manta voavaofy sy voadio tsara
▶️ hafangaroy amin'ny jus citron atsasany
▶️ avelao hilona mandritra 30 minitra
▶️ Kobano tsara

⚠️ Fampitandremana: Tsy azo hatao isan'andro ny akora misy acides natoraly.
Ny masque in-1 na in-2 isankerinandro
Ny gommage in-1 na in-2 isankerinandro

☝️ Raha mampiasa na mahalala tetika hafa ianao dia zarazarao ao amin'ny commentaires 😊
🤗 Araho tsy tapaka ny Pejy Natiora by MQM hahitanao Vokatra Natoraly maro sy Torohevitra maimaipoana

© Natiora by MQM 11.01.2022

25/10/2022

🌺 Ireo "ACIDES" fampiasa amin'ny Tarehy

🌺 Acide hyaluronique : ilay mitazona rano, miady amin ny deshydratation no mampa "repulpé" tsara ny tarehy.
👉Ilain'ny karazan koditra rehetra

🌺 Acide Salicilylique : ilay miditra lalina anaty masonkoditra, natao hiadivana amin ny mony sy ny sebum be loatra. Manatsara masonkoditra sy manala points noirs
👉Natao indrindra hoan ireo be mony, tarehy gras sy be imperfection

🌺 Acide Glycolique: na koa acides de fruits, ilay exfoliant (manadio ny hoditra) manampy amin ny famokarana collagène sy elastine miaro amin ny fipohiran ny kentrona ary mampitony ireo kentrona efa misy
👉Natao hoan ny tarehy be imperfection sy peau efa mature

🌺 Acide retinoique (retinol), vitamins A ilay ingredient voalohany natao hiadivana amin ny mariky ny fahanterana (kentrona, tarehy miroraka sns)
👉 natao hoan ny ireo te hisoroka ny fiforonan ny kentrona alohan ny fotoana

🌺 Acide lactique: exfoliant malefaka natao hoan ny peau sensible

🌺 Acide ascorbique na Vitamine C: ilay voaloha laharana amin ny fanazavana ny hoditava sy manatsara masonkoditra ary indrindra miaro ny fiforonan ny panda sy mampitony ny panda efa misy
👉 Natao hanatsarana masonkoditra sy miady amin ny panda

⚠️ TANDREMO ny mampiasa EXFOLIANTS, ireny ASTUCES NATORALY hifampizarana ireny satria mety ho mahery loatra na tsy mifanaraka akory amin'ny karazan-koditrao.
Ny citron indrindraindrina noho izy mahery be

🤗 Araho tsy tapaka ny Pejy hahitanao Vokatra Natoraly maro sy Torohevitra maimaipoana

© Natiora by MQM 01.08.2022

🌺 Ny fampiasana produit NATORALY amin ny tarehy ve tsy misy hatahorana mihitsy ?👉 Valiny : ➡️ Kely kokoa ny effets secon...
13/08/2022

🌺 Ny fampiasana produit NATORALY amin ny tarehy ve tsy misy hatahorana mihitsy ?

👉 Valiny :
➡️ Kely kokoa ny effets secondaires hateraky ny produits naturels, saingy misy ary ilaina fantarina
➡️ diso tanteraka ilay eritreritra hoe rehefa "naturel" dia afaka hampiasaina daholo sy tsy misy voka dratsiny

👉 Inona avy aty ireo fitandremana ?
➡️ fantaro inona ny karazan-koditrao: peau sensible, sèche, mixte, normale, grasse, acnéique, mature
➡️ produits naturels mifanaraka amin ny karazan-koditrao ihany no hampiasainao
➡️ tandremo ireny astuces zaraina ireny fa exfoliants daholo ny akabeazan ireny (acides de fruits na AHA, acide lactique, acide glycolique, acide Salicilylique, acide ascorbique sns.)
➡️ tsy isan'andro koa no mampiasa ireny astuces ireny fa misy frequence tokony harahina. Ohatra raha peau sensible sy seche dia in-1 isan kerinandro no manao gommage na exfoliation. Raha peau normale mixte sy grasse et acnéique indray dia in-2 isan kerinandro. Toy izay koa ny masques.

👉 Inona ireo mety ho vokadratsin ny fampiasana vokatra natoraly tsy mifanaraka amin ny karazan-koditra na koa diso matetika loatra ?
➡️ mitsovaka ny tarehy (indrindra vokatry ny citron)
➡️ mivaramena na mamaivay
➡️ tsy mazaka masoandro sy mila harovana amin ny masoandro
➡️ lasa tsy ampy rano (deshydratée) na diso maina (lasa daholo ny menaka na lasa sèche)
➡️ simba ny barrière cutanée

© Natiora by MQM 13.08.2022

🌺 NY HODITRA TAREHY SY NY SAVONY🤔 Fanotaniana mipetraka matetika ny hoe mety amin'ny hoditra tarehy ve ny fampiasana SAV...
11/08/2022

🌺 NY HODITRA TAREHY SY NY SAVONY

🤔 Fanotaniana mipetraka matetika ny hoe mety amin'ny hoditra tarehy ve ny fampiasana SAVONY ?

Indro ary ny Valiny:
👉 tsy ny karazan-koditra tarehy rehetra no afaka sasana amin'ny Savony ary tsy ny Savony rehetra koa dia afaka hanasana tarehy

👉 Iza avy no tsy afaka manasa tarehy amin'ny savony? ➡️ ireo manana peau sensible, peau mature sy ireo manana peau sèche. Rehefa savony dia tsy mety.
Inona ary no hampiasaina: fanasana tarehy malefaka sy Ph neutre (ohatra: lait nettoyant, eau micellaire malefaka, gel nettoyant ph pour peau sèche na sensible, mety be koa ny nettoyant bi-phase misy rano sy menaka mifangaro)

👉 Iza avy no mila mampiasa savony rehefa manasa tarehy ? ➡️ ireo manana peau normale, peau mixte sy peau grasse et acnéique. Mila fanasana tarehy mandroatra tsara sy tsy misy menaka (tsy savon surgras).
Ohatra afaka hampiasaina Savony special hoan ny tarehy, tsy misy fofona na parfum, ny gel nettoyant, ny eau micellaire (mila kobanina ireo)

👉 IMPIRY no manasa tarehy ?
➡️ in-1 isan'andro hoan'ny peau sensible, sèche sy mature. Tsara kokoa amin'ny hariva
➡️ in-2 isan'andro hoan'ny peau normale mixte grasse sy acnéique

👉 rehefa manasa tarehy, n'inon'inona karazan-koditrao dia aza kosehina mihitsy ny tarehy fa manimba ny barrière cutanée

© Natiora by MQM 11.08.2022

⁉️ FANOTANIANA MIPETRAKA MATETIKA: 🤔 Produit 1 ve dia afaka manatsara hoditra tarehy haingana ?Valiny 👉 TSIA➡️ Raha te h...
01/08/2022

⁉️ FANOTANIANA MIPETRAKA MATETIKA:

🤔 Produit 1 ve dia afaka manatsara hoditra tarehy haingana ?
Valiny 👉 TSIA

➡️ Raha te hanatsara hoditra tarehy ianao (masonkoditra, teint, mony, tâches, panda, cicatrices mony, kentrona, deshydratation sns), mila mametraka ROUTINE mety amin'ny karazankoditrao ianao (peau sèche, sensible, normale, mixte, grasse, acnéique, mature)

➡️ TSY MISY PRODUIT MIRACLE !
Fantaro fa raha mampiasa produit 1 ianao ka misy vokany haingana be (ohatra vao mampiasa voalohany) dia mahery be izy izay ka mety hiteraka fahasimban ny "barrière cutanée" miaro ny hoditrao
👉 Mila mahandry tantana amin ny fikarakarana tarehy fa ny fampiasana produits mahery vaika sy tsy mifanaraka amin ny karazan koditrao no miteraka haingana Panda sy deshydratation sy maha mangana na mampivara mena ny hoditra tarehy

© Natiora by MQM 01.08.2022

Address

Alarobia
Alarobia

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261349398102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Natiora by MQM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Natiora by MQM:

Share