07/04/2026
🌍 Andro Maneran-tany ho an’ny Fahasalamana – 7 Aprily 🩺💙
Anio isika dia mankalaza ny Journée mondiale de la santé, fotoana iray hanamafisana fa ny fahasalamana no harena sarobidy indrindra ho an’ny tsirairay.
Eto anivon’ny CLINIQUE MÉDICO CHIRURGICAL SAINTE ELISABETH DE HONGRIE AMBANJA, izahay mpiasan’ny fahasalamana dia manolo-tena isan’andro hanome fikarakarana tsara kalitao, feno fitiavana sy fanajana 🤍
👩⚕️👨⚕️ Ny hoe salama dia tsy midika fotsiny hoe tsy marary, fa koa hoe salama ara-batana, ara-tsaina ary ara-piarahamonina.
👉 Koa amin’ity andro manokana ity :
✔ Aoka isika hikarakara ny tenantsika
✔ Hanao fizaham-pahasalamana matetika
✔ Hanana fomba fiaina ara-pahasalamana
✔ Ary hanampy ireo mila fanohanana
💬 Andao hiara-hiasa mba hananganana tontolo iray ahafahan’ny rehetra mahazo fitsaboana mendrika.
Clinique Médico-chirurgicale Ste Elisabeth de Hongrie Ankatafahely Ambanja
Ambanja Sambirano