Ho an'ny fahasalamanao

Ho an'ny fahasalamanao Bonjour, la page Ho an'ny fahasalamanao dia faly mandray anao ka aza misalasala mandefa message privé

Salama aby!Nanao fizarana Lay misy aody moka maimaimpoana isika any, izay azo avy t@alalan'ny tapak'ila na coupon izay n...
31/10/2024

Salama aby!
Nanao fizarana Lay misy aody moka maimaimpoana isika any, izay azo avy t@alalan'ny tapak'ila na coupon izay nozaraina tamintsika isan-tokan-trano izay.
Ka ho antsika rehetra nahazo lay ireo averiko azavaina eto indray ny fepetra fampiasana azy mba aharitra ny Lay misy aody moka ntsika :
- atapy 24h amin'ny maloka tsy misy masoandro aloha ny lay ntsika izay vao ampiasaina atoriana,
- asisitra tsara ny lay rehefa adohana fa tsy avela hisy idiran'ny moka,
- tsy azo sasana ny lay fa atao anaty koveta manasa azy ary miaraka amin'ny savony fa ts vovon-tsavony.
- atapy amin'ny maloka tsy misy masoandro ny lay rehetra voasasa mba haharitra 3 taona ny aody moka ao anatiny, ary tsy atao mihoatrany in-20 manasa azy anaty 3 taona izany (zany oe in-1 isaky ny 2 volana manasa lay)
- ary raha misy rovitra ny lay ntsika dia tsy ariana na atao fefy fa zaraina avy hatrany.
🛑Marihina mafy tokony ampiasaina hatoriana ny lay fa tsy atao zavatra hafa.
゚viralシ ́

Haoka samy hitandrina mba ts hiparitaka ny areti-mandoza ゚viralシ ́etbienêtre
31/10/2024

Haoka samy hitandrina mba ts hiparitaka ny areti-mandoza
゚viralシ ́etbienêtre

🚫 NY FIFINDRAN' NY SIDA:
Ny olona voan' ny aretina dia afaka mamindra na tsy misy soritr' aretina aza.

NY VIH SIDA DIA MIFINDRA AMIN' NY ALALAN'NY:

⛔️FIRAISANA ARA- NOFO [ Tsy voaharo, non protogé]:

❌️Fidiran' ny filahiana ao amin' ny fivaviana [RELATIONS VAGINALES].

❌️Filahiana miditra ao amin' ny a**s
[RELATIONS ANALES].

❌️Fifandraisan'ny vava amin' ny FILAHIANA na FIVAVIANA
[ RELATIONS ORALES]

⛔️RÀ:

❌Fizarana ️ fitaovan ampiasaina manindrona na mifoka zava- mahadomelina
[Partage de materiel d' injection ou d' Inhalation de drogues]

❌️ Fanaovana tombokavatsa amin' ny fitaovana non sterile
[Tatouage ou perçage avec du materiel non sterile]

❌️Contact entre liquide contaminé par du sang et: une surface endommagée de la peau
Une muqueuse (Membrane qui tapisse ; la bouche ou les organes genitaux feminins et masculins).

❌️Fampidiran- dra, rehefa tsy ampiharina ny fepetra fampidiran- dra
[Transfusion sanguine , lorsque les mesures de securité transfusionelles ne sont pas appliqués]

⛔️Ny reny voan' ny aretina dia mamindra amin' ny zanany manditra ny fitondrana vohoka, fiterahana na fampinonoana
[Une mère infectée peut egalement tresmettre l'infection à son bébé Pendant sa grossesse , au moment de l' accouchement ou lors de l' allaittement ].

Manda Raherinirina

21/10/2024

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙝𝙤 𝙖𝙣𝙮 𝙈𝙀𝙈𝙊𝙄𝙍𝙀 ⚠️⚠️ | Mba hanampy ny zanakao hanana saina matsilo sy fitadidiana tsara dia mila sakafo sy vatsy ilainy ny atidoha.

✅ Ireto avy ary ireo singa ilain'ny atidoha hampiasa faingana azy sy ireo sakafo mitondra izany :

🔼 ⭐ : avocat, noix, huile d'olive, huile de colza, atody, saumon, sardine, voam-boatavo maina
🔼 #𝗔𝗡𝗧𝗜𝗢𝗫𝗬𝗗𝗔𝗡𝗧𝗦⭐ : légumes verts misy raviny, fraise, framboise, bleuet
🔼 ⭐ : atody, noix, henakisoa, haricots noirs
🔼 ⭐ : foie, pomme de terre, poulet, tsesisa, thon, pistache
🔼 ⭐ : tôvan'akoho, sôja, voamaina, épinards
🔼 ⭐ : produits laitiers, atody, hena, vorona
🔼 #𝗙𝗘𝗥⭐ : hena mena, tôvakena, légumes maintso, voamaina, voam-boatavo maina

⛔ Ho fanampiny dia araho ireto :
👉 Sakafo 3 + Goûter 2 isanandro
👉 Rano 2 Litra isanandro
👉 Trondro 2 isakerinandro farafahakeliny
👉 Huile d'olive ampiasana
👉 Yaourt, ronono Sôja, voankazo miloko mena, ary ny Noix aza adino.
✅ 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
__
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕

  tsy fahatongavan'ny fadim-bola mo voatery famantarana fa hoe tsy maintsy bevohoka ny vehivavy iray?  Tsia topoko !Misy...
14/10/2024

tsy fahatongavan'ny fadim-bola mo voatery famantarana fa hoe tsy maintsy bevohoka ny vehivavy iray?
Tsia topoko !
Misy antony maro no mety tsy ahatongavan'ny fadim-bolana(règle) na koa hoe tara ny fahatongavany :

1-bevohoka (ny tena mampitaintaina ny vehivavy voalohany😆)
2-Manao trouble hormonal (mety noho ny stress , contraception ,...)
3-Ny tanora vavy 16 ans na mihoatra kely ( raha mbola vo mandeha règle dia mety tsy ho ara-dalana ny fandeanan'ny fadim-bolana ary mety tsy handeha mihintsy mandritran'ny volana maromaro )
4- Cycle irrégulier (ny fiovaovany fetr'androny andehanany fadim-bolanao)
5-Ny fampiasana fanabeazana aizina na FISA
6-Rehefa mijanona manao FISA (mety tsy handeha aloha ny règle aorian'ny fijanonana manao fanabeazana aizina )
7-Allaitement (rehefa teraka ny maman iray dia tsy ahita fadim-bolana anatiny fotoana fohy na maromaro aloha )
8-Ménopause (rehefa miha-antitra ny vehivavy dia tsy ahita fadim-bolana intsony ( 45 ans et plus )
9- Ny vehivavy manaraka ny sport mafy loatra
゚viralシ

16/08/2024

🔴 #𝘼𝙑𝘾 ⚠️⚠️⚠️ | na FAHATAPAHANY LALANDRÀ @ ATI-DOHA 🧠

✅ Hita ankehitriny fa mihamaro sy mihatanora ny malagasy tratry ny AVC. Betsaka amitsika ireo no be Tension kanefa tsy mitsapa ary tsy mahalala akory hoe misy Tension Ambony.

👉 Misy karazany roa ny AVC (hita @ 1er coms), ny voalohany dia ny fahatapahany lalandrà, ary ny faharoa dia ny fahatsentsenany lalandrà.

➡️ Ny AVC vokatry ny tension avo tsy tsara fitsabo dia matetika ilay antsoina hoe AVC na hoe fahatapahany lalandrà ao anaty atidoha (nefa mety ho fahatsentsenana ihany koa indraindray : AVC ) ka mety mahafaty raha lehibe ilay lalandrà tapaka. Raha tsy mahafaty izy io dia mampalemy, ary mety very hatraminy fahaizanao miteny koa anefa, ka lasa moana ilay olona voany.

🔔 Ny hafatro dia ny hoe, raha vao manomboka feno 30 taona ianao, na lahy ianao na vavy, na kely ianao na matavy, dia mandehana mitsapa tosidrà na tension eny @ mpitsabo akaiky anao. Raha toa ka avo ny tosidrà, izany hoe mihoatra ny 14 ny tension, dia tsaboy. Mihinàna fanafody izay homeny mpitsabo anao, ary aza tapahana izany.

⛔ Maro ny mihevitra fa manimba na voa ny fanafody mampilamina ny tension na ny hoe . Lainga izany ary diso tanteraka. Ny fanafody mitsabo ny tosidrà avo dia natao hampilamina ny tosidrà ho eo aminy antonony, izany hoe latsaky ny 14, ary miaro ny atidohanao, ny lalandrà @ fonao, ny lalandrà @ voanao sy ny lalandrà manerana ny vatanao tsy ho potika sy tsy ho simba.
↪ 𝙕𝘼𝙍𝘼𝙊 𝙁𝘼 𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝙊 𝙏𝙎𝙔 𝙈𝘼𝙃𝘼𝙇𝘼𝙇.
____
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕

16/08/2024

🔴 𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙋𝙄𝙏𝘼𝙊 ⚠️⚠️ | Efa miparitaka haingana be aty Afrique ny 𝙑𝙖𝙧𝙞𝙤𝙡𝙚 𝙙𝙪 𝙎𝙞𝙣𝙜𝙚 hoy ny OMS. Mila mitandrina isika eto Madagasikara.

Misy karazana Virus vaovao hita vao haingana, antsoina hoe "Claude Ib", mahery vaika sy mamono ary mora mifindra noho ireo Virus tompon'antoka @ Variole du Singe teo aloha. Ny 𝙑𝙖𝙧𝙞𝙤𝙡𝙚 𝙙𝙪 𝙎𝙞𝙣𝙜𝙚 dia mifindra @ alalan'ny firaisana ara-nofo, ny fofonaina (raha nisy olona nievina na nikohaka ka voatrokanao), ny fikasohana @ ilay fery.

✅ 𝙁𝙄𝘼𝙍𝙊𝙑𝘼𝙉𝘼 : sasao tsara @ savony ny tanana sy ny sakafo hoanina rehetra, manaova aro-vava (MASQUE), manatona Dokotera raha vao misy fambara hafahafa mitovy @ sary fanehoana.
⭐ 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
___
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕

12/08/2024

Firy volana rasazy ny zaza no afaka atao mipetraka? Tsy voahisako intsony hoe impiry nisy nanontany fa matetika loatra 🤨

👦👶👧Ireo dingan’ny fitombon’ny zaza, ny kilalao mety amin’ny taonany…. Aleo ary ho resahana eto @ Allô Rasazy ary

☝Aza adino aliha fa ny zaza tsirairay dia SAMY HAFA (na dia mpiray tampo aza). Samy manana ny fomba fivelaran’ny atidohany sy ny vatany ⚠Tsy tsara ny mifampitaha maman sy papa an

Tsy mila ampianarina ary tsy isika no mitondra azy fa rehefa vonona izy dia izy ihany no manao ireto, araky ny rythme-ny sy ny fahavononany :

🐝0-2 volana : Tsy mbola an-tsitrapo ny fihetsiny fa voajanahary (mitsetsitra, mamikitra tanana…). Mbola tomany aloha no feo avoakany. Tsy misy kilalao mahavariana loatra fa ny feon’i dada sy neny no tena mafinaritra azy ka mila resahana kely foana 👨👩

🐝3-4 volana : Miezaka miarin-doha. Tsy dia tia adaboka instony❌ Ary rehefa adaboka dia miodikodina. Manomboka mampiasa feo (miomehy, mamaly resaka).
Afaka adaboka @ kibo (matory miohoka) fa mi-muscler ny sorony izany.
Karazana éveil musical misy couleur kely ireny tena tiany 🙂

🐝5-6 volana : Mahazaka vatana 💪 manomboka mipetraka (saingy mbola mila tohanana).
Manao am-bava izay zavatra hita rehetra (indrindra fa tongotra sy tanana 😆)
Miteny litera tokana : « a », « o », « e ».
Mbola mety ny kilalao miantona sy maneno ary milokoloko. Kilalao kely voafehin'ny tanany, malemilemy ihany koa

🐝7-9 volana : Mipetraka tsy tohanana, mihezaka mandady, mandrazona sy mihezaka mitsangana.
Rehefa te ho trotroina dia mamelatra ny tanany.
Mamoaka feo litera roa: « ba » « da » « ma ».
Kilalao milokoloko azo raisina ohatra nounours, baolina no tiany.

🐝1 taona : mitsangan-drery sy mamindra segondra vitsy 😮👣 (mbola mety hianjera aloha 😅). Mandrazona dia mikisakisaka.
Tia manipitsipy izay zavatra eny an-tanany 😡🤣
Efa miresaka fa dada sy neny aloha no mahazo ny lazainy. Mamoaka sy mampiditra zavatra anaty boaty no lalao tiany (karazana cube mifampiditra ireny)

🐝18 volana : tia manositosika seza, kalesa, baoritra sns… Mahay manambatra teny 2 (oh :dodo neny…). Mahay mitingitingina ❤, tia mangala tahaka fihetsika (tsara ampianarina ireo fahazarana tsara)

🐝 2 taona : Miresaka, mianatra mitringa 😂, mandeha tsara 👏, mahay bitsibitsika. Mahay manao paozy mitady zandry 😂😛 Tia manoratra (indrindra @ rindrina 😂).

👉Marika ihany ireo fa ny zaza dia samy manana ny "rythme-ny" @ fitomboana an! Mety misy zavatra ataony mampitomany😤😭 (manoratra @ rindrina, manipitsipy).
Aza bedesina izy fa dingan’ny fivoarany izany 😊
Ny trano no tsara amboarina hifanaraka @ fitombony sy fihetsiny 🏡 Tsy voatery mividy kilalao lafo vidy raha tsy misy fahafahana fa mila atao mifanaraka @ filàny fotsiny (toy ilay baoritra, kalesa sns teo)

Ny pédiatre no mpitsabo mety indrindra ho an'ny zaza sy mahita ny zavatra atao raha hoe tena misy fahatarana be 😊 Tena zava-dehibe ny fanampin-tsakafo omeny ny zaza ka tena tsara tohizana foana na dia hitanao salama be aza ny zaza (fer, multivit sns...)

Ao amin'ny www.kalesako.com koa ianareo afaka mahita karazana fanampin-tsakafo ho an'ny zaza raha toa ka karazana produits ilaina amin'ny bain foana no entiko anareo matetika
Asiako santionany ao @ commentaires- Afaka mandefa Mp avy hatrany amin'ny pejy Kalesako fa maro isafidianana ao 😇

Mirary soa ny Papouzy 😘 Inona @ ireo no lalovan'ny anao izao? 😃

Salama topokoHo antsika Ray aman-dreny sao dia te hampiditra hampianatra ny zanantsika hanao informatique😉Ka izao ny fan...
04/07/2024

Salama topoko
Ho antsika Ray aman-dreny sao dia te hampiditra hampianatra ny zanantsika hanao informatique😉
Ka izao ny fanararaotana fa ho hisy fampianarana informatique maimaimpoana(gratuit) ts mandoa droit sy écolage.
Toerana: Andapa
Ka mitongavà @ Samedi 06/07/2024 ho avy izao @ 9 ora maraina ts diso arÿ ny fisoratana anarana sy maka renseignements.
Tongava maro

Bonjour 😊Androany isika dia iresaka fombafomba tokony arahin'ny vehivahy mba hitazomany fahadiovan'ny fivaviany :📎alohan...
10/06/2024

Bonjour 😊
Androany isika dia iresaka fombafomba tokony arahin'ny vehivahy mba hitazomany fahadiovan'ny fivaviany :

📎alohan'ny anao hisasa fivaviana dia tokony hanasa tanana madio tsara aloha,
📎rehefa misasa dia atao avy aloha mandeha miroso any aoriana fa ts miverina aloha intsony
📎Ny eo ivelany iany no sasana madio tsara fa fadio ny misokatra any anaty rehefa misasa (f iny tananao iny iany dia mety mitondra microbes)
📎Tsy azo atao ny mampiasa savon rehefa misasa fa mamono flore vaginale rah te hampiasa savon dia savon neutre no ampiasaina (savon Nosy na savon efa voatokana ho an'ny fivaviana)
📎Mampiasà culottes coton tsy tery ary aza tia mampiasa reny karazana culottes maro isan-karazany ireny (string, culottes nylon...)
📎 Rehefa avy misasa dia lamba malefaka no ifafana (firana avy aloha mandeha any afara fona)
📎 Rehefa tonga fotoana(période de régle) dia misolosolo serviettes hygiéniques matetika (in-2 farany ambany) ary misasa madio tsara.

Raha tandremana ireo dia efa anisan'ny miaro ny vehivavy iray vaginales na fiandry izany.ka diovy ny vatanao mba ho salama tsara😉
# isika dia hiresaka indray momban'ny pertes vaginales na hoe fiandry ka araho ary ny pages ntsika😊

Efa manomboka ririnina isika zao,Matetika fotoana tiantsika Ray aman-dreny amosiragna ny zanatsika lahy🧒Raha toa ka tian...
01/06/2024

Efa manomboka ririnina isika zao,
Matetika fotoana tiantsika Ray aman-dreny amosiragna ny zanatsika lahy🧒
Raha toa ka tianao hatao antrano iany ny didim-poitran-janakao dia izahay ato ho an'ny dia afaka manantona anao antrano.
Ka aza misalasala mandefa message privé na miantso numéro 0326428888 na 0389724448

Miarahaba asika rehetra! 'andro ho avy zao dia hanao Campagne vaccine Polio isika mba hisorohana  lefakozatraHo avy hite...
10/05/2024

Miarahaba asika rehetra!
'andro ho avy zao dia hanao Campagne vaccine Polio isika mba hisorohana lefakozatra
Ho avy hitety ny isan-tranontsika any ireo mpiasam-pahasalamana hanantanteraka izany

Ka manentana isika Ray aman-dreny hanolotra ny zanantsika hatao vaskiny izay atete am-bava.

Address

Dans Les Secteurs
Andapa

Telephone

+261326428888

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ho an'ny fahasalamanao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Ho an'ny fahasalamanao:

Share