04/09/2025
👉Misy ny fiovana eo amin’ny tsiry mpanetana rehefa bevohoka ka mety mahatonga fikorontanan’ny fomba fitelomana sy ny fomba fandevonan-kanina ka lasa mety mampidi-drivotra anaty kibo. Misy fomba fisakafoana tokony ho atao rehefa mitondra vohoka mba hisorohana an’izay rivotra mibahana anaty kibo izay . 👌
▪️Rehefa misakafo dia mipetraka mahitsy tsara
▪️Tsy misotro rano mandritran’ny fitelomana sakafo
▪️Tsy dia tsara ny misotro zava-pisotro misy "gaz"
▪️Ny fitsakoana siligaoma ihany koa dia fadio
▪️Rehefa avy misakafo dia tsy tonga dia mandeha matory fa somary manao dian-tongotra kely aloha
💫Raha ohatra ka efa tafiditrin’ny rivotra anaty kibo :
▪️Somary safoina kely ny kibo sy ny valahana (ianao mitondra ilay vohoka ihany no manao azy)
▪️Hosorana menaka mba hampafana azy (diloilo "coco", lohamenaka)
▪️Misotroa zavatra mafana (dite mafana sns)
▪️Mandeha mamonjy Dokotera rehefa tena tsy zaka
Isaorana Rasazy Fitahiana
Nangonin’i Jenny
🌸 Jejoo, le quotidien des femmes !