Mifikitra amin'ny Teniny

Mifikitra amin'ny Teniny Natao ho anao ity pejy ity.

Ho anao izay manontany tena hoe mbola miteny ve izany Andriamanitra izany; na tsy mbola nahita ny herin'ny Tenin'Andriamanitra; na ianao efa mahafantatra ihany fa tsy mbola tena nandray tokoa ny Baiboly ho Tenin'Andriamanitra.

FAHASALAMAN'NY FO ANDROANY MARAINA : 8:30 - 12 ora Centre Life Hope ambadiky ny Cnaps Ampatsakana : MAIMAIPOANA NY FIZAH...
22/06/2025

FAHASALAMAN'NY FO ANDROANY MARAINA : 8:30 - 12 ora
Centre Life Hope ambadiky ny Cnaps Ampatsakana : MAIMAIPOANA NY FIZAHANA

Ny Centre Life Hope dia manasa anao izay manana ahiahy mahakasika ny fahasalaman'ny fo ho tonga ny Alahady 22 jona izao ...
18/06/2025

Ny Centre Life Hope dia manasa anao izay manana ahiahy mahakasika ny fahasalaman'ny fo ho tonga ny Alahady 22 jona izao fa misy fizahana maimaipoana ataon'ny mpitsabo manokana momba ny fo.
Ilazao ny tapaka sy namana sao mahasoa azy izany.

Seminera entina hanampiana ny ray aman-dreny sy ny zanaka manoloana ireo olana mpitranga ao an-tokantrano.Isan-kariva ny...
24/10/2024

Seminera entina hanampiana ny ray aman-dreny sy ny zanaka manoloana ireo olana mpitranga ao an-tokantrano.
Isan-kariva ny 27 oktobra - 01 novambra 2024
Toerana: Centre Life Hope Ampatsakana ambadiky ny Cnaps

Consultation cardiologie maimai-poana amin'ny alahady 20 oktobra manomboka amin'ny 8 ora maraina - 11.
14/10/2024

Consultation cardiologie maimai-poana amin'ny alahady 20 oktobra manomboka amin'ny 8 ora maraina - 11.


01/01/2024
22/11/2023

Ny Antokom-pihira ny Feon'ny Antso Avon'ny Lanitra dia faly manasa anao hanatrika ny Antsam-panahy izay iarahany amin'ny antokom-pihira ny Antema Ravaky ny Lanitra Anosibe II, ny Hoby Farany ary ny Feon'ny Faminaniana, ny alahady 26 novambra amin'ny 2 ora tolak'andro.
Tongava maro fa tsy misy vidim-pidirana, fa fifaliana, fanantenana ary fiadanam-po no ho entinao mody.
"Fa isika araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao." 2 Petera 3.13

26/10/2023

Fantaro ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza sy ny nono
Fizaham-pahasalamana ho an'ny ankizy 0 - 15 taona
Fotoana : alahady 29 oktobra 2023
Ora : 10 ora maraina - 1 ora atoandro
Toerana : Centre Life Hope Ampatsakana

21/10/2023

Fiofanana sy fanintarana ny tamba-zotra arak'asanao.

22/09/2023

Rehefa mitranga ny fahaverezan-kevitra, ka mifanehatra amin'ny zava-tsarotra ianao, dia aza mitaky fanampiana amin'ny olombelona. Apetraho amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra. "Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao" (Salamo 55:22). Ny filazana ny zava-manahirana antsika amin'ny hafa dia mahatonga antsika fotsiny ho malemy sady tsy mitondra hery ho an'izay miahino antsika. Mametraka eo aminy ny enta-mavesatry ny aretintsika ara-panahy izany, izay tsy azony hamaivanina akory. Mitady ny herin'ny olona diso sy voafetra isika, kanefa afaka mety ho azontsika ny herin'Andriamanitra tsy mety diso ary tsy voafetra. "Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; fa fofonaina foana no eo am-bavorony, ka hatao zinona izy?" (Isaia 2:22)
Aoka ho kely mihitsy ny fitokisantsika izay azon'ny olona atao, fa ny fitokisantsika izay azon'Andriamanitra atao ho an'ny fanahy mino kosa, dia aoka ho be lavitra. "Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony" (Salamo 33:18).
Iriny indrindra ny hikatsahanao Azy amin'ny finoana. Iriny indrindra ny hanantenanao zva-dehibe avy Aminy. Iriny indrindra ny hanome anao fahatsapana eo amin'ny zavatra ara-nofo sahala amin'ny eo amin'ny zavatra ara-panahy.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mifikitra amin'ny Teniny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Mifikitra amin'ny Teniny:

Share