20/12/2020
FAHASAROTAMPIARO.
Fahasarotam-piaro ny resaka, kanefa misy idiran’ny fahasalamana, na ara-tsaina, na ara-panahy, na ara-pitiavana na ara-piaraha-monina sns…
Misy karazany maro ny atao hoe : FAHASAROTAM-PIARO :
• Misy ny fahasarotam-piaron’ny ray aman-dreny amin’ny zanany
• Misy ny fianakaviana samy saro-piaro amin’ny ankohonany, izany hoe sarotiny ery izy raha misy mahatohitohina ny iray amin’ny fianakaviany, na ny ankohonany ao an-trano.
• Raha eo amin’ny tontolo ara-pivavahana dia misy koa ny atao hoe : fahasaro-piaron’Andriamanitra amin’ny olony. Izany hoe : tena tsy tiany mihintsy ny olony raha manana andriamanin-kafa ankoatry ny maha-Andriamanitra Azy.
FA INONA MARINA NY FAHASARO-PIARO ?
• Ady hevitra be tsy mety ho vita mihintsy eny anivon’ny fiaraha-monina ny atao hoe FAHASAROTAM-PIARO.
• Maro ny milaza azy io hoe : toetra ratsy, adalana, fanafenana ny atao sns…
• Tsy vitsy koa anefa no manizingizina fa tena fitiavana ny fahasarotam-piaro
• Inona ny tombotsoa entin’ny fahasarotam-piaro ?
• Inona kosa ny voka-dratsy rehefa tafahoatra ny fahasarotam-piaro ?
• Ny fahasarotam-piaron’ny mpifankatia na mpivady no tena mahabe resaka sy mahazo toerana be indrindra eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny ankohonana.
• Amin’izay fahasarotam-piaron’ny mpifankatia izay dia miseho amin’ny endrika roa, izay tena ilàna fitandremana fatratra, ary tsara ho fantatry ny rehetra mihintsy.
1. FAHASAROTAMPIARO MANDRAVA
2. FAHASAROTAMPIARO MANANGANA
• Ny hitovian’izy roa ireo aloha, matetika rehefa hoe mpifankatia, dia arak’izay teny izay hoe : TIA, samy tia, ary samy sarotiny amin’ny azy avy, ka tsy tiany elingelenin’ny hafa ny fitiavan’izy roa.
• Matahotra izy ndrao ho lasan’ny hafa ny fon’ilay olon-tiany ka ho rava ny fitiavan’izy ireo. Ary na dia fantany koa aza fa tsy haharava ny fitiavan’izy roa ny fisian’ny fitiavana any antsisiny any, dia mampihena ilay fitiavan’izy roa miredareda araka ny fijerin’ny fahasarotam-piaro.
A - Ny fahasarotampiaro mandrava dia toy izao ny endrika isehoany :
• Sarotiny amin’ny azy izy, ka raha misy fihetsika tsikariny ataon’ny hafa na ataon’ilay olon-tiany na tranga tratrany, dia manomboka ny olana. Maro ny fomba hisehoan’izay olana izay, ohatra : tsy mifampiteny, mifampiavonavona, samy maka ho azy ary mety hisy fanapahan-kevitra tsy voahevitra ataon’ny iray any ambadimbadika any, izay hiteraka fiantraikany ratsy dia ratsy mety hitera-doza mihintsy.
• Mety hiseho amin’ny alalan’ny gidragidra direct koa anefa, toy ny hoe : mifampitabataba tsy hahitana ny marina, tsy mifampihaino loatra intsony, mifandramatra, fikasihan-tànana, haingana dia hainga ny fanapahan-kevitra eo ka mety hisy fahapotehana tsy azo eritreretina mihintsy. Raha fisarahana mbola azo leferina ihany fa hisy fifamonoana mahatsiravina no atahorana. Ireo endrika farany ireo dia mora resahana fa mety zava-doza tanteraka. Mangony fotsiny ny fahapotehana ara-pihariana, ara-batana sy ny fahorian’ny ekipa manodidina anao, na havana na zanaka na asa na haja sy voninahitra sns….
• Izay ampahana fisehoan’ny fahasarotampiaro na dia fitiavana aza dia tsy fahasarotam-piaro manangana fa FAHASAROTAMPIARO MANDRAVA.
B – NY FAHASAROTAMPIARO MANANGANA, dia ahitana ny ampahany amin’ireo hita tamin’ny voalohany saingy, misy endrika hafa mihintsy kosa mampiavaka azy.
• Na ao aza ny fifamaliana, ny fifampitabatabana, na mifampilongilongy, na ady savoritaka, fifamolahana amin’ny endriny samihafa, dia tsy misy fiheverana fisarahana mihintsy fa manana fijery foana ny roa tonta hoe : TIAKO ITY, AHY ITY…
• Iny toetra iray iny dia tsara fakan-tahaka satria na dia misy foana aza ny adin’ny mpifankatia, dia vitsy dia vitsy ny isan-jaton’ny mpifankatia saropiaro tafasaraka na rava fitiavana, fa ilay fahasarotam-piaro mandrava kosa vitsy no tafavoaka amin’ny faharetan’ny fitiavana.
TOROHEVITRA :
• Manoro hevitra izahay hoe : raha maharesilahatra anao ny tsy maintsy ho sarotam-piaro ; dia ilay fahasarotam-piaro manangana safidiana. Mora ny mitia olona iray, fa sarotra ny mitahiry FITIA HAHARITRA.
• Tsara chance izay olona sendra mpifankatia tokam-po ary dia mbola misy tokoa aloha izany e, saingy ambany dia ambany ny tahany raha ny zava-misy no jerena.
• Raha efa manana olon-tiana ianao aza maniry izay hisarahana ka hanoloana azy. Raha mahita ny an’ny hafa tsara ianao, ka tsapanao fa ratsy kokoa nohon’ny an’ny hafa ny toetran’ilay anao, dia izay haha-tsara ny anao atao, fa sarotra ny hahitana olona (lahy na vavy) tena hoe ianao irery no olon-tiany.
• Fifaninanana ny fiainana. Raha hiaro azy tsy ho rombahan’ny hafa no tanjon’ilay fahasarotampiaro, dia aza atao amin’ny herisetra sy ny fahasiahana (na dia ilaina kely ihany aza izany indraindray), fa asehoy amin’ny fifaninanana. Ohatra : Tsy ianao ihany no tsy maintsy hotiavin’io olon-tianao io, fa afaka mitia izay tiany ho tiavina izay ary malalaka ny safidy satria maro izao ny lehilahy azo tiavina indrindra fa ny vehivavy koa manatombo isa. Toy ny mpanao propagandy mandresy lahatra ny vahoaka mba hifidy azy io dia mampiseho fomba rehetra ilay olona ho fidina mba ho tian’ny vahoaka, dia toy izay koa…. Ataovy izay fomba rehetra azonao atao mba hahatonga ilay olona tinao, hitia anao… Tsy terena ny fitiavana, fa fanababoana fo araka izay tratra io. tsy fiarovana be fahantana izany no vahaolana, fa fahaizana mambabo.
• Misy tsianjery maimbon’ny mpanolon-tsaina matetika mety efa lany andro indraindray. Ohatra : lehilahy iray mitia sy misafidy vehivavy maromaro. (fantaro kosa aloha fa tsy fahadisoana ny safidy na lahy misafidy vavy ho tiaviny io, na vavy misafidy hanaiky lehilahy samihafa). Ireo vehivavy roa na telo na maro samihafa ireo na mifankafantatra na tsy mifankafantatra dia samy manao izay hahababo ny fon’ilay lehilahy mba hahatonga ilay lehilahy hitia azy amin’ny fahafenoany ka ho tonga amin’ny tanjony avy.
• Ny sasany mety mampiseho fihetsika amin’ny alalan’ny fanambazana zavatra (ankolaka na mivantana), ny sasany mampiseho fihetsika amin’ny alalan’ny fiteny, miangolangola, na mambabo angamba, ny sasany amin’ny fiantsoana matetika na sms, na fandefasana sary, na fitafy marevaka, na fitafy manaitaitra, na fitafy maontina, na somary mihambohambo amin’ny zavatra hafa. Ny sasany mampiseho fihetsika amin’ny alalan’ny CALINS MORALE, misy aza CALINS miampy firaisana ara-nofo mihintsy sns…
• Samy manana ny toro-heviny ny olona rehetra, fa ny be mpilaza dia hoe : raha lehilahy no mangataka RS aminao dia tsy tiany ianao izay fa iny fotsiny no tadiaviny dia tsy raharahiany intsony ianao avy eo sns… amin’ny lafiny iray dia marina tokoa izay, fa misy indray toetrana lehilahy tambin-kanina ve sa fahatsapana hoe : tena afa-po aho amin’ity vehivavy ity, satria mety misaina koa angamba izy hoe : andramo ka izahao fa tsara ity vehivavy ity, dia ny fahaizan’ilay vehivavy manolotra fitiavana azy amin’ny endrika samihafa mbola niampy RS, dia nahababo azy angamba ka nampihintsana ny candidats sasany fa nanapahany hevitra hitia an’io vehivavy io manatombo noho ny hafa…. Ohatra daholo izany rehetra izany ary tsy mitovy ny CAS rehetra, sy ny toetran’ny olona rehetra.
• Sahirany ihany ny vehivavy maneho fihetsika manoloana ny lehilahy satria miditra amin’izay farany izay izy, toa hisy hitsara hoe : vehivavy mora mizara karatra ty sipa ty, tsy hiditra amin’izay izy anefa fa hianoka fotsiny amin’ny fihetsika hafa hanehoam-pitiavana dia toa ho latsa-danja manoloana ny hafa, izay mety hisafidianan’ilay lehilahy…
• Lava loatra ny voasoratra nefa mbola manana vahaolana samihafa azo hifampiresahana aminao izahay.
• Fijerin’ny CALINOTHERAPEUTE – FIMIBEAMA izay ampahany voatolotra izay, fa torohevitra farany dia hoe : raha vao hanomboka hitia olona iray ianao (na lahy ianao na vavy) dia aza tonga dia aletika be am-po loatra aloha ny fitiavana fa ampiankaro tsikelikely…. Ary aza manompo lehilahy raha vehivavy ianao, aza manompo vehivavy raha lehilahy ianao, avelao ianao no mibaiko ny fitiavanao fa tsy ny fitiavana no hibaiko anao….
• Afaka manampy torohevitra manokana ihany izahay mandram-pivoakan’ny tohin’ny fampahafantarana eo amin’izay lafiny ara-pitiavana izay, satria misy anjara-toerana lehibe eo amin’ny fitsaboana ihany koa ny resam-pitiavana…
• Fifandraisana : 034 17 196 77 (Responsable ETN) - na 034 11 659 80 // 033 11 659 82 (Komity foibe FIMIBEAMA)
• Ny mba angatahanay dia ny hitsidihanao ny page : TSIRON’NY FITIAVANA – CALINS ET TRAITEMENTS MORALE, horaiketinay sy hahatsiarovanay anao ny J’AIME sy PARTAGE nataonao