26/10/2025
NY OLONA MALEMY VINTANA
Faly miharahaba antsika namana manaraka ny resaka vintana na "astrologie" inty indray .Androany isika dia hiresaka ny atao hoe MALEMY VINTANA .
NY olona malemy vintana dia olona sady tsy MAHERY VINTANA no tsy RATSY VINTANA fa kosa TSARA VINTANA fa saingy tsy mahatondra izany vintana tsara izany .Ho azavaiko ny tiako hambara .Misy ireo karazan'olona izay mahazo zavatra tsara matetika saingy tsy voatazony noho ny halemeny'ny vintana ao aminy .TSARA ILAY VINTANA saingy tsy voatazony fa lasan' ny olona MAHERY VINTANA noho izy . Ohatra maro no azo raisina toy ny vehivavy tsara tarehy tsara bika mahazo lehilahy tsara tarehy sy tsara bika ary manakatao kanefa tsy voatazony hela fa malaky votsitra .Eo koa ny olona manana diploma avolenta sy tsy maro panana saingy tsy maha tazona asa maharitra na tsy an'asa mihintsy,
Endrika iray hisehoan' ny MALEMY VINTANA ihany koa ny hifatraran' ny zavatra ratsy rehetra , ohatra vaky ny trano naka entana ny pangalatra ny an ny olona rehetra tsy nisy very fa ny AZY irery ihany no lasa .Na samy nigafy zao tany antsekoly fa ny namana niaraka nigafy afaka mora foana fa ilay MALEMY vintana voasazy sy bedy .Maro ny endrika mety hisehoan' ny MALEMY VINTANA fa izay ohatra vitsy vitsy izay angamba dia ampy hafantarantsika ny atao hoe MALEMY VINTANA
AZO HIALANA VE NY MALEMY VINTANA ?
Eny maro ny fomba ahafahana miala @ FAHALEMEN NY VINTANA ny fihezahana hiala @ izany faharatsiana izany , ny fanarenambitana , ny vavaka ny meditation sns
Izay indray ary no azo natolotra fa samia mamantatra ny vintany hoe MAHERY ve sa RATSY sa TSARA sa MALEMY 🙏