Tontolon'ny neny sy zaza by Soatia

Tontolon'ny neny sy zaza by Soatia Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tontolon'ny neny sy zaza by Soatia, Health & Wellness Website, Antananarivo.

💕“Fitiavana mandrakizay, hatsarana tsy lefy, fiainana mamiratra.”

Sehatra natokana ho an’ny reny sy ny zanany 👩‍👧‍👦
✨ Torohevitra mahasoa ho an’ny fiainam-pianakaviana
👗 Lamaody mirindra ho an’i neny sy zaza
đź’› Manohana, mampiray fo ary mampamiratra

Samy robe longue, samy mihaja be, didiny samy hafa, couleur samy hafa.Iza no tianareo ? 1 sa 2 ?
12/05/2026

Samy robe longue, samy mihaja be, didiny samy hafa, couleur samy hafa.
Iza no tianareo ? 1 sa 2 ?

❌Ny nofinofin’ny zanakao ve no tanterahina rahatrizay, sa ny nofinofintsika ray aman-dreny no terentsika aminy? ❌Indrain...
11/05/2026

❌Ny nofinofin’ny zanakao ve no tanterahina rahatrizay, sa ny nofinofintsika ray aman-dreny no terentsika aminy? ❌

Indraindray isika ray aman-dreny dia maniry ny hahita ny zanatsika ho lasa….

👉 Fa tsarovy nefa fa ny zanatsika koa manana dia nofinofy, safidy, manana ny talentany sy ny zavatra mampifaly azy.

Ny anjarantsika ray aman-dreny dia:
- manoro lalana
- mampahafantatra ireo asa misy
- manampy azy hahita ny fianarana sy ny orientation professionnelle mifanaraka amin’izay tiany atao.

Afaka mifampiresaka, mifanakalo hevitra, fa aoka kosa tsy hanery hoe:
❌ “ity no tsy maintsy atao”
❌ “tsy mety io asa io”

👉 Satria hafa mihitsy ny olona:
- miasa amin’ny sehatra tiany
- mahatsapa épanouissement
- mandeha miasa am-pifaliana fa tsy an-tery

❓Ary ianao ray aman-dreny, hanaiky ve ianao raha misafidy asa tsy araka ny noeritreretinao ny zanakao rahatrizay?

❌ Sarobidy ny fahasalaman’ny zaza ary tena saro-pady ny zaza ❌Rehefa misy soritr’aretina na zavatra tsy mahazatra, zavat...
08/05/2026

❌ Sarobidy ny fahasalaman’ny zaza ary tena saro-pady ny zaza ❌

Rehefa misy soritr’aretina na zavatra tsy mahazatra, zavatra mampiahiahy dia aleo foana manatona pédiatre(mpitsabo natokana ho an’ny zaza).

Amin’izay ny zaza mahazo fahasalamana, ny sainao ihany koa mandry tsara.

Andao hifampizara, iza no pédiatre an’ny zanakao ? Aiza ny toerana hahitana azy ?

Ianareo ve ry maman nifana sa tsy nifana tamin’ny avy niteraka ?👶 Zaza firy dia manahoana ny lamosina sy valahana amin’i...
07/05/2026

Ianareo ve ry maman nifana sa tsy nifana tamin’ny avy niteraka ?

👶 Zaza firy dia manahoana ny lamosina sy valahana amin’izao ?

🤰 Ilaina ve ny fanaovana écho rehefa bevohoka ? Afaka manao écho isam-bolana ve mandritra ny fitondrana vohoka ?Ny échog...
06/05/2026

🤰 Ilaina ve ny fanaovana écho rehefa bevohoka ? Afaka manao écho isam-bolana ve mandritra ny fitondrana vohoka ?

Ny échographie obstétricale dia tsy sary fotsiny… fa fitaovana manan-danja amin’ny fanaraha-maso ny vohoka.

🤰 Eny, ilaina ny fanaovana écho mba hijerena sy hanaraha-maso ny :
-Toerana misy ny zaza ao an-kibo
-Ny fahaveloman’ny zaza ao an-kibo, ny fitempon’ny fony sy ny âge-ny
-Ny isan’ny zaza ao an-kibo
-Ny toerana sy fahamatoran’ny tavony
-Ny fitomboan’ny zaza sy ny lanjany
-Ny habetsaky ny ranon-dohany
-Ny firafitry ny zaza (jerena raha misy fahasembanana)
-Ny position an’ny zaza an-kibo
-Ny sexe (lahy sa vavy)
-Ny DPA (Date Prévue d’Accouchement)

🤰 Afaka atao isam-bolana ve ?
Eny, tsy mampaninona ny reny sy ny zaza ny manao écho isam-bolana. Fa amin’ny ankapobeny dia tokony manao écho in-3 :

Ny voalohany atao entre 10 à 13 Semaine d’Aménorrhée.
Ny faharoa atao entre 21 Ă  23 SA
Ny fahatelo atao entre 31 Ă  33 SA

❌Ry reny bevohoka, araho tsara foana izay torohevitry ny mpitsabo❌

Ary ianao, impiry nanao écho ianao nandritra ny fitondranao vohoka? 👇

Team Combi-pantalon ou team robe longue ?Iza no tianareo ? 1 sa 2 ?
05/05/2026

Team Combi-pantalon ou team robe longue ?
Iza no tianareo ? 1 sa 2 ?

❌Tsy hoe ray aman-dreny isika dia tsy mety diso na tsy azo valiana❌Indraindray, ny zaza manana ny heviny, manana fihetse...
04/05/2026

❌Tsy hoe ray aman-dreny isika dia tsy mety diso na tsy azo valiana❌

Indraindray, ny zaza manana ny heviny, manana fihetseham-po, te hiteny izay ao am-pony sy ao an-tsainy.

Fa inona nefa no ataontsika ray aman-dreny ?
-Mibedy avy hatrany
-Manakana tsy hiteny
-Milaza azy ho “be famaliana”

Rehefa henointsika anefa izy dia
- mianatra maneho hevitra am-pahendrena izy
- mahatsiaro ho hajaina sy tiana izy
- mitombo ho olona matoky tena

💛 Tena ilain’ny zaza iny ianao mihaino azy iny ary manamafy ny fifamatorana sy fifankatiavana eo aminareo.

âť“ Avelanao haneho ny heviny ve ny zanakao rehefa tsy mitovy hevitra aminao ?

Rehefa andro tsy fiasana ohatran’izao dia matetika manararotra manao raharaha ao an-trano ny renim-pianakaviana.Inona no...
01/05/2026

Rehefa andro tsy fiasana ohatran’izao dia matetika manararotra manao raharaha ao an-trano ny renim-pianakaviana.

Inona no raharaha tsy tianao indrindra ny manao azy ?

💛 Na miasa ivelan’ny trano ianao, na mijanona mikarakara tokantrano… samy manana ny havizanana sy ny adiny isan’andro is...
30/04/2026

💛 Na miasa ivelan’ny trano ianao, na mijanona mikarakara tokantrano… samy manana ny havizanana sy ny adiny isan’andro isika.

Misy ny reny miasa ivelan’ny trano, misy koa ny reny misafidy ny tsy hiasa fa mikarakara tokantrano, misy koa ny reny miasa ao an-trano.

Samy manana ny safidiny io, samy manana ny situation-ny, samy mahalala izay mety amin’ny fiainany, aoka tsy hifampitsara ary tsy tokony hifampitaha.

Ary ianao :
1-miasa ivelan’ny trano
2- mijanona mikarakara tokantrano
3-miasa ao an-trano ?

💉 Andao isika hiresaka momba ny vaksiny.✔️ Inona ny vaksiny?Ny vaksiny dia tsindrona na fanafody omena ny zaza mba hanam...
29/04/2026

đź’‰ Andao isika hiresaka momba ny vaksiny.

✔️ Inona ny vaksiny?
Ny vaksiny dia tsindrona na fanafody omena ny zaza mba hanamafy ny hery fiarovany hiadiana amin’ny aretina.

✔️ Fa maninona no manao vaksiny?
- Satria mbola malemy ny vatana sy ny fiarovan’ny zaza
- Misy aretina mora mifindra sy mety hampidi-doza
- Ny vaksiny dia manampy ny vatana “hianatra hiaro tena”

✔️ Inona ny tombontsoa?
- Miaro amin’ny aretina mahery vaika
- Mampihena ny mety ho fahasarotana sy fahafatesana
- Manampy ny zaza hitombo salama sy matanjaka
- Miaro koa ny ankizy hafa sy ny fiaraha-monina

❌Marihina fa zaza salama tsara no atao vaksiny, raha manavy izy dia miandry sitrana aloha vao manao vaksiny.

Ianao ve mahalala olona tsy mety manao vaksiny ny zanany mihitsy ?



đź“· Sary tetiandro indrana

Address

Antananarivo
TANAVI

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tontolon'ny neny sy zaza by Soatia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share