07/03/2026
NIHENA NY FANDANIAM-BOLA SATRIA NAMPINONO AHO...
fa tsy maimaim-poana anefa izany satria izaho no naharay ny faktiora:
đŽNaloa taminâny torimaso very.
đ€·Naloa taminâny hormones.
đ€§Naloa taminâny vatana tsy mba niala sasatra.
đ€±Naloa taminâireo fampinonoana aminâny misasakalina izay tsy nisy nahita.
đNaloa taminâny hoditra maina, volo mihintsana, sakafo tsy nohanina, ary ranomaso mangina.
đ€Tsy nisy tapakila ho anâilay fanaintainana.
đ
Tsy nisy famerenam-bola ho anâilay havizanana.
Eny, voajanahary izy io saingy mavesatra, atrehina irery matetika, ary tsy misy fitsaharana.
Koa rehefa mahita reny mampinono ianao, aza milaza fa mora izany.
đJereo izy.
đTohano izy.
đAnkasitraho izy.
Satria mety hoe maimaimpona izany fa ny vatany sy ny fony no manefa izany isanâanandroâŁïž