11/03/2026
👉 Ny Fahadiovana sy ny Sakafo💧
Ny fahadiovana dia tena zava-dehibe indrindra rehefa mikarakara sakafo. Ny sakafo hohanintsika mantsy dia miditra mivantana ao amin’ny vatana, ka mila fitandremana sy fahadiovana lehibe ny fikarakarana azy.
Rehefa hikarakara sakafo ianao dia tokony hajainao ireto manaraka ireto:
✔ Manasa tanana amin’ny savony ary kobanina tsara amin’ny rano madio alohan'ny hikarakarana sakafo.
✔ Madio avokoa ny fitaovana ampiasaina: sasao amin’ny savony ary kobanina tsara amin’ny rano madio ny vilany, sotro, antsy, sy ny fitaovana rehetra hampiasaina.
✔ Diovy tsara ny toerana hikarakara sakafo, mba hisorohana loto sy mikraoba mety handoto ny sakafo.
✔ Aza mikitika zavatra hafa ny tanana rehefa mikarakara sakafo.
Ohatra: tsy tokony hikitika ny tarehy, orona, volo, na zavatra tsy ilaina toy ny finday.
✔ Manasa tanana alohan’ny hisakafo ihany koa, mba hiantohana fa madio ny tanana rehefa mihinana.
➡️ Tsarovy: Na dia zavatra kely aza dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahadiovan’ny sakafo.
Raha voahaja ireo fitsipika ireo dia:
✅ Madio ny sakafo karakarainao
✅ Voaaro ny fahasalamanao sy ny ankohonanao
✅ Mandry fahalemana ny sainao
🥰Miara-mianatra hivelona salama.🥰