29/06/2021
Déchirure périnéal et l'épisiotomie
✂ Fikarakarana ny tataka taorian'ny niterahana :
▪
🎈 Rehefa miteraka dia mihitatra be ny habean'ny lavaky ny fivaviana mba hivoahan'ny zaza. Ka lasa mibontsina sy marary ny fivaviana mandritra ny 2 na 3 andro taorian'ny niterahana. Ary manomboka miverina tsikelikely amin'ny habeany taloha rehefa avy eo.
Mivonto ihany koa ilay toa ny tsaramaso kely ety ivelan'ny fivaviana (grande et petite lèvres). Ary mety hisy tresaka kely. Izany rehetra izany no mamparary rehefa mipetraka na mandeha aorian'ny niterahana.
🔪 Inona no antony hahatonga ny tataka na tatahana rehefa miteraka ?
✖ mety hoe mihenjana loatra ny périnée (faritra eo anelanelan'ny fivaviana sy ny lava-body) ka lasa tsy ahafahan'ny fivaviana misokatra tsara hivoahan'ny zaza. Izay no antony hilavana ny manotra an'iny mandritra ny fitondrana vohoka.
🌟 Ianaro ato ny fomba fanorana ny périnée rehefa bevohoka : https://www.facebook.com/perineeshop/videos/444020942339677
✖ mety hoe haingana loatra ny fihidinan'ny zaza sy ny fivoahany ka tsy nanam-potoana tsara ny périnée mba hahafahan'ny fivaviana hisokatra tsara.
✖ mety hoe ngeza be ilay zaza.
✖ indraindray ny fampiasana fitaovana toa ny ventouse na forceps mety mahatonga an'io koa.
💺 Rehefa mipetraka dia asio ondana na coussin de voyage ao ambanin'ny fitombenana mba hanamaivanana ny fanaintainana.
🚶♀️ Aza mibata zavatra mavesatra ary aza mitsangana ela loatra.
📆 Mety harary mandritra ny 1 volana sy tapany ilay tataka na notatahana. Fa miovaova arakaraky ny toe-batan'ny tsirairay io, sy ny fikarakarana ny zaitra.
💊 Ny azonao atao mba hanalana fanaintainana ?
✖ Asio vongana glasy mipetaka amin'ny faritra marary mba hahadonto azy.
⚠ Tsy mahavoa ny sovoka ny hatsiaka. Ny loto no mahatonga ny sovoka (infection). Ka azo atao tsara mihitsy ny mikasika zavatra mangatsiaka na glacé.
🌟 Ianaro ato ny mahatonga ny sovoka sy ny fitsaboana azy : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/3285157718280612
✖ Tobaso rano matimaty mandritra ny 10 na 15mn ny faritra marary. Tsy milona mba tsy hidiran'ny rano any anatin'ny fivaviana. Afaka atao im-betsaka isan'andro. Tsy mampiasa savony na menaka. Rano madio no ampiasaina. Ary hamainina amin'ny servieta madio ny fery vao miakanjo : tsy fafana fa apetapetaka moramora eo ny servieta mandrampahamaina azy.
⚠ Raha rano avy amin'ny lava-drano na paompy tany no ampiasaina dia tatavano amin'ny lamba madio aloha izay vao diovy amin'ny sûr'eau.
💩 Mety marary rehefa hangery. Fa tsy misy hatahorana hoe hivaha ny zaitra na manena mafy aza.
🌸 Mba hanampiana anao tsy hitohana rehefa avy niteraka dia asio goutte 1 amin'ny huile essentielle menthe poivrée ao anatin'ny toeram-pivalanana (wc), fa mampitony ny périnée iny ka mora kokoa ny mamany na mangery.
⚠ Tandremo : FADY HO AN'NY BEVOHOKA io huile essentielle menthe poivrée io.
🍎 Mihinàna voankazo sy légumes, ary anana maro isan-karazany satria mitondra fibres ireny. Fa fero ny akondro (mampitohana).
⚠ Afaka mihinana anana ny mpampinono. Tsy misy fiantraikany ratsy amin'ny zaza izany. Lokon'ny tay fotsiny ny maitso fa tsy midika izany fa marary kibo na hoe mivalana izy.
🌟 Ianaro ato ny sakafon'ny mpampinono, tsy misy fady : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/3364465760349807
💦 Misotroà rano mba hampazava ny lokon'ny amany. Iny rano iny ihany koa miara-miasa amin'ny fibres mba tsy hampitohana.
🚶♀️ Ary mihetsiketsehà manjary kamo ny tsinay.
⚠ Tsy manao reraka fa mety hoe mandeha tongotra manatitra vilia any an-dakozia ohatra.
🌟 Ianaro ato ny atao raha misy hémorroïdes : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/2953069434822777
🚽 Sasao foana ny fivaviana rehefa avy namany na nangery mba ialana amin'ny infections (sovoka) : raha misy loto tafiditra any amin'ny fivaviana.
🌟 Ianaro ato ny mahatonga ny sovoka sy ny fitsaboana azy : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/3285157718280612
🚿 Mila misasa ny zaitra in-2 isan'andro, ankoatra ny rehefa avy mangery sy mamany. Tsy fafana ny zaitra fa somary tsindritsindrina moramora amin'ny servieta madio mba hanamainana azy tsara.
🧼 Tsy voatery mampiasa savony lafo be na gel intime (oh : saforelle) fa savony manitra Nosy Be dia efa mety. Lemana ny savoby dia hosorana ny tanana. Ikay savony amin'ny tanana iny no ahosotra ny fivaviana sy ny zaitra.
🧵 Mila jerena afaka 10 andro taorian'ny niterahana ilay zaitra sao misy tsy metimety, na hanesorana ny kofehy raha toa ka ilay kofehy tsy levona no nampiasaina.
🚨 Manatonà mpitsabo raha toa ka misy nana ilay tataka na notatahana.
💪 Manaovà kotrana rééducation du périnée afaka 6 herinandro taorian'ny niterahana raha toa ka notatahana na tataka.
🌟 Ianaro ato ny fanaovana an'izany : https://www.facebook.com/grossesse.eu/videos/1810134362364779
▪
📌 Tageo ny reny fantatrao fa notatahana tamin'ny niteraka.
💖 Ataovy j'aime 👍 sy araho ny pejy mba hahitanao torohevitra hafa momba ny fiterahana.
💌 Tonga dia alefaso message (fa tsy ao amin'ny commentaire) ny fanontaniana fa aza miera fa manjary miandry ela be ianao vao ho voavaly.