soins à domicile

soins à domicile "....hametra-tanana ny marary IZY Dia ho sitrana ireny".❤️ Mark .16:18

02/01/2025

Bonne et heureuse année à tous 🥰
Que du bonheurs et de la joie ❤️

25/12/2024

Mirary Krismasy sambatra sy feno fanetretena ho antsika rehetra ❤️🌲

11/12/2024

Zavatra 5 tsara ho hay raha hiteraka 😊

Anisan'ny mampitaintaina ny bevohoka ihany koa ny fatahorana ny col tsy hisokatra, tsy mahay manena sns... 🤔

Ireto aloha misy teboka 5 zaraina anio 👇
(Afaka mifampizara expérience koa ao @ commentaires hoe nanao ahoana ianareo t@ niteraka❓️Nisy nanaraka anreo ve sa nanakory❓️)

▫️ Tsy akatona ny vava (Mifandray izany. Raha vao mihinjitra be manaketoka vava ianao dia miziriziry toy izay koa ny col ka ela vao hisokatra) 👄 Rehefa mihetsi-jaza ilay miandry col hisokatra iny no resaka eto
Ialana amlay vava miketoketoka mangovitra koa dia aleo sokafana fa mampijaly be ilay mihovitrovitra be iny 😣

▫️ Efa haintsika ilay respiration profonde/lente iny.
Ezaho ho malefaka ny vavanao rehefa mamoaka na mampiditra rivotra. Atao miadana koa ilay fomba fiaina fa tsy misefosefo (Mila mianatra anzay fa ny réflexe manko avy dia misefosefo rehefa marary sy matahotra. Saingy tsy manampy izany) 😌

▫️ Aza mitabataba, mikiaka, mivazavaza. ❌️❌️❌️
Mandany hery be izany dia aza ariana amin'izany ny herinao fa tehirizo mba hanenàna
Indraindray misy feo mivoaka ihany aty an-tenda fa tsy tokony hoe mikiaka fa tokony ohatran'ny hoe te hamoaka rehoka anaty tenda 😤

▫️ Manena amin'ny kibo fa tsy tenda. 🫄
Toy ny manena hi-caca fa kosa aty aloha (aty amin'ny fivaviana no manosika).
Tsy azo an-tsaina mihitsy❓️
Mba afahanareo mahatsapa tsara hoe aiza hoe aiza moa izany resahana izany dia heritrereto hoe poritra be te hi-pipi sy hi-caca ianareo dia tazomy, henonao fa misy hozatra miketoketoka ao
👉 (Iny ny périnée, eo ny zaza no handalo)
Normal koa ianao raha mbola tsy mahazo sary an-tsaina fa rehefa tena misy contractions dia tsy mila atoro fa tonga de renao hoe izany ilay te hanena ambany 😃

▫️ Rehefa avy manena ka te haka rivotra dia tsy misintona haingana sy mafy manjary misintona ny zaza miverina.❌️❌️❌️ Akatona ny vava aloha ny vava rehefa hisintona rivotra haka aina

Manontania an'ny rasazy na dokotera dieny mbola misafo raha misy tianao anontaniana fa zonao izany ary manampy anao. Mba ialàna amin'ny hoe efa hiteraka vao hanontany izay tokony atao 😊 Miara miasa manko ianareo ary 20mn ihany no hanànana hanenàna 😉

Malahelo live miaraka aminareo aho fa efa tena ela tsy nisy live. Ndao mba asiana rahampitso @ pause 12h iny 🥰 Miresadresaka, mametraka fanontaniana, misy produits bébé-maman ho an'zay mitady 😉 Misy sac pour maman friperie qualité européenne 😘 Sy ny sisa eeeeehhh 😊

02/12/2024

Tsinjovy ny tenanao

Misy fitiliana SIDA maimaimpoana eo amin'ny pharmacie métropole ny 04 alaroby amin'ny 9h maraina
Koa mandehana jereo ny tenanao MBA tsy ho tapohin'ny loza🥰🤗

19/11/2024

Aza manao dokotera tena re tompoko fa manantona tobim-pahasalamana🥺

Arovy ny tenanao

19/11/2024

Miarahaba antsika rehetra 😊

Infirmière afaka manao soins à domicile 😊na manao garde malade ihany koa
Afaka mikarara be antitra sy handicaps 😊

Ireto avy Ary ireo karazana soins atao😊
-Manindrona (injection intraveineuse, intramusculaire, sous cutanée)
-Mametaka sérum
-Maka tension
-Mametaka na manala sonde (vésicale, gastrique)
-Manao pansement
-Manao suture
-Prélèvement sanguins
-Ablation fil

📞☎️Afaka miantso ny laharana 034 38 910 77 na mandefa hafatra miafina raha misy mahaliana anao📩

Vonona hanome fahafahampo sy fikarakarana tsara ho anareo izahay🤗😘

Mirary soa sy fahasalamana antsika rehetra Tompoko🤗

19/11/2024

Vaksinin’ny vehivavy bevohoka .Tsy maintsy atao ve❓️

Ndao hiresaka vaksinin’ny vehivavy bevohoka eto @ Allô Rasazy 😊 (Ezahako atao fohy 😉)

1️⃣Tsy maintsy atao ve?❓️
TSY OBLIGATOIRE io, nefa tsara foana misoroka
▫️Ny tetanosy manko dia mety hahafaty ny reny na ny zaza: infection azo avy @ otrik’aretina, @ loto eny rehetra eny fa indrindra ny vy arafesina izy io 🪡🗡🪒✂️
▫️Ny tobim-pahasalamana dia mila manaraka ny fenitra @ fanadiovana ny vy ampiasaina eo am-piterahana, nefa tsara foana misoroka @ alalan’ny vaksiny ⚠️
▫️Marina fa efa nanao vaksiny miaro @ tetanosy i maman fony izy mbola zaza, iny anefa dia tsy maharo rehefa bevohoka 🫃 Ny zaza koa mila arovana (Ny tadim-poitra ohatra dia vy no hanapahana azy ✂️)

2️⃣Rahoviana no manomboka manao azy❓️
Tsy voatery bevohoka❗️Manomboka 15 taona eo ny zazavavy dia efa afaka manao azy 🧍‍♀️
Raha tamin’izany dia efa nanomboka ka nahavita azy rehetra dia tsy manao intsony rehefa bevohoka 👏👏👏
🫃Raha mbola tsy nanao mihitsy nefa dia afaka manomboka avy hatrany na firy volana na firy volana ny kibo. TSY MISY ATAHORANA HO AN’NY ZAZA 🙂

3️⃣ Misy firy ilay izy❓️
Misy dose 5 mila atao ary raha vita ireo 5 ireo dia voaharo mandramaty ilay vehivavy ⚔️
💉 VAT 1: Izay aloha indrindra afaka hanaovana azy
💉VAT 2: Iray volana aorian’ilay VAT1 teo
💉VAT 3: 6 volana aorian’ilay VAT2
💉 VAT 4: 1 taona aotian’ilay VAT 3
💉 VAT 5: 1 taona aorian’ilay VAT 4 teo

4️⃣ Mila taperina sa andrasana @ vohoka manaraka ny tohiny❓️
Arakaraky ny zava-misy.
Raha VAT2 izao no vita ohatra dia 3taona ihany farafaha betsany no voaharo ianao. Ka raha afaka 5 taona izany vao hitondra vohoka manaraka ka eo vao hanoy indray dia mila miverina hatramin’ny voalohany 🥲
👉Vita ny VAT5 izay vao voaharo mandramaty.
Fehiny: Aleo vitaina ilay 5 isa na dia efa teraka aza (sady hitondra ny zaza hanao vaksiny ihany dia tonga dia vitaina).
Dia tsy miasa saina intsony @ vohoka manaraka😌😌

Raha tsy nitohy moa dia arakaraka ny hoe VAT firy no vita dia firy taona taty aoriana no bevohoka indray. Arakarak'izay izany no hoe tonga dia tohizana sa mila averina

5️⃣Tsy maintsy manavy❓️
▫️Somary mavesatra ny vaksiny ka aleo ilay sandry tsy dia miasa no tsindromina.
▫️ Mety hampanavy koa, indrindra ny faharoa ka mila mivonona @ fampidinana hafanana 🌡
▫️Ny bevohoka efa hafarana foana hoe raha vao manavy dia mandehana dokotera sao tazomoka, fa raha avy nanao VAT ianao dia mety ho izay no mampanavy 😌

Tsy nety fohifohy ilay izy fa lava be ihany 🤣
Fa zay e! Haintsika izy izay dia samia manao vaksiny ho fisorohana dia tongavasoa ny vahiny 😘😘😘

03/07/2024

🔴 Ankoatra ny aretitsaina dia ity nify 🦷 ity no somary ambaniantsika be izay (ny tenako anisany)
🤐 Rehefa marary izy dia aleo halako any ity 😬 rehefa sitrana nefa dia miaina toy ny tsy misy haha 😜

✅ ny tsara indrindra dia mandeha dentiste 🦷 1/taona isika (fikojakojana azy) fa tsy toa ahy hoe rehefa marary foana vao makaty

⚠️ ny fahasimban’ny nify dia mety mitarika aretina hafa hiteradoza ho antsika olombelona

Aleo kojaiko ny ahy fa hafahafa ihany ilay hanao fanentanana ratsy nify na banga be ny tena 🤣🤣 na hifanerasera aminareo nefa maimbo vava be za 🤮

03/07/2024

Rehefa teraka hono dia adino daholo ny fanaintainana rehetra 🥰 Miha maivana sy sambatra aloha rehefa nahazo zazakely e 😍😍😍

Fa ireto misy teboka10 tena tianareo raha mba nolazaina mialoha 🤨

🔸️ Ny rà mandeha 🩸
Rehefa teraka dia tsy toy ny hoe regles fa tena betsaka kokoa.
Mety handeha rà ianao 10 andro eo, fa mety ho tonga hatramin’ny 6 herinandro mbola hisy kely mandeha foana 😬

🔸️Ny kibo mbola ngeza
Marina fa niala ny zazakely 👶 Fa eo eo @ 6 herinandro vao miverina amin’ny habeny taloha ny tranon-jaza
Misy anlay mafy be toy ny vato koa eo ambany foitra rehefa teraka 😐 Marika fa tsy modraka ny tranon-jaza (iny no azahoana antoka fa tsy hisy hemorragies)

🔸️ Fiakaran’ny nono
Tsy voatery ho moramora ilay mampinono @ voalohany 😭
Tsy voatery eo no ho eo no eo dia hisy ny nono 🤱 Matetika any @ 3 andro aorian’ny fiterahana vao tena betsaka
🥲 Ary mety harary ihany koa

🔸️Mety hiovaova be ny fihetseham-ponao (mandalo baby blues kely), te hitomany tampoka, faly be koa… Mifangaro avokoa izany ary normal nefa 😑

Aza kivy be aloha e 😄 Mafimafy ireo saingy afaka hitadiavana vahaolana tsara nefa fa tsy atao hampitomany 😘
Tsisiho ny pejy Kalesako fa zareo anisan’ny manana produits mety hanamaivana anareo: volo mihintsana, nono tsy miakatra, kibo feno rivotra, rera-dava sns… Asiako santionany ao @ commentaire

Tohiny ary: 👇

🔸️Tsy voatery ho mahafatifaty ny zaza vao teraka 🙄😅 (ie! Mila hiomànana ity sao dia hitomany hoe toa lavalava ny lohany, na toa mikorikotitra ny hodiny).
Normal izany satria enjana ny làlany vao tafavoaka tao 😊

🔸️Misy zavatra mety hanelingelina andro maromaro:
Pia + mitohana + hemorroides (tsy misy miresaka antsika izany nefa dia tena enjana koa)

🔸️Ny tain’ny zaza dia mainty sy miraikitra be amin’ny voalohany, aza taitaitra. Normal izany 👶

🔸️Ny volo
Mety hintsana ny volo aorian’ny fiterahana ary mety haharitra volana maromaro izany🥺

🔸️Ho reraka ianao: faly saingy reraka, satria nandany erjika ny fiterahana

🔸️Tsy moramora ny manary ilay lanja azo rehetra, saingy efa dingana lehibe rehefa teraka ianao satria ny zaza + ahitra + ranon-dohany fotsiny dia efa very 5kilao ianao farafaha keliny 🙈👏👏👏

Zay ry maman fa mino aho hoe betsaka ianareo no efa mba niteny hoe :”Raha mba notenenina ahy mialoha manko izay” 😌

20/06/2024

Vao latsaka ny zaza dia mangovitra be 😐 Izay no resahana anio miaraka @ Eau Vive Malagasy

Betsaka no miahiahy be fa vatan'ny vao latsaka ny zazakely sy ny ahitra dia mangovitra be 😑 Mihezaka ny tsy hangovitra fa tsy mety mihitsy 😟

NORMAL IZANY ary tsy mampatahotra 😌

Antony mahatonga azy
🔸️ Betsaka ny rà very sy nivoaka ny vatana ka mahatsiaro mangatsiaka be. Dia mangovitra
(Mety hiseho koa na OC aza zany)
🔸️ Nafana be ny vatana tamin'ny nihetsi-jaza satria nisy contractions be dia be, nanena mafy ihany koa. Vao mijanona izay dia mi-se relache ny vatana rehetra ary mangatsiaka amin'izay
🔸️ Eo ihany koa ny adrénaline izay vokarin'ny vatana
🔸️ Mahatsiaro reraka be satria avy nanao effort

Aza matahotra raha miaina an'izay ianao fa mijanona ho azy io. Io koa no antony hanaovana mafana tsara adiny 6 aorian'ny fiterahana🔥

👩‍⚕️Ny Rasazy kosa nefa dia tsy maintsy hitsapa ny hafananao matetitetika aloha satria tsy normal ny mangovitra + miakatra hafanana 🌡 (Efa noresahantsika t@ resaka sovoka)

Ianao ve nahatsapa an'io sa inona no tsapanao t@ latsaka ny zaza❓️

Betsaka izao ireo miandry BB1 tena mitaintaina kely, vitanao io f'aza manahy 😘❤️

Address

Ambohimanarina
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when soins à domicile posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram