𝐏𝐎𝐌𝐌𝐀𝐃𝐄 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀

𝐏𝐎𝐌𝐌𝐀𝐃𝐄 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀 80mg:15000ar
40mg:9000ar
30mg:5000ar
15mg:2000ar
☎:0346422368

Efa ho hitantsika eny an-tsena ny voaloboka. Ny papay sy Noni mbola misy amin'izao. Ary ny sakamalaho misy foana mandava...
09/11/2025

Efa ho hitantsika eny an-tsena ny voaloboka. Ny papay sy Noni mbola misy amin'izao. Ary ny sakamalaho misy foana mandavantaona.
Dia andeha ary isika hijery ny soa entin'ireo, tsirairay avy. Mialohan'ny anomezako ny fatran'ireo raha miaraka atao "jus"🍹.
: Tsara ho an'ny fiasan'ny fo sy fikorianan'ny ra. Mitsabo sy misoroka tsy fahampian-dra. Ilain'ny atidoha, noho izy miaro amin'ny aretin'ny fahaverezan-tsaina ( # maladie d'Alzheimer). Ary manampy amin'ny fanalefahana rarin-tsaina.
"Antioxydant" tsara ho an'ny maso; ary miaro amin'ny homamiadana sasantsasany.
Tsara ho an'ny voa sy aty.
: Mahatsara vavony sy tsinay ; ary manampy amin'ny fikorianan'ny ra sy fiasan'ny voa.
Mahasalama aty.
Noho ny vitamine A ao aminy, dia afaka miaro ny selan'ny maso, sy misoroka aretin'ny prostate izy.
: Mampilamina tosidra; Manampy amin'ny fanalàna loto sy menaka ratsy mety hanentsina lalan-dra.
Tsara ho an'ny vavony.
Mitsabo rhumatisme.
Mampahatanjaka.
Afaka mandevona fivontosana sy mitsabo homamiadana.
Mahasalama aty ,sy miaro ny havokavoka.
: Mampiakatra hery fiarovana.
Manohitra "virus" sy bakteria.
Mampitony fanaintainana any amin'ny hozatra sy vanintaolana, ary mitsabo rhumatisme sy sciatique.
Afaka iaroavana homamiadana.
Tsara ho an'ny havokavoka.
Ary manampy amin'ny fanaisorana ny loto any amin'ny ra...
Dia hitantsika fa mitondra soa ho an'ny fahasalamana izany izy ireo. Ary afaka ampiarahana atao "jus".
Indro ary ny fatra sy fikarakarana azy :
✓ Voaloboka voany 10 eoeo ; papay sahabo 50g ; Noni an-tsasany amin'ilay kely. Fa raha ilay ngeza ireny dia mizara roa na telo.
Ary sakamalaho kely fotsiny.
✓ Ahodina anaty "blender" amin'ny rano mafàna.
Dia sotroina 1 vera avy n'y maraina sy hariva. MBA atao lavitry ny sakafo 🍹.
Rehefa hitanao hoe ça va ianao dia ajanony.

🌿 Fangaro Mahery Manadio ny vatana amin’ny tasy sy poizina, 🔥 Mandoro tavy sy manampy amin’ny fihenan’ny kibo ! 💪✨👉 Ging...
07/11/2025

🌿 Fangaro Mahery Manadio ny vatana amin’ny tasy sy poizina, 🔥 Mandoro tavy sy manampy amin’ny fihenan’ny kibo ! 💪✨

👉 Gingembre + Tongolo + Ail + Ranom-boasary makirana + Tantely = Fanafody natoraly manadio, manala kibo, manatsara hery fiarovana, ary manome tanjaka!

🧂 Zavatra ilaina :

🫚 Gingembre voakiky (1 sotrokely lehibe)

🧅 Tongolo gasy na tongolo mena voatetika madinika (1/2 tongolo)

🧄 Ail 2–3 gousse voatetika tsara

🍋 Ranom-boasary makirana (1/2 voasary makirana)

🍯 Tantely sotro 1 na 2 (araka ny tianao)

🥣 Fomba fikarakarana :

Sasao tsara aloha ny zava-maniry rehetra (gingembre, tongolo, ail).

Kikio na teteho madinika ny gingembre sy ail.

Afangaroy miaraka amin’ny tongolo, asio ranom-boasary makirana sy tantely.

Ahodino tsara mandra-pahazo fangaro mitovy.

Avela hipetraka 10–15 minitra vao sotroina.

⏰ Fotoana tsara hisotroana azy :

Maraina vao mifoha – amin’ny kibo tsy misy sakafo 🕕

Alohan’ny hatory – hanadio ny vavony sy hanamafy ny hery fiarovana

👉 Sotroy 1 sotro fihinanana isan’andro mandritra ny 7 andro, avy eo ajanony 3 andro dia tohizo raha tianao.

🌼 Tombontsoa lehibe azo avy aminy :

✨ Manadio ny vatana amin’ny tasy sy poizina
🔥 Mandoro tavy sy manampy amin’ny fihenan’ny kibo
🦠 Manamafy ny hery fiarovana amin’ny gripa sy sery
💨 Manala kohaka sy fanina
💞 Manatsara ra mikoriana, manome tanjaka ara-batana sy ara-pananahana

⚠️ Fanamarihana manan-danja :

Raha be asidra ny vavony dia aza misotro be loatra.

Aza atao isan’andro mandritra ny fotoana ela, atao tsikelikely miaraka amin’ny rano betsaka.

Tsy ho an’ny bevohoka sy zaza kely latsaky ny 6 taona.
💛 “Ity fangaro natoraly ity no tena manaitra ny vatana matory, manadio ny atiny, ary manampy anao hahatsiaro ho maivana sy feno hery indray!”
👉 Raha tianao mbola hitohy ny astuce & conseil santé dia asio “Misaotra na Merci” ao amin’ny commentaire 🙏

🟨 VAHAOLANA NATORALY HO AN’NY PROSTATE💥 Tsy misy pile, tsy misy fanafody simika – voajanahary 100%!🌿 AKORA ILAINA🟢 Voasa...
13/10/2025

🟨 VAHAOLANA NATORALY HO AN’NY PROSTATE
💥 Tsy misy pile, tsy misy fanafody simika – voajanahary 100%!

🌿 AKORA ILAINA
🟢 Voasarimakirana 2 (citron)
🟢 Tongolo gasy 5-6 loha
🟢 Akondro masaka 1
🟢 Rano madio 1 litatra

🛠️ FOMBA FANAMBOARANA
1️⃣ Potipotirina ny akondro sy ny tongolo gasy
2️⃣ Asiana rano 1 litatra sy voasarimakirana voatsindrona
3️⃣ Avela hilona 6 ora (na amin’ny alina dia sotroina maraina)
4️⃣ Sotroina 1 vera maraina, 7 andro misesy

✨ VOKATRA AZO ANTOKA
✅ Manamaivana fivalan-drano sarotra
✅ Manatsara ny herin’ny filahiana
✅ Manadio voa sy tsinay
✅ Mampitony torimaso

⚠️ TANDREMO IRETO:
❌ Café, toaka, sigara
❌ Firaisana tafahoatra
❌ Sakafo be menaka (henakisoa, poulet sns)

🟨 Jus voajanahary manampy amin'ny  fanasitranana ny tsy fahampian-drà, tsy fahita tsara ary manadio ny aty 🩸🥕🍏Tena mora ...
13/10/2025

🟨 Jus voajanahary manampy amin'ny fanasitranana ny tsy fahampian-drà, tsy fahita tsara ary manadio ny aty 🩸🥕🍏

Tena mora atao ity smoothie mahagaga ity, ary manampy be ho an’ny fahasalamana! Raha te hanana hery, hahita mazava ary hanadio aty ianao — andramo ity fomba voajanahary ity 👇

Akora ilaina :

🟢 Betterave 1 (kobano sy tetehina)

🟢 Pomme verte 1 (tetehina)

🟢 Karaoty 1 (voakiky sy tetehina)

🟢 Rano 75 cl

🟢 Tantely kely (raha tianao ho mamy)

Fikarakarana :

🟢 Ataovy anaty mixeur ireo akora rehetra.

🟢 Asiana rano, dia afangaro tsara mandritra ny minitra vitsivitsy.

🟢 Tsifo, dia araraka anaty vera misy ranomandry.

🟢 Asiana tantely kely raha tiana.

🟢 Sotroina isan’andro maraina vao mifoha, mandritra ny fito andro misesy.

Vokany:

🟢 Manasitrana ny tsy fahampian-drà (anémie)

🟢 Manampy hahita mazava indray

🟢 Manadio ny aty be tavy (foie gras)

Voajanahary, mora, ary tena mahomby!

Andramo dia ho hitanao ny fiovana

🇲🇬Maro amintsika Malagasy ankehitriny, indrindra isika mpandraharaha, tompona orinasa, eny na olontsotra àry no miaina a...
12/10/2025

🇲🇬Maro amintsika Malagasy ankehitriny, indrindra isika mpandraharaha, tompona orinasa, eny na olontsotra àry no miaina ao anatin’ny adin-tsaina sy fiahiana noho ny zava-misy eto amin’ny firenena.
“Hanao ahoana ny ho avy?” , fanontaniana mipetraka isan’andro.

⚠️ Kanefa tandremo, satria io stress na rarintsaina io dia manimba tsikelikely ny Fahasalamana sy ny saina.
👉 Amin’izao fotoana izao, ny sakafo manankarena Magnésium no iray amin’ireo fiarovana voajanahary tsara indrindra ho an’ny fahasalamana. 🌿

🥗🍱Ny Magnésium dia mineraly "anti-stress” voajanahary.
Rehefa tsy ampy izy dia miakatra ny “cortisol” (hormone du stress), mihena ny torimaso, ary lasa mora kivy, mora tezitra, na tsy afaka mahazo torimaso lalina.

🔬Amin’ny lafiny ara-batana, rehefa tsy ampy “magnésium” dia:
▪️ Mihena ny fahaizan’ny sela miala sasatra → tsy matory lalina intsony.
▪️ Mihenjana ny hozatra sy ny atidoha → ny torimaso lasa fohy sy mifoha matetika.
▪️ Mihena ny “mélatonine” → ilay hormone mifehy ny ora sy ny halalin’ny torimaso.

💤🧠 Raha ampy magnésium tsara anefa ny sakafonao dia manampy amin’ny:
✔️ Fihenan’ny fihenjanana (relaxation musculaire) izany
✔️ Fiverenana amin’ny torimaso milamina sy lalina
✔️ Fiverenana amin’ny fifantohana sy toe-tsaina tony tsara rehefa mifoha

✅ Torohevitra ara-tsakafo tsotra nefa mandaitra:

🥑 1️⃣ Sakafo maraina manankarena Magnésium
Afangaro amin’ny “smoothie” kely: voanjo, amande, épinard, voasary makirana.
→ Manampy amin’ny fanombohana ny andro.

🌾 2️⃣ Sakafo atoandro misy “magnésium + protéines”
Ohatra: vary mena + trondro + anana maitso.
→ Manampy amin’ny famokarana “sérotonine”, izay lasa “melatonine” amin’ny alina izany.

🍫 3️⃣ Sakafo hariva mahatsara torimaso:
Katsaka na ovy masaka + legioma maitso + "chocolat noir 70%” kely (tsy dia mamy).
👉 Betsaka no mihevitra fa tsy tsara hanina amin’ny alina ny “chocolat noir”, nefa tsy marina izany raha atao amin’ny fatra antonony.

Ny chocolat noir 70% dia misy magnésium be ary polyphénols manampy amin’ny “relaxation” sy famokarana sérotonine, izay lasa mélatonine amin’ny alina araka ny efa nazavaiko tetsy ambony 😴.
✅ Ny kafeinina ao anatiny dia 20–25 mg fotsiny isaky ny 40 g, raha oharina amin’ny 80–100 mg ana kafeinina ao anaty kafe iray vera ☕, ka tsy manelingelina torimaso izany raha kely ny fatra. Carré iray na roa dia efa ampy.

👉 Noho izany, amin’ny hariva dia azo atao tsara ny mihinana sakafo misy “chocolat noir” kely, satria manampy azahoana torimaso milamina sy afahana manana saina tony 🌙.

🚫 4️⃣ Aza misotro kafe na thé noir aorian’ny 16h00
👉 Satria ny kafeinina dia mbola miasa ao amin’ny vatana mandritra ny 6 ka hatramin’ny 8 ora, ka manelingelina ny torimaso amin’ny alina 😴.
Ankoatra izany, misy singa antsoina hoe "tanin" ao amin’ny kafe sy thé izay manakana ny fidiran’ny magnésium ao amin’ny sela, ka mahatonga antsika ho lasa mora mitaintaina sy tsy milamin-tsaina.

☕ Misy olona anefa mbola mahita torimaso na dia misotro kafe amin’ny hariva aza — izany dia noho ny fahazarana sy ny "tolérance" amin’ny kafeinina.
Raha misotro kafe isan’andro mandritra ny fotoana maharitra, dia mihena ny fiantraikan’ny kafeinina amin’ny atidoha, satria mihena ny isan’ny “récepteurs adénosine” raisin’izy io.
Ireo récepteurs adénosine ireo no manome famantarana amin’ny atidoha rehefa reraka isika.
Ny kafeinina dia manakana izany famantarana izany ka tsy tsapa ny havizanana.
Fa rehefa misotro kafe matetika, dia mampihena ny isan’ireo récepteurs ireo, ka mihena koa ny herin’ny kafeinina amin’ny fotoana maharitra.

👉 Izany no mahatonga ny olona sasany tsy mora taitra amin’ny kafe, nefa tsy midika akory hoe tsy misy fiantraikany amin’ny vatany izany.

🌿 FANAMPINY IZAY TSARA FANTATRA:

▪️ Ny “stress chronique”, izany hoe adin-tsaina sy havizanana ara-batana maharitra, dia mandroaka magnésium avy amin’ny vatana, ka mahatonga tsy fahampian’io akora manampy amin’ny fahatoniana io.
▪️ Ny “alcool”, “sira be loatra”, sy “siramamy be loatra” dia manakana ny fidiran’ny magnésium.
Izany no mahatonga ny olona maro reraka, mora tezitra, na dia efa matory tsara àry.

💬 Raha tena te hanorina torimaso milamina, vatana tony, saina tony, dia ampio amin’ny sakafonao isan’andro ireo loharano manankarena magnésium voajanahary:
👉 Voanjo, amande, trondro, legioma maitso, vary mena, voasary, chocolat noir.

Aza adino , tsy “pilina” no vahaolana voalohany, fa sakafo voafantina sy voarindra

ZARAO FA MAHASOA ANAO SY NY NAMANAO!

Veloma amin’ny fanaintainan’ny vanin -taolana!Fanafody voajanahary manampy amin’ny fanaintainan’ny tongotra, ny rhumatis...
12/10/2025

Veloma amin’ny fanaintainan’ny vanin -taolana!
Fanafody voajanahary manampy amin’ny fanaintainan’ny tongotra, ny rhumatisme, ny lalan-drà mivonto (varices) ary vahaolana natoraly izay nataon’ny reny sy ny renibentsika. Tsy avy amin’ny laboratoara ireny, fa avy amin’ny zaridaina, —Ireto avy ary ny fangaro :
(citron), (gingembre), ary (curcuma)
ho fanampiana voajanahary :manamaivana fanaintainana, mampitony tongotra reraka ary manome fahafaham-po ho an’ny vatana.

Tombontsoa azo amin’ity fanafody ity

Manampy manamaivana ny hihenjanan’ny tonon-taolana sy manohana ny fivezivezena.

Mampitony ny fanaintainan’ny tongotra na ny fahatsapana faharerahana amin’ny tongotra mavesatra.

Manampy hafanana sy manatsara ny fikorianan’ny rà, ilaina ho an’ireo manana rheumatisme.

Mampitony ny aretin-doha rehefa sotroina amin’ny endrika zava-pisotro.

Manome antioxidant sy vitamina manampy amin’ny fahasalaman’ny vatana amin’ny ankapobeny.

Fomba fanamboarana

Akora ilaina :

1 voasary makirana

1 sombiny kely sakamalao (eo ho eo 1 sm)

1/2 sotro kely tamotamo

1 sotro kely tantely

1 vera rano mafana

Afangaro daholo iteo akora ireo ,ary kikisana ny salamalaho de arotsaka ao , ary potseriny ny voasary makirana de arotsaka ao ary sotroina mafana , 1verre fatrany 200ml isan andro alohan ny sakafo maraina ( raha sendra ratsy vavony dia sotroina aorinany sakafo maraina ) , atao mandritry ny 2 herin andro ,sotroina izy mafana iny

Mirary fahasalamana daholo ary tompoko ,samia ho tahian Andriamanitra

ZAVA-TSOA AZO AMIN'NY RADRIAKA🟢BE TENSION VE IANAO?Rehefa hitanao mavesabesatra iny ny lohanao ary toa fanim-panina manj...
10/10/2025

ZAVA-TSOA AZO AMIN'NY RADRIAKA
🟢BE TENSION VE IANAO?

Rehefa hitanao mavesabesatra iny ny lohanao ary toa fanim-panina manjavozavo izany izay jerenao dia makà RADRIAKA raviny lena fito dia koseho mafy tsara amin'ny tanana dia avy eo fofonina mafy ohatr'ireny mifofona na mievoka zava-manitra ireny ary hosorana amin'ny hantoka dia hisinda izany.

Afaka atao koa ny mitanika, raviny 7 @ rano 2 kaopy. Misotro 1 kopy ihany dia efa ampy maha stable ny tension. Afaka averina anatin'ny 3 andro.
Mety daholo na tosidra midina na miakatra.

🟢RAHA MAHATSAPA FA TSISY FITADIDIANA (PERTE MÉMOIRE)

Raha efa very ny fitadidiana na Zaza somary votsa saina dia afaka mampiasa

🌿FAMPIASANA AZY

Lehibe

Maka radriaka raviny 3 lehibe.
Tenehina amin'ny rano 1 litre.
Atao 1-1-1 ( iray kaopy) mandritry ny 07 andro.
Mijanona kely 03 andro dia azo tohizana mandrapiverin'ny fitadidiana tsara.

Zaza

Maka raviny 03
Tenehina amin'ny rano 1litre
Misotro tapaky ny kaopy maraina sy hariva.
Atao 07 andro.
Mijanona 03 andro dia mamerina 07 andro indray mandrapiverin'ny fitadidiana tsara.

NB: Tsy azo atao mihoatra ny fatra !!.

Zarao raha itanao fa mahasoa ny hafa. Ary aza adino ny mikitika ilay soratra manga suivre eo ambony amin'ny pejy pommade Mahasoa

Indrana rimankafatra

VOKATRA NY VOAROY HAZO Akoatran'ny oe SAKAFON'AKOHO ny voarohy dia :Ny ravina voaroy dia manasitrana ireto aretina ireto...
03/10/2025

VOKATRA NY VOAROY HAZO

Akoatran'ny oe SAKAFON'AKOHO ny voarohy dia :
Ny ravina voaroy dia manasitrana ireto aretina ireto
- Fanafody voa ( Rein)
- manala strees
- mampiakatra tension
- mitondra calcuim
-Mitazona fitadidina .
Toy izao ny fikarakarana azy
Maka ravina iray tanana na iray fehy dia ampangotrahina amin'ny rano 1,5 litatra
_ sotroina iray vera maraina alohany sakafo maraina
_ atoandro alohany hisakafo ihany koa
_ hariva alohany hatory .

Ny hodiny indray dia fanafody HEMORAIDA, manasitra haingana izy .
Maka hodiny iray fehy tanana ampangotrahina amin'ny rano 2 litatra , ny 1 sotroina ny 1 evohina ambany .
Manasitrana ihany TAZO VONY ihany koa toy izao ny fanaona azy :
Mampangotraka hodiny 1 fehy tanana dia ampiana tamotamo 1 sotro lehibe ny rano 1 litatra atao rano fisotro .

Ny tombotsoa azo amin'ny voany voaroy hazo
Mampitony ny fo ho an'rwo manao palipitation lava
Manasitrana aretim- po
Manasitrana vavony
Manasitrana aretin- doha lava
Hoanina amin' uzao na atao jus .
Marihina fa ny 90% ny voaroy hazo dia rano avokoa . Manakarena vitamine A, B, C be calcuim sy fer ,mitondra fibre , magnesuim ary fosfore .
Fanaovana CALCUIM izy tsisy fatra fa atao toy ny DITÉ dia sotroina asiana siramamy kely na tantely sy citron kely

Ny olona manana TOSIDRA AMBONY dia mila mahay mandalanja ny fihinana voarohy hazo

Fa na izany aza dia anisany voankazo tsara ny voaroy hazo .

02/10/2025
Mitsabo ny olana rehetra aram-pahasalamana toy ny:Nerfs sciatique, diabetes,  tosi-dra miovaova, rivotra ao amin'ny vavo...
01/10/2025

Mitsabo ny olana rehetra aram-pahasalamana toy ny:
Nerfs sciatique, diabetes, tosi-dra miovaova, rivotra ao amin'ny vavony, aretin'ny vehivavy(perte misy fofona, trouble hormonal, tsy mahazo zaza), aretina ny lehilahy (prostate, éjaculation précoce,impuissant), calcul rénal.....
Amin'ny alalana ny otra (massotherapie, reflexotherapie)
Raha mila fanazana fanampiana na liana amin'izany ianao dia manasa anao iditra message privée.

Ity misy masque fait maison ho antsika te ho mandimandina sy tanora lalandava akia a😜😊Zavatra ilaina :Café 1 sotro fihin...
29/09/2025

Ity misy masque fait maison ho antsika te ho mandimandina sy tanora lalandava akia a😜😊
Zavatra ilaina :
Café 1 sotro fihinana
Atody 1 Ilay (tamavony no ilaina eto )
Citron vert moyen 1
Miel 1 sotro kely
Fomba fampiasana azy:
Afagaroy reo reehtra ireo d rehefa manome toy pâte marihitra d ajanona,avelao pose 2 à 3 min
Mb hifangaro tsara
Osory am tarehy amizay Ary avelao hilona 15 à 20 min eo am tarehanao
Vokatsoa : mandina lalandava Sady halefaka b tarehinai ,miha mazava kokoa,manala tasy reehtra,mony , sns
Ataovy in4 isakerinandro
Zai fa bisous bé d aza adino misotro rano 1.5 l rehefa mikarakara tarehy a🥰😘

📌NY MANGA INDRAY IZAO📌Zarao hatrany fa hahasoa olona maro ity🌹🍀🍀Ireo tombotsoa azo avy am ravina MANGA🥠🥠Ny manga dia voa...
26/09/2025

📌NY MANGA INDRAY IZAO📌
Zarao hatrany fa hahasoa olona maro ity🌹

🍀🍀Ireo tombotsoa azo avy am ravina MANGA

🥠🥠Ny manga dia voakazo riche en vitamine A, vitamine C, magnésium, Potassium 🍭
1- 🍁🍁Tsara hoan'ny olona Diabétique, ary Azo atao fanampina traitement ana Diabète na hyperglycémie ihany koa izy 🍀🍀
2- 🍁🍁Mampidina tension artérielle, tsara hoan'ny olona misy tosi-dra avo ny misotro ny Ravina manga atao thé 🌀🌀
3- 🌀🌀Tsara hoan'ny olona manao stress lava, tsy mahita tory, matahotra, mampilamina ny saina 🌀🌀
4- 💥💥Manala ny vato ao am voa (calcul rénal)
5-🌸🌸 Tsara hoan'ny olona manana olana ao am taovam-pisefona ( Asthmatique, mikohoka lava, farim-peo, voan'ny sery, voan'ny tazo)
6- 🌺🌺Fanafody Mampijanona aretim-pivalananan- dra ( dysenterie)
7- 🌺🌺Fanafody allergique ( mangidihidy ny Vatana)
8- 🌺Azo atao am faritra may, Apetaka eo am faritra may lay Ravina manga mba tsy hanonitra ny fery sady anti bactérie
9- 🌸Mahafaka aretin- tenda ampangotrahana dia atao gararaka
10- 🌺Manala Rivotra ao am kibo sy vavony

📌TANDREMO TSARA NY FAMPIASANA AZY :
Tenehina 15mn @ rano tapany litatra ny Ravina manga 5 dia sotroina iray Vera ilay maraina vao mifoha tsy mbola nisakafo iny mihitsy,afaka asina TANTELY🍯🍯 ihany koa raha tsy diabète no hampiasainao azy.
Afaka atao anaty verre 🥛🥛misy rano💦💦 matimaty am alina dia avela eo dia tsihifina am maraina sotroina vo mifoha.
Atao 3 andro ihany Dia mijanona 7 andro vao afaka miverina manohy raha mbola tsy sitrana.
NB: Araho maso isanandro ny glycémie sy ny tension Refa manao azy.

📛 TANDREMO :
🖐️Tsy mety amin'olona manao hypoglycémie (manana Taha glycémie Ambany)
🖐️ Tsy mety hoan'ny olona manao hypotension (tosidrà Ambany)

Address

LOT 45 D Ter IMERINAFOVOANY
Antananarivo
105

Telephone

+261341953786

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 𝐏𝐎𝐌𝐌𝐀𝐃𝐄 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to 𝐏𝐎𝐌𝐌𝐀𝐃𝐄 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram