31/01/2026
Asa sosialy Fampiofanana maimaim-poana ireo bénévoles rehetra.
Notanterahina ny fampiofanana maimaim-poana ho an’ireo bénévole rehetra ato amin’ny association Team Bien-Être, izay mifantoka amin’ny 𝐏𝐫𝐞𝐦𝐢𝐞𝐫𝐬 𝐒𝐞𝐜𝐨𝐮𝐫𝐬 𝐏𝐬𝐲𝐜𝐡𝐨𝐥𝐨𝐠𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐜𝐜𝐨𝐦𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐡𝐮𝐦𝐚𝐧𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐞𝐟𝐨.
Tsy afa-misaraka amin’ny asantsika amin’ny fikarakarana zokiolona, olona manana fahasembanana, ary ireo marary ny Premiers Secours Psychologiques.
Izany no mampiavaka ireo tanora bénévole ato amin’ny Team Bien-Être Asso , satria mahazo fiofanana feno sy lalina izy ireo, ka ahafahany mandray an-tanana amin’ny fomba matotra sy mahomby ireo zokiolona sy olona mila fanampiana.
Mankasitraka indrindra ny mpampiofana, ary koa ireo mpitantana ny fikambanana, izay tsy mitsahatra mikaroka sy manatsara hatrany ny fampivoarana ny tanora sy ny fandraisana an-tanana ireo zokiolona sy olona marefo.