09/09/2021
Fantatrao ve fa azo atao tsara ny misoroka sy mitsabo ny aretin’ny Voa
Noho izany dia aza atao ambaninjavatra ny fanaovana bilan sy analyse matetika satria io aretina io dia tsy fantatra raha tsy efa misy fambara loza
I/ Inona ny asan ny VOA
Mandanjalanja ny fatran ny rano ilain'ny vatantsika
Mitroka ny rano izy ary ireo minéraux (calcium, magnésium, sodium, potassium sns) ilain’i sela ary zarainy entiny any amin ny RA avy eo
Manala ny loto anatin'ny ra sady manivana ireo loto ka mivarina any amin'ny tatavia miaraka amin'ny rano 1,5/2 L isan'andro eo ; Fantatrao ve fa ny ra 5 L ao amin'ny vatantsika dia mandalo in 36 ao amin'ny voa isan’andro ?
Mamokatra ny habetsahan'ny hormonina sy ny vitamine ilain'ny vatana, mamokatra ilay hormone atao hoe érythropoïétine EPO, izay mibaiko ny moelle osseuse amin ny famokarana sela mena (globule rouge) ; ny asan’ireto farany dia mitondra oxygène ao amin ny RA
Mamoaka rénine sy angiotensine izy, hormone izay miasa amin'ny fandanjalanjana ny préssion artérielle.
Mahatonga ny Vitamine D hiasa izy, noho io vitamine D io no mahatonga ny taolana hahazo calcium izay mahamafy azy
II/ Inona no atao hoe « Insuffisance Rénale »
Fihenan’ny fiasan ny VOA bebe kokoa na latsaka. Misy karazany ROA izy io dia ny :
Insuffisance rénal Aiguë (IRA)
Fihenana tampoka ny fiasan'ny voa izay matetika mbola azo tsaboina ka miverina tsara amin'ny asany ny voa. Mety amin'ny alalan'ny fanafody sy fanaovana ny fomba fisakafoana na mety manao dialyse vitsivitsy ihany.
Insuffisance rénal Chronique (IRC)
Fihenana miadana ny fiasan'ny voa, matetika tsy hita raha tsy efa stade terminal, noho izany dia tsy afaka tsaboina intsony ny voa fa dia manao ny atao hoe Dialyse mandrakizay, izay manolo ny asan'ny voa na manao ny atao hoe Transplantation rénal.
III/ IREO FAMBARA HAHAFANTARANA FA MARARY VOA
Torimaso mikorontana : raha be loatra ny toxine anaty rà nohon'ny tsy fiasan'ny voa tsara dia mampikorontana ny torimaso, misy koa ireo olona marary voa no somary tsy miaina tampoka anatin'ny segaondra vitsy rehefa matory ka rehefa miverina miaina izy dia lasa mierotra be tampoka.
Marary an-doha : reraka tsy dia mahavita na inona na inona, tsarovy fa ny sela mena no mitondra rivotra manome hery ny vatana izay ilainy, rehefa mihena ny sela mena dia mihareraka, ny voa raha salama tsara dia mamokatra vitamine D miaro sy manatsara ny taolana ary ilay hormone Erythropoîétine (EPO) izay mamorona sela mena ao amin'ny moëlle osseuse ka manenika ny vatana, ny tsy fahampian'ny EPO no mahavitsy ny sela mena ka mahatonga tsy fahampian'ny rivotra any amin'ny loha ka maharary azy.
Ny hoditra maina sy mangidihidy: tadidio fa ny voa dia manala ireo loto anaty rà, mamokatra sela mena ary mandrindra tsara ny fatran'ny minéraux anaty vatana toy ny (calcium, magnésium,phosphore ary sodium), raha maina ny hoditrao na mangidihidy ianao dia tsy afaka miasa tsara ny voa-anao ka tsy ainy ny mampirindra ny minéraux sy ny sakafo satria ny tsy fahampian'ny minéraux no mahatonga ny taolana tsy salama, raha sendra mangidihidy na maina hoditra dia misotroa rano be araka izay mety, aza mihinana fanafody amin'ny hidihidy raha tsy makany amin'ny dokotera aloha. Ny anton'ny hidihidy moa dia ny fahabetsahan'ny phosphore be loatra ka tsy afaka mivoaka ny vatana
Lasa somary mangidy ny vava, malainkomana, maloiloy lava
Somary sempotra tsy mahazo aina : satria lasa any amin'ny avokavoka ireo loto sasany tsy voadion'ny voa, ny fisian'ny anémie no tsy maha ampy rivotra ny vatana
Ny tongotra, ny chevilles,ny tanana mivonto: satria ny voa tsy miasa tsara dia tsy maha afaka ireo loto sasany ao anaty rà, ka lasa misy rano miandrona amin'ny tongotra, ny tanana ary ny chevilles,izany koa midika fa mety tsy miasa tsara ihany koa ny aty, ny fo na ny lalandrà somary tsentsina
Marary lamosina: tsy mahagaga izany satria ny voa dia ao amin'ny lamosina misy azy, somary ambany kely ny cage thoracique, tsy izay marary lamosina rehetra akory dia mety marary ny voa fa ireto no ahalalana azy, miakatra ny hafanana, mandoha ary te hamany matetika
Maso mibontsina : raha tsy miasa tsara ny voa dia alefan'ny voa any amin'ny amany ny protéines, ary misy lasa any amin'ny maso, ka raha tsy niari-tory ianao, tsy nitomany fa natory tsara kanefa bongo maso dia ny voa anao no tsy salama izay
Miakatra be ny tosidrà : mifandray be ny voa sy ny tosidrà, misy ilay atao hoe "Néphrons" ny voa izay manala ireo loto tsy ilain'ny rà, raha simba ny lalandrà dia tsy mahazo oxygène tsara ireo néphrons ireo ka lasa miakatra be ny tosidrà, mba ialana amin'izay dia tsara ny mihinana ireo acides foliques toy ny legioma maintso, ny voasary, ny voamaina, ny vary, ny paty, mba tsy isian'ny anémie
Ny fiovan'ny amaninao : jereo matetika ny lokony, ny fofony. Misy karazany 3 lehibe izany : ny voalohany, te amany lava indrindra ny alina, tadidio fa raha eo anelanelan'ny 4 ka hatramin'ny 10 eo no mamany anatin'ny 1 andro raha tsy nisotro rano be loatra tsy toy ny mahazatra ianao dia salama izay.Ny faharoa: misy rà anatin'ny amany, ny voa raha salama tsara dia mitatavana ny rà ka mamokatra ny amany, ka raha simba ny voa dia lasa any amin'ny amany ireo selan'ny rà.Ny fahatelo : somary mandroatra ny amany satria ireo protéine tsy voatatavan'ny voa no lasa any amin'ny amany.
Ny Laboratoire SRIRAM HERBALS avy any INDE dia manana tolotra manokana afaka hanampiana anao izay sanatria tratran izay aretin ny VOA izay, na vao manomboka, na efa manao dyalise eny fa na dia efa tapakevitra amin ny Transplantation Rénale ka ra mila fanazavana fanampiny na misimisy kokoa dia afaka miditra avy hatrany amin ny MP ny page na miantso ny laharana 0341510613/ 0347449966