17/03/2026
Taloha ela be tany, nisy jiro kely iray izay tena nadio tsy nisy pentina. Namirapiratra ho azy izy, tsy nila nanao na inona na inona mba hamirapiratra azy—izany fotsiny no toetrany.
Malefaka, feno hafanana sy fahatonina ny fahazavany.
Indray andro, niditra tao amin'ny tontolo midadasika feno loko samihafa ilay jiro kely.
Nandalo ny rahon'ny hatezerana izy, ny zavon'ny tahotra, ny voalin’ny avonavona ary ny aloky ny alahelo
Nihamaizina tsikelikely ny fahazavany.
Nanomboka nahazo vahana tsikelikely ny fiheverany ny tenany ho vita amin'ny aloka..."
Nanomboka nampitaha ny tenany tamin'ny jiro hafa mihitsy aza izy:
"Mamiratra kokoa ity iray ity -
" Lehibe kokoa itsy iray itsy."
"Ary izaho, toa tsy misy ilana ahy."
Nanadino tanteraka ny naha izy azy tany am-boalohany ilay jiro kely.
Indray andro, nahita Hazavana feno fahatoniana sy fahadiovana teny lavitra izy, ary dia nanontany:
"Inona no nataonao ka nahantonga anao hamirapiratra be toy izao?"
Namaly moramora ilay Hazavana:
"Tsy manao na inona na inona aho.
Mahatsiaro fotsiny ny maha-izaho ahy."
Tsy nanery izy, tsy nitady na inona na inona, tsy nitsara. Namirapiratra fotsiny
Nangina ilay jiro kely.
"Ary izaho iza aho?" hoy izy nanontany.
Namaly ilay Hazavana:
"Vita amin'ny hazavana mitovy amiko ianao. Tsy very mihitsy ny famirapiratanao fa miafina fotsiny."
Nanomboka teo, nijanona tsy nampitaha ny tenany tamin’ny hafa ilay jiro kely, nijanona tsy nanohitra, nijanona tsy nihazakazaka etsy sy ero.
Nipetraka izy.
Nitodika tany amin'ilay Hazavana.
Ary niadana dia niadana … Tsaroany ny maha izy azy. Nanomboka nihena ny loko. Nanjavona ny aloka.
Ary niverina ny fahazavany voajanahary. Tsy hoe namorona izy. Fa nahita fotsiny indray ilay hazavana, izay voasaron’ny anarana, ny fitafian’ny ara-nofo, ny fombafomba rehetra nolovaina…...Satria rehefa miverina ny fahatsiarovana ny fahazavana izay maha-isika antsika dia miala ho azy ny voaly nanarona azy.