03/10/2025
fans
NY ATAO HOE MEDITATION RAJA YOGA SY NY MOMBA NY FIANARANA IZANY
Salama tompoko
Inona ny atao hoe meditation? Ary inona ny atao hoe meditation de Raja yoga?
Amin’ny ankapobeny dia midika ho fifantohana lalina na koa fifandraisana ny teny hoe meditation, vao misy ny resaka fifantohana dia efa meditation izay, izany no mahatonga ny teny hoe vavaka izay méditation ny dikany amin ny teny frantsay. Samy manana ny teknikany, ny fahalalàny, ny tanjony sns ireo karazana fampiarana sy fampianarana meditation. Fa eto kosa dia meditation Raja yoga no hianarantsika. Ny rajayoga izay ho ataon’ny fikambanana (Brahma Kumaris) dia fandalinana sy fitaizana ara-panahy mba hamerenana ny hery sy ny hasin’ny fanahy tahakan’ny tamin’ny voalohany. Ny karazana fampianarana maro dia manambara fa tsara sy lavorary ny fanahy tany aloha ary nolazaina mihintsy fa tahakan’Andriamanitra. Ka ny hamerenana izany no tanjona’ny fampianarana rajayoga.
Ny rajayoga dia fitambaran’ny teny roa hoe raja= mpanjaka ary yoga = connexion na fifandraisana. Ny raja yoga izany dia fifandraisana amin’ny mpanjaka. Iza no mpanjaka? Isika ihany no voalohany mpanjaka. Izany hoe ny fifandraisana voalohany dia ny fifandraisanao aminao mba hahafahana hiverina amin’ny fiandrianan’ny tena, fifehezan-tena…. Ny mpanjaka dia midika hoe mpitantana, mpifehy, mpiandraikitra, mpikarakara.... sns. Dia mipetraka koa ny fanontaniana hoe iza ary inona ianao no lazaina fa mpankaja, ilay izaho? Araky ny efa novelabelarina teny aloha dia hoe fanahy manam-batana isika fa tsy vatana manam-panahy. Ny vatana no fanana fa tsy ny fanahy. Izany hoe tsy manam-panahy isika fa fanahy. Manatontosa ny andraiki-tsika amin’ny alalan’ny vatana isika fa tsy vatana. Maro ireo olona efa ni-experimenter na nihaina ny fahafatesana ary velona indray avy eo. Inona no lazain’izy ireo? Hoe: “iny aho fa nialatamin’ny vatako”. Izany hoe hafa noho io vatana io isika. Fanahy isika, fanahy aho, efa nohazavaitsika ihany koa fa maro ny filozofia manamafy izany ary koa ny fahalalan’ny Malagasy sy ireo boky masina rehetra.
Fa ho fantarina ao anatin’ny fampianarana anefa hoe inona izany fanahy izany. Manao ahoana izany fanahy izany? Ary ahoana ny fiasany, ny heriny …sns? Mba hahafahana mifandray sy mihaina amin’ny maha fanahy ny tena. Isika matetika dia mitady pouvoir haingana, ny zavatra tokony ho fantatsika dia ao amin’ny fanahy avokoa ny hery rehetra. Ka ny fiverenana amin’ny fahatsapana ny mahafanahy, fifantohana, fieritreretana, fisainana, ary fihainana an’izany no tena hampiverina indray amin’ny laoniny ny herin’ny fanahy. Mety misy hitovizany amin’ny psycologie, filozofie, science, fahendrena samy hafa na fahalanan’ny ntaolo na fahalalana hafa ny fampianarana, ary mety misy koa hevitra izay hitovizana amin’ny fivavahana samy hafa, kanefa tsy fivavahana no ampianarina fa karazana fomba hisandratana sy fifoazam-panahy. Kanefa amin’ny maha yoga azy dia fampiharana no tena ilaina.
Ny dikan’ny teny hoe Rajayoga faharoa dia fifandraisana amin’Andriamanitra izay Mpanjakan’ny Mpanjaka. Anisan’ny zavatra alalinina ao ihany koa izany ny momban’Andriamanitra. Ny fanontaniana voalohany mipetraka dia hoe Andriamanitra iza? Noresahina teny aloha hoe fanahy manam-batana isika ka arak’izany dia ny olombelona dia fitambaran’ny fanahy sy vatana, ny saina aman’eritreritra kosa dia fitaovana ahafahantsika mandinika, mamakafaka, manapan-kevitra sns. Eto dia tsy Adriamanitra mihintsy isika fa fanahy. Porofon’izany ny fitotonganantsika sy ny fitotonganan’ny tontolon-tsika, kanefa afaka miverina ohatr’Azy indray isika. Ka iza ary izany ilay Andriamanitra? Manana Ray aman-dreny 2 isika: ray aman-dreny ara-batana izay samy hafa ny antsika tsirairay avy, ary Ray aman-dreny ara-panahy izay tokana ihany ho antsika rehetra. Fa mety ny fahalalana Azy, ny anarana iantsoana Azy..sns no samy hafa. Izany hoe tokana Andriamanitra ary Rain’ny fanahy rehetra Izy. Mandalina momba azy isika mba hanamafisana ny fifandraisana Aminy. Satria efa toin’ny lany baterrie isika mila Generateur matanjaka hanampy antsika ka ny tenamatanjaka indrindra no ilaina amin’izany. Mety misy hevitra hitovizany amin’ny fomba fijerin’ny fivavahana ny fampianarana fa misy koa ny tsy hitovizany. Satria indrindra tsy vavaka no atao eto fa meditation. Ny fampiarana izany meditation izany dia tahakan’ny nolazain’i Kristy hoe: raha ifandray amin’ny Ray ianareo dia harindrino ny efitranonareo fa ao anatin’ny mangingina no ifandraisanareo amin’ny Rainareo Ilay ao amin’ny mangingina. Izany hoe ao anatin’ny fahanginana sy fidirana na fifantohana ao anaty no hahafahana mifandray Aminy. Tahaka izany ihany koa ny fifandraisana amin’Ilay Fanahy Ambony Indrindra. Ary tsy misy karazana “rituel” na fombafomba ny fampianarana.
Mandalina ihany koa momba ny zava-boahary na ny tontolo, izany dia mba hahafahantsika ho mpanjakan’ny zavaboahary indray. Misy fandalinana ireo karazana lalàna ara-boajanahary ihany koa alalinina ao anatin’izany.
Famintinana: Ny rajayoga dia ny famerenanany hery sy ny hasin’ny fanahy amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra ka hahafahana mifehy sy mandray andraikitra indray ny tontolony sy ny fiainany. Hananana fahatoniana sy fiadanana hiatrehana ny fiainana......
Ny fampianarana dia toizao:
- Tsy misy sarany ny fianarana fa izay sitraky ny mpianatra kosa dia raisina antanandroa.
- Natao hoan’ny olona rehetra. Tsy mifidy saranga, tsy mifidy finoana, tsy mifidy fiaviana na maripahaizana na taona.... sns. Fa kosa olona ari-saina, ary hoan’ireo tsy ampy taona dia mba mila fahazahoan-dalana amin’ny ray aman-dreny mpiahy azy.
- Ny fitafy: tsotra, tsy mihanjakanjaka na manara-batana.
- Ny zavatra ilaina dia: sary tapaka ilay, cahier ary stylos.
- 1h30 mn eo isaky ny mianatra ary 1X/erinandro no mianatra, hifanarahana mialoha ny ora hianarana, ary ao anatin’ny ora fivoan’ny centre izany.
- Ny toerana: Imeuble Soitana Andraharo, 2 eme étage, porte 3. ( Raha mandeha bus dia miala eo amin’ny Floréal ary miverina kely toin’ny hoany Ambohimanarina, dia eo ankavanan-dalana). Ny centre dia mivoa amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora ariva, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, ny sabotsy kosa dia amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 1 ora atoandro. Amin’izao Zava-misy eto amin’ny firenena izao anefa dia mivoa aloha amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora ariva, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma.
Hoantsika izay liana amin’ny fianarana dia afaka mandefa afatra miafina na mp.
Araraoty hatrany ny fotoana rehetra hahafahana mianatra zavatra mahasoa.
Mankasitraka antsika