23/01/2026
Tontosa androany, faha 23 janoary 2026, ny fanolorana ny CSB2 Ambohipeno
Ambohimanambola 🏥🏨.
Teo ambany fitarihan'i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamana, MANAGNA Monira, ary ny DGMP, DRS Analamanga, ny médecin inspecteur, ireo solotenan'ny fahasalamana isan-tsokajiny, ny solotenan'ny District (délégué), ireo solotenan'ny Député voafidy teto Avaradrano, ny mpitarika eto anivon'ny Kaominina, ny lehiben'ny panolon-tsaina sy ireo mpanolotsaina kaominaly, ary ireo lehiben'ny fokontany, dia misaotra ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Kaominina sy ny mponina rehetra.
Izay mahakolokolo hono no manana ny soa dia entanina isika mba hahay hikojakoka sy hikolokolo izany.
Isaorana ny fitondram-panjakana noho ny fanohanana ny fahasalamam-bahoaka, izay nahatontosa ity fotoana manan-danja androany ity🙏🙏