17/10/2023
https://www.facebook.com/100063576171347/posts/827356259393572/
🇲🇬Toy ny fanao isan-taona, dia hanatanteraka ny zaikabe faha-efatra ny holafitry ny psykology eto Madagasikara amin’ity taona ity. Natao ihany koa izany mba hafanamafisana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina.
Koa amin’ny asabotsy 28 oktobra 2023 amin’ny 8ora sy fahefany hatramin’ny 12 ora atoandro any TOAMASINA no ho atao.
Ho resahina manokana amin’izany ny karazana herisetra iray izay mety hiainan’ny maro amin’ny andavanandro ka mety hiteraka fikorontanana na fahasarotana na ihany koa sakana ho azy ireo izay hiaran’izany, eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-pihetsehampo, ara-pitondrantena, ara-pifandraisana, ara-batana… :
« Harcèlement » izay mandravona teny maro dia ny tsindry, fanadrohadroana, fanerena an-kolaka, fampiorohorona sy ny sisa izay hiainana MIVERIMBERINA; ary hita eo amin’ireto lafi-piainana manaraka ireto:
- fampianarana (ankizy samy ankizy; mpampianatra sy ankizy; mpampianatra sy ray aman-dreny)
- sehatry ny asa (mpiasa sy mpampiasa; mpiasa samy mpiasa...)
- fianakaviana (zanaka sy ray aman-dreny; mpiray tampo; mpivady)
- eny an-dalana
- eo amin’ny olona manana fahasembanana
- eo amin’ny lafiny ara-panatanjaha tena.
Tsy misy vidim-pidirana
Tsy maintsy misoratra anarana
Voafetra ny toerana
Koa manentana antsika ho tonga maro.
🇫🇷Le harcèlement, parlons-en…
« Le harcèlement est une violence fondée sur des rapports de domination et d’intimidation qui a pour objet ou effet une dégradation des conditions de vie de la victime et un impact sur sa santé physique ou psychique. Qu’il soit sexuel ou moral, le harcèlement s'exerce dans toutes les sphères de la vie : sphère familiale (dans le couple, entre parent-enfant, dans la fratrie), sphère professionnelle (qu'il y ait un lien hiérarchique ou non), sphère sociale (auprès des personnes en situation de handicap, en milieu sportif, à l’école, dans la rue, etc.) »
Le 4ème congrès de l’Ordre National des Psychologues de Madagascar se tiendra cette année à Toamasina. Le thème portera sur le « Harcèlement ».
Date : Samedi 28 octobre 2023 à 8h15
Les places sont limitées.
Ouvert à tout public