Vehivavy Mpamafy Voa Tsara

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara Vehivavy Mpamafy Voa Tsara na ho an'ny fiainany manokana na ho an'ny fiainan'ny hafa

🤦‍♀️ TAHAK'IZAY! RAHA MBA...!efa mba niteny izany ve ianao   🤦‍♀️Eny ! Izaho koa efa mba niteny izany nahatsapa hoe nisy...
17/01/2024

🤦‍♀️ TAHAK'IZAY! RAHA MBA...!
efa mba niteny izany ve ianao 🤦‍♀️

Eny ! Izaho koa efa mba niteny izany nahatsapa hoe nisy zavatra be dia be ni-rater-ko dia latsaka tanaty fanenenana aho.
👉Tamin'ny safidy diso noraisiko, tamin'ireo erreur-ko, tamin'ny zavatra tokony nataoko nefa tsy nataoko satria natahotra aho, tamin'ireo varavarana nosokafana ho ahy nefa tsy nidirako, tamin'ireo fotoana verivery fotsiny..
Eny, betsaka ny zavatra nanenenako

KANEFA

💖Isaorako Andriamanitra namindra fo tamiko nanafaka ahy tamin'ny fatotry ny regrets ary nanome ahy fahatakarana:

👉fa raha ijanona mandrakariva anaty fanenenana aho dia ho potika sy ho voa mafy

👉Tsy afaka ny hanova intsony ny lasako aho fa afaka manapa-kevitra ny manatsara ny androaniko sy ny ho aviko

👉Ny fanaovako hoe tahak'izay sy ny raha mba... tsy misy farany dia fanaovako tsinotsinona ny famindram-pon'Andriamanitra amiko, tahakan'ny tsy finoako Azy fa misy fiaingana vaovao isan'andro miaraka Aminy Lamentations 3,22-23
Satria tamin'ny minitra aho nifona Taminy tamin'ny foko rehetra dia namela ahy Izy ary nanomboka teo nisy depart vaovao indray nisokatra tamiko

👉Te hilalao ny fihetsem-poko sy ny fahatsapako i satana satria te hangeja sy hamatotra ahy any amin'ny lasako.
Ny tanjony dia ny hahatonga izany "lasa" izany hiantsoantso sy hanenjika ary hanameloka ahy tsy hahafahako ny tena hiaina sy higoka ny tena fitiavan'Andriamanitra, ny famindram-pony, ny fahasoavany

🧡NOMEN'I JESOSY SAFIDY ANEFA AHO NA IAINA NY FAMINDRAM-PONY NA IJANONA ANATY FATOTRY NY FANENENANA SY FANAMELOHAN-TENA

🙅‍♀️🙅‍♀️🙅‍♀️ Aok'izay! Naka fanapahan-kevitra ny nandroso aho satria nila nandroso, noraisiko ny famindram-poNy dia ninoako ary nariako ny fanamelohan-tena.

👉 Androany, haiko fa miteny na dia ho an'olona iray izany rehetra izany.

ENY DISO IANAO TENA METY DISO BE TOKOA KANEFA AOK'IZAY NY FANAMELOHAN-TENA, NY TAHAK'IZAY sns...fa TSY MAMERINA NA INONA AKORY IZANY FA VAO MAIKA AZA MANGEJA ANAO.

💖IFONY AMIN'I JESOSY KRISTY IZAY TOKONY IFONANA REHETRA DIA RAISO SY INOY NY FAMINDRAM-PONY, AZA KOLOKOLOINA INTSONY NY FANENENANA HOE TAHAK'IZAY SNS..
💖 MISY FIAINGANA VAOVAO HO ANAO INDRAY MANOMBOKA EO
💖MIANTEHERA AMINY, MANDEHANA ARAKY NY FAHENDRENY
💖MITSANGANA DIA MANDROSOA AMIN'IZAY FA MANOHANA ANAO NY HERINY

💜💞💕💓 TSARA LAVITRA NY HO AVY

Amen

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao, raha itanao fa afaka ny hanafaka ny hafa sy hanampy azy dia manasa anao hizara am-pitiavana
Mankasitraka indrindra anao

🤦‍♀️Difotra ve ianao sa kely sisa ?🤦‍♀️Vao miandoha anefa ny taona dia toa probème sahady? dia mahatsiaro tena milentika...
15/01/2024

🤦‍♀️Difotra ve ianao sa kely sisa ?

🤦‍♀️Vao miandoha anefa ny taona dia toa probème sahady? dia mahatsiaro tena milentika, sempotra tanteraka?

👉Difotry ny adi-tsaina, difotry ny arerahana, difotry ny adi-tsaina, difotry ny fasahiranana?
👉Sempotry ny fiainana ve?

👉Sa difotry ny fahotana, latsaka anaty fiainana tsy araky ny sitrapon'Andriamanitra, tsapanao fa anaty zavatra tsy mety ianao nefa tsy manan-kery anavotana ny tenanao?

🤷‍♀️Na renirano maloto be, na lavaka maloto be ny misy anao
Na hoy ianao hoe olana sarotra vahana fa efa lalina loatra sy mitambatambatra ity olana sy fahasahiranana ity
🤷‍♀️Na hoy ianao hoe efa ela aho no nilentika tato tsy haiko hoe ahoana ny hahatafavoaka ahy anatin'izao olana, ady, fahotana izao

💖Na inona na inona mety zavatra mandifotra anao dia tsy fohy ny tanan'i Jesosy Kristy fa mahavonjy anao.
💖Tsy misy lavaka na rano diso lalina loatra ka tsy tratran'ny tanany

💖💚💜🧡 Jesosy Kristy: Jehovah no Mpamonjy no anarany

👉Andro sarotra izao, andro mahory, samy variana sy sahirana amin'izay mety manahirana azy ny olona na dia te hanampy anao aza.
👉Tsy misy olombelona afaka sy mahavita manam-paharetana ny hanavotra anao ankoatra an'i Jesosy irery ihany

💖ANTSOY I JESOSY KRISTY AMIN'NY FONAO REHETRA FA TSY HANDATSA ANAO IZY, NA INONA ANTONY NAHATONGA ANAO TAFALENTIKA TAO, NA HAFIRIANA IANAO NO TAO DIA TSY HANAMELOKA ANAO IZY

💖Na fiainana maloto na fiainam-paharesena
Na fahakiviana na alahelo na fahatezerana na depression na inona iainanao androany

💖ANTSOY IZY DIA TENENO AMIN'NY FONAO REHETRA HOE JESOSY KRISTY O, VONJEO AHO FA IANAO TSY MISY AFA-TSY IANAO ARY EKEKO IANAO IRERY IHANY NO MPAMONJY AHY, NA NY FIAINAKO ARY INDRINDRA NY FANAHIKO
VONJEO AHO JESOSY KRISTY FA TSY MAHAVONJY TENA
MINO NY FITIAVANAO AHY AHO, MINO FA TSY FOHY NY TANANAO FA MAHAVONJY ARY TSY LALODALOVANA IANAO FA MAHARE Isaia 59, 1
Amen

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao, zarao raha mety aminao ho fanampiana vehivavy hafa

🙅‍♀️Tsy misy fampitahana tokony ipetraka🙅‍♀️Fahadalana ny fampitahana🙅‍♀️Atsaharo ny fampitahana anao sy ny tenenao amin...
11/01/2024

🙅‍♀️Tsy misy fampitahana tokony ipetraka
🙅‍♀️Fahadalana ny fampitahana
🙅‍♀️Atsaharo ny fampitahana anao sy ny tenenao amin'ny hafa
🙅‍♀️ Ho antsika ray aman-dreny, na mpitarika na amin'ny sehatra inona na inona, na mpanabe andeha atsahatra ny fampitahana, "HAJAO ANDRIAMANITRA TAMIN'NY ASA FAMORONANY, HAJAO IZY AMIN'NY MAHA ANDRIAMANITRY NY FAHASAMIHAFANA AZY"Ny fampitahana tsy maintsy miafara amin'ny fanilihana foana

🧡Ny fahasamihafana dia harena amin'Andriamanitra. Ny tsy fitovizana no manome endrika.
Izany no nahatonga Azy nahary ny olona ho samy hafa, ny olona no tsy tia ny fahasamihafana ary manilika izay tsy mitovy aminy.

🤦‍♀️Ny olombelona, ny fiarahamonina no mamaritra hoe izao no tsara sy ratsy, izao no mendrika sy ny tsy mendrika izay tena fahatsapana sy fahamaritana diso tanteraka satria amin'Andriamanitra ny asan'ny tanany dia tsara indrindra avokoa:

💜Tsara Andriamanitra sady mpanao ny tsara noho izany tsara indrindra ianao! Gen1,31

🧡Na inona teny ratsy sy mihiba efa rehinao mombanao dia lainga avokoa izany. Raha mahatsapa ianao fa asan'ny tanan'Andriamanitra fa tsy asan'ny tanan'olombelona dia aoka ho sitrana ny fijerinao ny tenanao sy ny fiainanao manomboka androany.

❤Andriamanitra tsy manao zavatra ratsy na zara fa vita!

💚Ianao amin'ny maha-ianao anao io mihitsy izay tsy mitovy amin'ny hafa velively no mahagaga sy mahatalanjona (Salamo 139:14).Ary io indrindra no mampiavaka anao.

💖Tsy olana amin'Andriamanitra izay mety kilema na tsy fahatomombanana misy eo aminao, satria Aminy dia tsy misy faharatsiana na dia kely aza any aminao. Vao mainka aza sehatra hafahan'ny heriny miasa izany.
Mba hahatonga anao ho vavolombelona eo amin'ny manodidina fa tena vehivavy mahery, manana tanja-tsaina, manana herim-po ianao.

🤷‍♀️Ahoana ny fijerinao ny tenanao? Ahoana ny tombam.bidy omenao ny tenanao?izay fijerin'olona anao ve no hamaritanao anao sa ny fijerin'Andriamanitra?
🤷‍♀️Raha ianao ary manilika ny tenanao? Iza ankoatra an'Andriamanitra no tena afaka ny hitia azy (ny tenanao) ankoatr'anao?
🤷‍♀️Raha Andriamanitra aza tsy manilika anao nahoana ianao no manilika ny tenanao?

❤ Rahavavy, manomboka androany Vehivavy sitrana ianao, manana fijery vaovao momban'ny tenanao na inona mety niheveran'ny hafa anao
Amen

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao, zarao raha sitrakao ho fanasitranana ny hafa

🧡Misy dikany, misy antony ny fisinao eto an-tany.🙅‍♀️Ny olona mety miteny anao hoe tsy misy dikany fa ❤Andriamanitra rah...
09/01/2024

🧡Misy dikany, misy antony ny fisinao eto an-tany.

🙅‍♀️Ny olona mety miteny anao hoe tsy misy dikany fa ❤Andriamanitra raha nahary anao, ENY MBOLA TSY HARY AKORY AZA IANAO DIA EFA NANENDRY ANAO HO AMINA ANTONY MANOKANA ARY ANTONY TENA TSARA

🤦‍♀️Betsaka ny olona mety efa maty fa tsy nahafantatra akory ny antom-pisiany teto an-tany
🤦‍♀️Betsaka koa ny olona mety nahafantatra ihany ny antom-pisiany kanefa natahotra ny niaina ny antom-pisiany dia niara nilevona niaraka tamin'ireo vina sy fikasan'Andriamanitra ho azy fa tsy nisy tanteraka

👉 Ilay mpanompon'Andriamanitra izay nampahafantatra anao an'i Jesosy Kristy sy mbola mampianatra anao io raha tsy nahafantatra ary nanaiky ny antom-pisiany dia nanao ahoana ny fiainam-panahinao androany

👉 Ireny mpampianatra izay nampianatra anao tamin'ny fahazazana ireny raha tsy nanaiky ny vocation-ny dia ahoana?

😪 Mety nanara-drenirano izay fanaon'olona fotsiny ianao hoe izao no malaza be mpanao dia nataonao
😪 Mety tena noho ny fanapahan-kevitra diso sy ny fahadalana na koa noho ny tahotra dia nanalavitra ny tena lalana tokony nandehananao ianao

👉Misy eto am-bonin'ny tany ianao satria manana antony ny amin'izany Andriamanitra, manokana ianao tsy misy roa tahaka anao satria misy dikany Aminy ny fahavelomanao, manana ny antony manokana Andriamanitra nisafidy nampisy anao

👉Napetrak'Andriamanitra amin'io toerana io ianao, na ao amin'ny ankohonana, na ao amin'ny tokatrano, na eo amin'io asa io...ho amin'ny antony manokana, tsy misy kisendrasendra fa misy antony avokoa ny zavatra rehetra

Angatao ny Fanahy Masina:
🙏 hampafantatra anao ny antom-pisinao eto an-tany, ny antom-pisinao eo amin'io toerana io...
🙏Hanome anao hery hankatoavanao izay tari-dalana sy izay ao am-pon'Andriamanitra mikasika ny fiainanao

❤💚💜🧡Maty antoka sy mapalahelo raha velona ihany nefa tsy mba afaka niaina izay mba fikasan'Andriamanitra ho antsika

❤💚💜🧡TSARA NY MAHAFANTATRA FA TSARA LAVITRA NY MANKATOA

👍Ambadiky ny fanekenao, ny fankatoavanao dia tsy maintsy ho fitahiana ho an'ny hafa ianao!

Eh, Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao

🤔Rahavavy, kamo ivavaka hoe?🤦‍♀️Tafitohana ianao dia hoe tsy andeha hivavaka na tsy hivavaka nefa efa tao am-ponao ny hi...
07/01/2024

🤔Rahavavy, kamo ivavaka hoe?

🤦‍♀️Tafitohana ianao dia hoe tsy andeha hivavaka na tsy hivavaka nefa efa tao am-ponao ny hivavaka
🤦‍♀️Nisy zavatra nanafitohana anao nataon'olona dia hoe izao ve ilay mivavaka, izaho tsy hivavaka intsony
🤦‍♀️Mahita karazana toetran'olona ao am-piangonana ianao dia hoe izaho aleo tsy miditra alina

🤷‍♀️Rahavavy a, fa iza kay no maty ho anao teo amin'ny hazo fijaliana?
🤷‍♀️Iza no mivavaka ho anao isan'andro tsy tapaka, mifona sy mangataka ho anao?
🤷‍♀️Iza no miaro, mamatsy, mikarakara, manasitrana anao..?
🤷‍♀️Iza no eo foana ho anao?
🤷‍♀️ Fa inona amin'ireo fiainana izay iananao ireo no avy tamin'olombelona
🤷‍♀️DISO FAHAVALO IANAO raha hoe tsy hivavaka, tsy hanompo ...Tsy i Jesosy anie no niady taminao e
🙅‍♀️TSY FAHAVALONAO JESOSY KRISTY

👉TSY MISY IDIRAN'I JESOSY KRISTY AMIN'NY TOETRAN'OLONA NA IZAY FANAONY MBOLA HAFAHAFA FA SAFIDY SY HETAHETAN'NY OLONA TSIRAIRAY NY HIOVA SY HIAINA ARAKY NY SITRAPONY NA TSIA

👉TSY I JESOSY KRISTY IHANY KOA NO NANIRAKA OLONA HAMPIJALY ANAO NA HANAFITOHANA ANAO

👉Tsy hivavaka ianao na koa hoe tsy hiditra lalina? Fanapahan-kevitrao manokana sy safidinao manokana tsy afaka ailika amin'ny hafa ny fanapahan-kevitrao.

👉Tsy i Jesosy Kristy no voa mafy, Andriamanitra foana Izy fa ianao, hisy zavatra be dia be ho votsotra aminao

2024 FOTOANA HITOMBOANA ARA-PANAHY
2024 Mibanjina sy mifantoka an'i Jesosy Kristy , Izy irery ihany , tsy olombelona , raha te haharitra hatramin'ny farany sy ho vonjena

💚💜❤🧡Rahavavy, andao hiazakazaka ara-panahy ary tsy hitoditodika fa manjary mianjera
Rehefa mianjera dia maratra ary rehefa maratra dia tsy afaka ny ho lasa lavitra , manana tany kanàna izay tokony idiranao ianao, ary Jesosy efa nanomana lanitra tokony ho vantananao

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara

On ne sait jamais vraiment ce que quelqu'un traverse C'est pourquoi nous devons toujours faire preuve de gentillesse❤VEH...
06/01/2024

On ne sait jamais vraiment ce que quelqu'un traverse
C'est pourquoi nous devons toujours faire preuve de gentillesse

❤VEHIVAVY MITAFY FAHAMORAM-PANAHY
💜VEHIVAVY MITAFY AN'I KRISTY
💚VEHIVAVY MITONDRA VOKATRY NY FANAHY

😪Efa nataon'olona tahakan'ny pneu de secours ve ianao? atao vonjy maika Dernier choix satria c'est mieux que rien 😭, ata...
04/01/2024

😪Efa nataon'olona tahakan'ny pneu de secours ve ianao? atao vonjy maika
Dernier choix satria c'est mieux que rien 😭, atao calmant fanalana fanaitainana famenofenoana izay banga? atao tip top ?

Mafy a, marary an, mandratra an 😪 aza mba tratra ihany

🤦‍♀️Nefa indraindray isika manao an'izany an'i Jesosy Kristy.
Rehefa mafy ny ady dia Jesosy a...😁
Kanefa araky ny teneniny manao hoe antsoy Aho amin'ny
andro fahoriana... dia tena tsy maninona tokoa izany; kanefa FOTOANA IZAO HITOMBOANTSIKA, HIAKARANTSIKA ZANA-TOHATRA, HANAOVANTSIKA DINGANA AMIN'NY FIARAHANTSIKA AMIN'ANDRIAMANITRA.🙏

👉Tsy atreo amin'ny andro fahoriana fotsiny fa na amin'ny fotoana mibalika sy mahafinaritra aza ny fiainantsika.❤🙏

❤HANAO AN'I JESOSY KRISTY HO LAHARANA VOALOHANY AMIN'NY FIAINANTSIKA,❤

❤Ho CHOIX NUMERO 1,
🙅‍♀️tsy pneu de secours,
🙅‍♀️tsy calmant,
🙅‍♀️tsy irakiraka hoe Jesosy a kasio ranona, ataovy izao...
🙅‍♀️tsy dernier choix hoe rehefa tsy mandaitra daholo ny zavatra hafa rehetra izay vao Jesosy Kristy

❤Ho laharana voalohany tsy amin'ny vava fotsiny, tsy amin'ny fanandrata-tanana fotsiny...
❤ fa fiainana isan'andro na any amin'ny takona tsy misy mpahita, na amin'ny zavatra madinika indrindra aza
❤Fomba fiaina mifanaraka amin'izay safidy raisina izay hoe Jesosy Kristy no atao ho lohalaharana
❤Misafidy ny sitrapony, izay tiany, misafidy ny feony, ny lalany...dia mampandefitra, mampangina ny zavatra hafa rehetra

🙏🙏🙏ATAOVY VOALOHANY ANDRIAMANITRA
OMEO AZY NY TOERANY
ASEHOY ISAN'ANDRO AMIN'NY FIAINANAO FA IZY NO VOALOHANY AMINAO
REHEFA TENA AVELANAO MANDRAY NY TOERANY IZY DIA MANARAKA OAZY FOTSINY NY ZAVATRA HAFA REHETRA, HAINY ANIE IANAO E, FANTANY TSARA IZAY LALOVANAO ARY FANTANY IZAY TOKONY ATAO HO ANAO

Tamin'ny voalohany Andriamanitra Gen 1, 1
👍JESOSY KRISTY IZAY VAO.....

🧡💜💚Taona vaovao
Fomba fanao, fomba fiaina vaovao
Vokatra vaovao

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara

❤ Rahavavy,TAONANAO ITY,taona HATSIAROVAN'ANDRIAMANITRA ANAO,FOTOANANAO AMIN'IZAY IZAO👉Vakio dia saino ary inoy ireto te...
03/01/2024

❤ Rahavavy,TAONANAO ITY,taona HATSIAROVAN'ANDRIAMANITRA ANAO,FOTOANANAO AMIN'IZAY IZAO

👉Vakio dia saino ary inoy ireto tenin'Andriamanitra ireto.
🙅‍♀️Nahoana ianao no rehefa manofy ratsy dia mino fahatany? Mora mino?
👉Ahoana ny fandraisanao ireto tenin'Andriamanitra ireto?

Gen 22, 17: certainement je te bénirai, et je multiplierai abondamment ta semence comme les étoiles des cieux et comme le sable qui est sur le bord de la mer; et ta semence possédera la porte de ses ennemis.

Gen 24,60: Et ils bénirent Rebecca, et lui dirent : Toi, notre sœur, deviens des milliers de myriades, et que ta semence possède la porte de ses ennemis !

❤HIHITATRA ANIE IANAO, HIHAMARO SY HITOMBO HERY amin'ny lafiny rehetra

Ho marina aminao anie izany raha mino ianao
Amen

BONNE ANNEE RAHAVAVY A

Vehivavy Mpamafy voa Tsara

❤RAHAVAVY, TSY LAVITRA ANAO IZY FA TENA AKAIKY ANAOImanoela, amintsika AndriamanitraMat 1,23Rahavavy, raha tena tsapanao...
25/12/2023

❤RAHAVAVY, TSY LAVITRA ANAO IZY FA TENA AKAIKY ANAO
Imanoela, amintsika Andriamanitra
Mat 1,23

Rahavavy, raha tena tsapanao sy takatrao tokoa izany hoe eo aminao Andriamanitra dia :

👉tsy halahelo ianao,dia tsy hatsapa tena irery ianao, dia tsy hatahotra ianao, dia tsy hanahy ny ho avy ianao...
👉ho afa mihitsy ny fiatrehanao fiainana
👉Hisy fiatraikany hatramin'ny fihetsem-ponao, ny fahatsapanao, ny humeur-nao rehefa takatrao hoe tena eo aminao Andriamanitra

❤Hanana fahatakarana anie ianao rahavavy manomboka androany ary hanova anao sy hanova zavatra be dia be ao anatinao ny fahatakaranao izany

👉Tsy resaka datin'andro na fotoana mandalo fa isan'andro dia eo aminao, miaraka aminao, ao anatinao Izy raha efa Azy ianao

Androany, azonao antoka ve fa tena Azy, an'i Jesosy Kristy ianao

Teraka tao an-tranon'omby izy, nandalo ihany fa tsy nitoetra tao...aza amelana raha tsy teraka ao am-ponao Jesosy Kristy, ary tonga Mpanjaka sy Mpanapaka ao anatin'ny fonao sy ny fiainanao

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara

😏Isika vehivavy dia manala vokona amintsika vehivavy ihanyNoho ny zavatra iainantsika isika dia lasa feno fahatezerana, ...
12/12/2023

😏Isika vehivavy dia manala vokona amintsika vehivavy ihany
Noho ny zavatra iainantsika isika dia lasa feno fahatezerana, mangidy, maratra...dia vehivavy tahakantsika ihany no anaparantsika ny vesatrantsika.

😢Tsy tiana tsotra izao fotsiny ohatra, angarihana, tsy arabaina, fosaina, kitakitaina, anaparana fahasiahana, ambaniana, ankahalaina fotsiny tsotr'izao, amoronana dossier tsy misy...

😏😢Indrisy, ita na aiza na aiza izany na any am-pianarana na any am-piasana na any am-piangonana, ita izany na ato amin'ny facebook aza

😢Rahavavy a, mitovy aminao ihany anie iny rahavavy iny e

👉Manana olana tahaka anao
👉Miatrika ady tahaka anao
👉Manana alahelo tahaka anao
👉Mety maratra tahaka anao
👉Mety voafitaka sy diso fanantenana tahaka anao
👉Misy fanamby tahaka anao
👉Miatrika fiainana tahaka anao
👉Mety manana olana tokatrano tahaka anao
👉Mety avy niady mivady tahaka anao
👉Mety efa ela no miandry vady tahaka anao
👉Mety nilaozan'ny vadiny tahaka anao
👉Mety mitady zaza tahaka anao
👉Mety manana trosa tahaka anao
👉Mety tsy manana asa tahaka anao
👉Mety voailika tahaka anao
👉Mety tsy manambola tahaka anao
👉Mety manana aretina ara-batana tahaka anao
👉Mety mikorotana foana koa ny ray aman-dreniny tahaka ny anao

😢Eny, mety tahaka ny anao ny zavatra atrehiny,mety mbola mafy kokoa aza fa tsy asehony anao izany satria tsy anaparany ny mafy mianjady aminy ianao

👉Rahavavy a, ny ady mety hisy foana an-tanin'ady isika, ny faniriana hisy foana, ny zavatra atrehina hisy foana, ny fanamby hisy foana FA SAFIDY NY HITOETRA HARATRA, SAFIDY NY HOE HIJANONA HANGIDY AHO, SAFIDY NY HANAIKY HO SIMBAIN'NY ZAVATRA ATREHINA

❤Rahavavy a, mila an'i Jesosy Kristy ny fontsika
❤Mila Azy loatra io fontsika io
❤Isika mandoatra ny any anatintsika, ny anatin'ny fontsika, ny vesatrantsika eo amin'i Jesosy Kristy no vahaolana, manokatra lalana, mampamaivana, manasitrana, manafaka, mampitony, mampiadana antsika.
Salamo 62, 8
Salamo 54
Salamo 55, 23

❤Rahavavy a, te hikarakara anao loatra Jesosy Kristy
❤Mandehana, aza mangataka andro, fa na inona loaranao eo anatrehany, na inona état-nao dia raisiny ianao, ary na impiry ianao no mivezivezy eo anatrehany handoatra isan'andro ny ao anatinao sy hanala ny vesatrao dia satriny foana hahita anao sy hitondra ny enta-mavesatrao

❤❤❤Rahavavy o, tia anao Jesosy Kristy

Raha mba afaka mizara ianao, raha mba itanao fa afaka ny ho fitahiana ho an'ny vehivavy hafa
Tsy an-tery akory fa am-pitiavana hatrany

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao

Rahavavy, na manambady ianao na tsia dia andao hianatra ny toe-tsain'Andriamanitra🤭Mety hoy ianao hoe zinona moa izay iz...
11/12/2023

Rahavavy, na manambady ianao na tsia dia andao hianatra ny toe-tsain'Andriamanitra

🤭Mety hoy ianao hoe zinona moa izay izao sy izao raha oharina amin'ny zavatra ilaiko, tsy ampy havita inona akory ity?
🤭Zinona moa izay mba trano kely ipetrahanay, zinona koa ireto fanaka kely ireto?
🤭Zinona izay mba gouter kely azoko amin'ny dada sy i neny, tsy ampy ividianana na inona akory
🤭Zinona izay mba ezaka ataony raha oharina amin'ny zavatra mbola tsy vitany
🤭Zinona ity mba ohatran'ny fioavany raha ohariana amin'ireo mbola falemeny
🤭Zinona moa ity raha oharina amin'ny zavatra tsy ampy.
🤭Zinona ity vola kely mba omena tantanako?
🤭Zinona ireto sy ireto oharina amin'izay mbola banga be?
🤭Zinona izay mba fiainako,.tsy misy vady, na koa tsy misy zanaka, na koa tsy manana asa, na koa tsy ohatran'izao sy izao..zinona, zinona.😅

❤Raha oharina amin'isan'ny olona maro be izay mbola tsy an'i Jesosy Kristy, ohatran'ny hoe zinona raha mpanota iray mibebaka? Raha olombelona dia mety alaim-panahy hoe iray ve no nanolo-tena tamin'iny fotoan-dehibe iny.
Kanefa tsy izany Jesosy Kristy, fifaliana, firavoravoana ao an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka Lioka 15, 10

❤Raha oharina amin'ireo olona dimy arivo mihoatra, zinona ireo m**o 5 sy hazan-drano 2. Tsy havita havoky na olona roapolo akory aza. Kanefa tsy nataon'i Jesosy Kristy tsinotsinona izany, fa hoy Izy hoe ento aty Amiko, noraisiny, fa tsy natsipiny, tsy nimonomonona Izy, fa nisaotra an'Andriamanitra Lioka 9, 16

❤Rahavavy, andao hianatra ny toe-tsain'Andriamanitra mahay mifaly, mahay miravoravo, mahay mankasitraka na dia amin'ny zavatra kely aza.
Rahavavy, andao hianatra hahay ho afa-po , ho faly, hahay misaotra, hahay sambatra, hahay hitsiky, hahay ho mirana na amin'ny zavatra kely aza.
Na zavatra kely aza no eo, no entina ho anao, na mbola tsy misy zavatra miova be aza dia andao hankasitraka, ho faly, ho ravoravo

👉Raiso dia aza atsipy, aza mimonomonona sy mimenomenona, aza mitady ny tsy hita
Aza milongilongy sy miavonavona.
Ankasitrao izao omena anao fa efa nisasarana ireny, nisy fitiavana tao ambadik'ireny, nisy finiavana sy ezaka tao anatin'ireny

👉NY FANIRIANA SY NY HETAHETA NY HANANA AN'IZAO SY IZAO HISY FOANA, NY BANGA HISY FOANA...TSY HISY FAHATAPERANY FA
ISIKA NY HO SAMBATRA VOALOHANY RAHA MAHAY MANKASITRAKA ISIKA

👉Tsy ho maizina aminao ny tany aman-danitra raha mahay mankasitraka ianao fa manana antony maro be ianao isaorana sy ankasitrahana an'Andriamanitra

👉 ho tsara ny fifandraisanao amin'ny hafa rehefa mahay mankasitraka ianao, rehefa tsy mijery izay mbola tsy vitany ianao fa mahay mandray izay efa ezaka natombony.

👉 Raha ingrate amin'Andriamanitra ianao dia tsy maintsy ho ingrate amin'olona
Raha ingrate amin'ny olona ianao dia tsy maintsy ho ingrate amin'Andriamanitra

Ho vehivavy miova anie izaho sy ianao manomboka androany

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao
Mahay mankasitraka an'Andriamanitra sy ny hafa

Manasa anao hizara hatrany raha itanao fa nahasoa anao ka mety hahasoa ny hafa

🤦‍♀️🤷‍♀️Rahavavy, eo ianao dia eo, dia lasa saina, dia mamorona kisarisary, dia mamorona tantara, dia mifamatotra amin'n...
05/12/2023

🤦‍♀️🤷‍♀️Rahavavy, eo ianao dia eo, dia lasa saina, dia mamorona kisarisary, dia mamorona tantara, dia mifamatotra amin'ny zavatra mifamaofao anatin'ny sainao ny fihetsem-ponao.Dia io fa diboky ny alahelo ianao, tezitra tampoka, romodromotra tampoka, kivy be tampoka, malahelo be mamoy fo mitanondrika, manenina, manome tsiny ny tenanao, manome tsiny ny hafa, manome tsiny an'Andriamanitra...

🙅‍♀️Tandremo ny zavatra sainitsaininao rahavavy
🙅‍♀️Tandremo fa zavatra kely monja lasa tonga mihitatra zavatra be
🙅‍♀️Mety fahatsiarovana kely amina hira, amina toerana, amina fofona.. no miantso alahelo be, fitanondrehana sy famoizam-po
🙅‍♀️ Rahavavy a, tandremo fa mety eritreritra kely mikasika ny fitondran'Andriamanitra fiainan'olona iray hoe ary toa ohatran'izao ny fiainan'ny ranona no miantso fijery mihiba momba ny tenanao sy momban'ny Tompo ka indro fa mihazakazaka mameno anao ny fitsetserana anaty, ry fitsiriritana sy ry fialonana, miafara amin'ny fimonomonomana sy fanomezana tsiny ani Jesosy Kristy
🙅‍♀️Tandremo ny zavatra ampidirina ao an-tsaina rahavavy malala, satana anie te hampiditra zavatra be dia be ao an-tsaintsika e, ary tsy mba zavatra tsara fa zavatra ratsy, mpandainga satana sady mpanameloka no mpangalatra.
🙅‍♀️ Mpandainga satana mamafy hoe tsy ho tafavoaka intsony ianao,eritreritra kely monja lasa tahotra be, fanahiana be...
🙅‍♀️ Tandremo rahavavy fa zavatra kely afafin'ny satana ao an-tsaina dia mety handrehitra tokatrano, hanakorotana fifandraisana maro samihafa
🙅‍♀️Tandremo ny eritreritrao momban'ny hafa fa tsy voatery ho marina izay kisarisary ao an-tsainao, aza malaky mitsara sy manameloka

🙏 Fehezo ny zavatra ekenao ampidirina ao an-tsaina manombok'androany.
🙏Ianao no mifehy izay tinao ampidirina ao an-tsainao
🙏 Iza no ekenao hanolo-tsaina sy hanome saina anao
🙏 Mba hanananao zavatra tsara mipetraka ao an-tsaina dia tiava mamaky baiboly ao no misy ny fisainan'Andriamanitra tsara rehetra momba anao, manasitrana anao, afahanao manana saina sy fihevitra tsara

❤Aoka ny Fanahy Masina no ekenao hanolo-tsaina anao salamo 32, 8
❤Saino mandrakariva zavatra any ambony kolosiana 3,2 , zavatra manome voninahitra an'Andriamanitra, zavatra tsara momba ny fiainanao sy ny hafa
❤Salamo 73, 24 te anome conseil anao ny Fanahy Masina, ary vokatra feno voninahitra no ambadik'izany
❤AMIN'NY ZAVATRA ERITRERETINAO DIA MAMETRAHA FANONTANIANA HOE MISY TOMBONY HO ANAO VE NY ERITRERETINAO IZANY, MITONDRA VOKATRA TSARA HO ANAO VE SA MITONDRA VOKATRA RATSY?

❤Vehivavy Mpamafy Voa Tsara ianao, tsy afaka ny hamafy voa tsara ianao raha tsy manomboka any anatinao, any anatin'ny sainao feno zavatra tsara

Zarao hatrany raha mba mety aminao ho fiarahanao miasa amin'Andriamanitra ho fitahiana sy fanasitranana ho an'ny vehivavy maro

Vehivavy Mpamafy Voa Tsara

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261328771850

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vehivavy Mpamafy Voa Tsara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share