28/11/2024
Notanterahina tandroany 28/11/2024 ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneraly teo aloha/Dr RASOARIMANANA Sahondra sy ny Tale Jeneraly vaovao/Dr RAMIANDRASOA Lalaoarifetra. Nialohavan'ny fotoam-pivavahana ny fotoana izay notarihin'ny Filohan'ny FLM ary nofaranana tamin'ny fiaraha-miala hetaheta.
Isaorana feno lehibe ny Foibe FLM izay notarihin'ny Filohan'ny FLM sady Filohan'ny Komity Mpitantana SALFA , ny mambran'ny Komity Mpitantana, ny mpiara-miombon'antoka, ny Direksiona SALFA teo aloha, ny vahiny nasaina, ny mpiara-miasa tonga nanome voninahitra izany fifamindram-pahefana izany . Isaorana ihany koa izay rehetra nitondra am-bavaka 🙏
Isaorana feno lehibe ihany koa Dr RASOARIMANANA Sahondra, tamin'ny adidy mavesatra niandraiketany nandritra izay fotoana izay ary mirary soa sahady ho an'i Dr RAMIANDRASOA Lalaoarifetra ny amin'ny adidy sy andraikitra vaovao ankinin'ny Tompo azy
Samia tahian'Andriamanitra daholo 🙏