Advocacy For Youth Madagascar

Advocacy For Youth Madagascar Un projet initié par un consortium TANORA IRAY - IYAFP MADAGASCAR - TANORA GARAN'TEEN
Ho an’ny zo sy fahasalamana ara-pananahan’ny tanora malagasy

"Jeunes responsables des décisions prises au sein de sa communauté."

Ny vaovao tsara ? Tsy voatery hijanona ho olana io.Raha sendra éjaculation tardive, ny dingana voalohany dia tsy ny mata...
12/04/2026

Ny vaovao tsara ? Tsy voatery hijanona ho olana io.

Raha sendra éjaculation tardive, ny dingana voalohany dia tsy ny matahotra… fa ny manaiky sy mitady vahaolana.

Ireto misy zavatra afaka manampy :
✅ Miresaka amim-pahatsorana amin’ny partenaire. Satria rehefa mangina dia vao mainka mitombo ny pression sy ny tsy fifankahazoana.

✅ Mampihena stress sy pression ana performance : Indraindray ny sainao no efa miasa be loatra ka tsy afaka miaina ny vatana.

✅ Mandinika raha misy antony ara-pahasalamana na fanafody raisina

✅ Mitady fanampiana @ matihanina raha miverimberina : Médecin, sexologue, na urologue afaka manampy hahita ny tena antony sy ny fomba hitsaboana azy.

✅ Aza miampanga tena : Tsy midika hoe tsy lehilahy ianao.bTsy midika hoe tsy tia. Ary tsy midika hoe tsy misy vahaolana.

✨ Ny olana resahina no mora vahana. Ny olana afenina kosa no vao mainka mavesatra.

💬 Raha misy namanao na olona fantatrao mila mamaky an’ity, mentionne-o na partage-o.
Maro no mangina amin’ity lohahevitra ity, nefa maro koa no mila fanazavana.

*******onTardive

Ny éjaculation tardive dia mety ho lasa olana rehefa :🔸 ela loatra vao tonga matetika🔸 indraindray tsy tonga mihitsy na ...
10/04/2026

Ny éjaculation tardive dia mety ho lasa olana rehefa :
🔸 ela loatra vao tonga matetika
🔸 indraindray tsy tonga mihitsy na dia efa te aza
🔸 reraka, kivy, na sorena ilay olona aorian’ny rapport
🔸 lasa misy frustration ao anaty couple
🔸 manomboka kamo hanao rapport sexuel mihitsy ilay olona noho ny henatra na tahotra

Ny tena mampijaly matetika dia tsy ilay fotoana lava ihany… fa ilay fahatsapana hoe misy tsy mety amiko. Dia eo no miditra ny henatra, ny fahakiviana, ary ny tsy fahatokisan-tena.

⚠️ Raha miverimberina io, ka manelingelina ny fiainan’ilay olon-droabna ny couple, dia tsara jerena akaiky.

Tsy competition akory ny firaisana fa ny zava-dehibe dia ny fahasalamana, ny fifampiresahana, ary ny fahazoana aina.

💬 Efa naheno ve ianao hoe misy olona mijaly mangina amin’io satria menatra miresaka ?

👉 inona no azo atao raha sendra io olana io ? ankoatra ny fanantonana dokotera dia ho zaraina manaraka eto astuces maromaro ka aza miala ooo

*******onTardive

⬇️ Tsy hoe tsy te izy… fa mety misy antony ao ambadik’io.Rehefa ela loatra vao tonga ny éjaculation, na indraindray aza ...
08/04/2026

⬇️ Tsy hoe tsy te izy… fa mety misy antony ao ambadik’io.

Rehefa ela loatra vao tonga ny éjaculation, na indraindray aza tsy tonga mihitsy, dia maro no mieritreritra hoe :
“misy olana ve za ?”
“tsy normal ve za ?”
“tsy manintona azy ve ny partenaire-ako ve za?”

Fa ny marina dia tsy voatery hoe tsy fahazotoana na tsy fahaizana foana no ao ambadik’io.
Misy antony maro mety mahatonga ny éjaculation tardive :

🔹 antony ara-tsaina : stress, tebiteby, trauma, tahotra tsy hahavita azy
🔹 olana ao anaty couple : tsy fifankahazoana, fahanginana, pression
🔹 fanaovana ma********on be loatra ka sarotra ny mifantoka amin’ny rapport sexuel
🔹 fanafody sasany mety misy fiantraikany
🔹 olana ara-pahasalamana sasantsasany izay tokony ho jeren’ny dokotera mpitsabo

⚠️ Midika izany fa: tsy tokony hanesoana, tsy tokony hitsarana ary tsy tokony hafenina mangina fotsiny koa.

📌 Ao ambadiky ny zavatra hita ivelany dia mety misy zavatra lalina kokoa mila takarina.

💬 Aminareo, inona no heverinareo fa antony mahatonga azy matetika :
stress, olana ao anaty couple, sa olana ara-pahasalamana ?

👉 aza miala fa mbola ho jeretsika hoe ahoana no ahafantarana fa tena lasa olana izy io ?

*******onTardive

Misy ny pate apollo … fa misy koa ireo ela vao tonga … na ireo tsy tonga mihitsy …Ej*******on tardive no hiantsoana azy ...
07/04/2026

Misy ny pate apollo … fa misy koa ireo ela vao tonga … na ireo tsy tonga mihitsy …

Ej*******on tardive no hiantsoana azy 😊

Efa henonareo ve?

Ho avy ny tohiny fa aza miala amin’ny pejitsika

Mety sarotra amintsika ray aman-dreny ny hino izany.  Mety sarotra amin’ny fanjakana koa ny mametraka fanabeazana ara-pa...
03/04/2026

Mety sarotra amintsika ray aman-dreny ny hino izany.
Mety sarotra amin’ny fanjakana koa ny mametraka fanabeazana ara-pananahana feno.

Kanefa miteny ny isa. Eto Madagasikara, 40%, izany hoe zatovovavy 4 amin’ny 10 eo anelanelan’ny 15 sy 19 taona, no efa niroso tamin’ny firaisana ara-nofo.

Dia fanontaniana no tokony hapetratsika rehetra:
Nahazo fahalalana ve izy ireo?
Fantany ve ny fiarovana ny tenany?
Fantany ve ny vokadratsin’ny tsy fahampian’ny vaovao sy ny tsy fisian’ny fiarovana?

Satria tsy ampy intsony ny mieritreritra hoe:
“Tsy manao an’izany ny zanako.”
Tsy ampy koa ny mangina satria menatra na matahotra hiresaka.

Ny zava-misy dia efa miova ny fiainan’ny tanora.
Ka raha tsy omen-tsika fahalalana marina izy ireo, iza no hanome?
Raha tsy asiana fanabeazana ara-pananahana feno, ahoana no hiarovany ny tenany?

Ny fanabeazana ara-pananahana tsy famporisihana hanao firaisana, fa fiarovana ny tanora.
Fiaro amin’ny vohoka tsy nirina.
Fiaro amin’ny aretina.
Fiaro amin’ny fanapahan-kevitra diso ateraky ny tsy fahalalana.

LAZAO NY HEVITRAO

🚨 Reny mbola zaza no maty eto Madagasikara.17% amin’ny fahafatesan’ny reny dia zatovovavy 15–19 taona. Midika izany fa m...
01/04/2026

🚨 Reny mbola zaza no maty eto Madagasikara.

17% amin’ny fahafatesan’ny reny dia zatovovavy 15–19 taona. Midika izany fa mbola tena marefo ny ain’ny tovovavy tanora manoloana ny fitondrana vohoka aloha loatra sy ny tsy fahazoana fitsaboana ara-potoana.

17% izany. Tsy kely. Tsy azo odian-tsy hita.

Izahay dia manamafy hatrany ny hanaovana lohalaharana ny Fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly satria tsy mandaitra intsony ny fanakanana be fahatany ireo ankizy sy tanora.

🔴 MISY NY FANALAN-JAZA ETO MADAGASIKARAHiresaka antontan’isa kely indray isika satria tsy azo afenina intsony ny zava-mi...
30/03/2026

🔴 MISY NY FANALAN-JAZA ETO MADAGASIKARA

Hiresaka antontan’isa kely indray isika satria tsy azo afenina intsony ny zava-misy.

Araka ny antontanisa, vehivavy 6 amin’ny 100 miditra hopitaly no voalaza fa noho ny fahasarotana ateraky ny fanalan-jaza tsy voaaro. Satria voararan’ny lalàna ny fanalan-jaza ka matetika atao an-tsokosoko ary amin’ny fomba tena mampivarahontsana.

Izany dia manaporofo fa:
✅ misy tokoa ny fanalan-jaza eto Madagasikara
✅ misy ny vehivavy marary mafy vokatr’izany
✅ misy ny aina tandindomin-doza noho ny tsy fahazoana fitsaboana azo antoka

Tsy resaka tsaho intsony ity, fa olana tena misy eo amin’ny fiarahamonina sy ny fahasalamam-bahoaka.
Tokony ho resahina am-pahibemaso, jerena akaiky, ary hitadiavana vahaolana maika.

Raha tena mifankatia ve dia tsy mila kapaoty intsony? ❤️💡 Ny fitiavana dia tsy manala ny filàna fiarovana velively👉 Tsy ...
29/03/2026

Raha tena mifankatia ve dia tsy mila kapaoty intsony? ❤️

💡 Ny fitiavana dia tsy manala ny filàna fiarovana velively

👉 Tsy fantatra foana ny toe-pahasalamana taloha
👉 Ny fiarovana dia fanajana ny tenanao sy ny olon-tianao

❤️ Fitiavana marina =
✔️ Fifampitokisana
✔️ Fikarakarana
✔️ Fiarovana

⚠️ Tsy mampirisika firaisana izahay
Fa mampahafantatra mba hisorohana loza

💬 Fitiavana + fahendrena + tompon’andraikitra = fiainana milamina

Mbola misy ve mieritreritra fa azo sasana dia ampiasaina indray ny kapaoty? 😳🚫 Ny kapaoty dia natao ampiasaina indray ma...
27/03/2026

Mbola misy ve mieritreritra fa azo sasana dia ampiasaina indray ny kapaoty? 😳

🚫 Ny kapaoty dia natao ampiasaina indray mandeha ihany.

👉 Rehefa ampiasaina mihoatra ny indray = tsy miaro intsony
👉 Mampitombo loza (aretina + vohoka tsy nirina)

✅ Torohevitra tsotra :
✔️ Ario avy hatrany rehefa vita
✔️ Mampiasà vaovao isaky ny mandeha

⚠️ Tsy fanentanana hanao firaisana ity fa fampianarana hiarovana ny tanora efa tafiditra .

💬 Zarao mba hahafantaran’ny hafa koa moa tagueo ilay bandy akama somary kahidy 🤣🤣

🧐Tena marina ve hoe tsy mahafinaritra intsony rehefa misy kapaoty? 😳”💡 Tsy marina izany!Amin’izao anie efa  misy kapaoty...
25/03/2026

🧐Tena marina ve hoe tsy mahafinaritra intsony rehefa misy kapaoty? 😳”

💡 Tsy marina izany!
Amin’izao anie efa misy kapaoty manify, misy parfum sy taille, sy natao hahazoana aina tsara 😉

👉 Tsy natao hanimba fahafinaretana izy
👉 Fa natao hiarovana ny fahasalamana sy hiarovana ny vohoka

⚠️ Tsy famporisihana hanao firaisana akory fa fampahafantarana ho an’izay efa misafidy hanao izany, sao misy tezitra eo

❤️ Ny tena “fanavaozana” dia ny mahay miaro tena sa tsy izay

💬 Ahoana ny hevitrao?

🔥 Aza manaiky honohono! 🔥“Kapaoty double” TSY midika hoe fiarovana double ❌👉 Raha manao kapaoty roa miaraka ianao dia va...
24/03/2026

🔥 Aza manaiky honohono! 🔥
“Kapaoty double” TSY midika hoe fiarovana double ❌

👉 Raha manao kapaoty roa miaraka ianao dia vao maika mitombo ny risika ho rovitra
👉 Tsy miaro bebe kokoa fa mety hampidi-doza bebe kokoa aza 😱

✅ Kapaoty tokana isaky ny firaisana iray = fiarovana tsara indrindra
💡 Mahaiza misafidy, mahaiza mampiasa!

💬 Tandremo foana ny fahasalamanao sy ny hoavinao
❤️ Fitiavana + fahendrena = fiarovana marina

📢 Zarao amin’ny namanao ity hafatra ity fa mety ilainy !

Ahoana tsara a 🧐Aza hatao hitan’ny olona sasany aty aminay re ity e … Any Rosia manana fikasana handefa ny vehivavy tsy ...
22/03/2026

Ahoana tsara a 🧐

Aza hatao hitan’ny olona sasany aty aminay re ity e …

Any Rosia manana fikasana handefa ny vehivavy tsy te hiteraka hanatona Psychologue ny fanjakana? Ahoana ny hevitrareo?

Raha ny éto Madagasikara aloha dia tsy mitsahatra mampahafantatra izahay fa anaty zo ara-pananahan’ny vehivavy ny hisafidy tsy hiteraka e, saingy matetika voatondro molotra foana ihany.

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Advocacy For Youth Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share