Gasy ty Fikafika

Gasy ty Fikafika Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Gasy ty Fikafika, AIDS Resource Center, Antananarivo.

Alaviro ny naman-dratsy Misy olona tsy tokony atao namana na dia promotion iray taminareo aza.Misy olona tsy tokony hiar...
16/08/2024

Alaviro ny naman-dratsy

Misy olona tsy tokony atao namana na dia promotion iray taminareo aza.
Misy olona tsy tokony hiarahanao intsony na dia tia anao aza.
Misy relation tokony tapahana na dia tianao aza izy.
Misy olona tokony halavirina na dia iray Tana aminareo aza.

Rehefa avy naka sary tamin'ny findainao ianao dia vitanao ny mamafa izay sary tsy ilaina satria tsapanao mibahana mémoire fotsiny ny fijanonany ao.

Rehefa avy nividy voankazo teny an-tsena ka nisy ratsy dia tsy maintsy nariana izay sao hanimba ny fahasalamanao

Toy izay koa ny olona :
Misy olona tsy tsara hialana mihintsy satria miteraka sakana amin'ny fivoaranao ary mety hanimba ny fiainanao sy ny fifandraisana mety mampandroso anao mihintsy aza.
Mila halavirina izay raha te hanavotra ny fiainanao ianao

Anjaranao ny mahafantatra azy fa amiko anisany hafantarana azy ireto

❌ Ny olona mpanao gazetim-piainan’olona. Tsy hiresaka raha tsy fiainan’olona.
❌ Ny olona negative. Isakin’ny misokatra io vavany io dia tsy misy zavatra positive fa negative foana.
❌ Ny olona jaloux mahita olona mivoatra. Tsy tiany mahita ny namana lasa ambony noho izy fa tokony izy foana no ambony.
❌ Ny manipulateur, izy tsy miraraha anao izany fa rehefa misy ilany anao dia mody mahay miresaka .

Aza poizinina avela poizinin'ny olona ny hoavinao. Sahia miala rehefa olona tsy hampivoatra.

🙏 TSARA HOFADIANA NY FOMBA FITENY TAHAKA ITONY 🙏Tranga tena nisy ity :Tsy nahazatra an-drangahy hatramin’ny nanambadiany...
15/08/2024

🙏 TSARA HOFADIANA NY FOMBA FITENY TAHAKA ITONY 🙏

Tranga tena nisy ity :

Tsy nahazatra an-drangahy hatramin’ny nanambadiany ny miarahaba an-dramatoa vadiny . Nampalahelo an-dravehivavy izany fihetsiny izany .

Rehefa samy nanatrika fiofanana ho an’ny mpivady izy roa indray andro , dia niteny ilay mpampiofana hoe :

« Na dia niray fandriana tamin’ny alina aza ianareo roa dia tokony hifampiarahaba ianareo amin’ny maraina . Mampifandray ny mpivady izany no sady manome voninahitra an’Andriamanitra tompon’ny aina rahateo . »

Resy lahatra tamin’izany ralehilahy ka dia nanao dingana niarahaba ny vadiny nony maraina .

Kinanjo nalahelo izy no sady sorena ka niteny hoe : « Voalohany iny no sady farany ! »

Ny antony ? Izao mantsy ny teny navalin-dramatoa rehefa avy niarahaba azy rangahy :
« Nahazo lesona indray ny olona an ! »

Tompoko ,

Rehefa manao dingana tsara anankiray ny vadinao na ny zanakao , dia fadio ny teny fandrabirabiana sy ny vava tsy ambina tahaka izany fa anenenana .

Teny fankasitrahana sy fankaherezana no tokony ho natao tamin’ny fo .
Raoeliarijao
Fanabeazana Miabo+

Mba nanandrana fa tsy mety eee 😂😂😂
14/08/2024

Mba nanandrana fa tsy mety eee 😂😂😂

Ty kosa alou dia marina eeee😁😁
13/08/2024

Ty kosa alou dia marina eeee
😁😁

13/08/2024

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gasy ty Fikafika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share