18/11/2025
🐶 🐶Fikarakarana isan’andro ho an’ny alikanao 🐶🐶
Ny fikarakarana isan’andro dia manampy be amin’ny fahasalaman’ny alikanao. Ireto avy ny torohevitra ilaina mba hiarovana azy sy haharetan’ny fahasalamany.
💧 1. Omeo rano madio sy sakafo tsara
Aoka hisy rano madio foana eo anilany.
Mifidiana sakafo voalanjalanja, mifanaraka amin’ny taonany sy ny lanjany.
➡️ Ao amin' Véto Câlin, afaka manoro sakafo mety indrindra ho an’ny alikao izahay.
🧼 2. Tandrovy ny fahadiovany
Borosio tsy tapaka ny volony hisorohana parasy sy loto.
Diovy moramora ny masony sy sofiny rehefa ilaina.
Tapaho ny hohony raha lava loatra.
➡️ Raha mila fanadiovana matihanina na manam-potoana kely ianao, Véto Câlin dia vonona hanampy anao !
🚶 3. Ataovy misitraka hetsika ara-batana izy
Ento mandehandeha isan’andro.
Omeo lalao hanentanana ny sainy sy ny vatany.
🛡️ 4. Arovy amin’ny aretina
Omeo fanafody miady amin'ny parasy sy ny kongona.
Omeo odi-kankana isaky ny 3 volana, na araka ny torohevitry ny mpitsabo biby.
➡️ Véto Câlin dia manome fanafody tena mahomby sy azo antoka.
🏥 5. Aza adino ny fitsidihana mpitsabo biby
Manao fijerena feno (check-up) indray mandeha isan-taona.
Havaozy hatrany ny vaksiny hisorohana aretina mampidi-doza.
➡️ Ao amin'nt Véto Câlin, ampinay ianao hahita aretina mbola tsy miseho, satria ny fisorohana no fiarovana tsara indrindra.
❤️ 6. Omeo fitiavana ary arahao maso akaiky izy
Mandania fotoana miaraka amin’ny alikanao.
Tandremo raha misy fiovana amin’ny fitondran-tenany, fahazaranany, na fahazotoan-komany.
➡️ Raha manahy ianao, na dia fiovana kely aza, manatona anay Véto Câlin fa raisinay amim-pitiavana sy matihanina.
⭐ Fa nahoana no Véto Câlin ?
🐾 Satria ny fahasalaman’ny bibinao no laharam-pahamehanay.