Centre de Santé Mamindra Aina -CSMA l

Centre de Santé Mamindra Aina -CSMA l Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Centre de Santé Mamindra Aina -CSMA l, Medical and health, Tsarafara Sabotsy Namehana, Antananarivo.

𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗱𝗲 𝗦𝗮𝗻𝘁𝗲 𝗠𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗔𝗶𝗻𝗮 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗳𝗮𝗿𝗮:
Consultation General
Consultation pre-natal
Accouchement
Planning Familiale
Dentisterie
Circoncision à l'americaine
Echographie
Contact : 034 46 618 87

👶 Zazakely misy hernieNy hernie dia fivoahan’ny taova kely (matetika tsinay) amin’ny alalan’ny faritra malemy amin’ny ki...
07/01/2026

👶 Zazakely misy hernie

Ny hernie dia fivoahan’ny taova kely (matetika tsinay) amin’ny alalan’ny faritra malemy amin’ny kibon’ny zazakely, ka hita ho mivonto na mipoitra.
❓ Inona no mahatonga azy?
✔️ Tsy mbola mafy tsara ny hozatra amin’ny kibo
✔️ Misy lavaka tsy nikatona tanteraka hatramin’ny nahaterahana
✔️ Rehefa mitomany mafy, mikohaka, na manosika be ny zaza
➡️ Tsy fahadisoan’ny reny io na hoe ratsy Fikarakarana akory

🧩 Karazana hernie fahita amin’ny zazakely
1️⃣ Hernie ombilicale
👉 Eo amin’ny foitra
👉 Matetika mikatona ho azy alohan’ny 2–5 taona
2️⃣ Hernie inguinale
👉 Eo amin’ny faritra ambanin’ny kibony
👉 Mila fijerena dokotera haingana, indraindray mila fandidiana

✅ Inona no atao rehefa misy hernie ny zazakely?
✔️ Araho maso fotsiny raha tsy marary
✔️ Ento mankany amin’ny mpitsabo hojerena tsy tapaka
✔️ Tazomy ho tony ny zaza (fadio ny mampitomany be azy)
✔️ Araho tsara ny toromarika omen’ny dokotera

❌ Inona no tsy azo atao mihitsy?
🚫 Tsy asiana vola, na zavatra mavesatra,sns eo amin’ny hernie
🚫 Tsy fehezina na afatotra amin’ny lamba mafy
🚫 Tsy asiana menaka na fanafody tsy natoron’ny dokotera
🚫 Tsy terena hiditra amin’ny tanana

🚨 Rahoviana no mila vonjy maika?
⛔ Raha lasa mafana, mena, marary ilay mivonto
⛔ Raha tsy miditra intsony ilay hernie
⛔ Raha mitomany mafy tsy mety mitsahatra ny zaza
⛔ Raha mandoa na tsy mihinana
👉 Ento haingana any amin’ny hopitaly amin’izay fotoana izay

Inona no nataonao nahafaka haingana ny hernie an'ny zanakao?

🌷 Nenikely maman kanto

🤰✨ 𝐇𝐎 𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐋𝐎𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐄 ?Maro ny vehivavy bevohoka no matahotra rehefa mavesabesatra na manomboka mararirary tampok...
06/01/2026

🤰✨ 𝐇𝐎 𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐋𝐎𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐄 ?

Maro ny vehivavy bevohoka no matahotra rehefa mavesabesatra na manomboka mararirary tampoka ny kibo indrindra rehefa mandeha.
👉 Tsy midika avy hatrany hoe hiteraka aloha loatra izany Ary tsy aretina.

AZA MATAHOTRA FA MISY NY ATAO HOE : CONTRACTION Braxton Hicks

🔍 Inona izany ?

Ny contraction Braxton Hicks dia fihetsehan'ny tranon-jaza ara-dalàna mandritra ny fitondrana vohoka.
👉 Manao fanazaran-tena ny tranon-jaza hiomanana amin’ny fiterahana.

🧠 INONA NY HAHAFANTARANA AZY ?

✔️ Tsy miverimberina matetika otran'ny piti-jaza izany hoe tsy" rythmé "(tsy mitohy) Ary tsy mihamafy
✔️ Tsy dia marary na tsy marary( mavesabesatra ihany)
✔️ Miala rehefa miala sasatra na miova toerana
✔️ Tsy manokatra ny vozon-tranonjaza
❌ Tsy mahatonga fiterahana aloha loatra

⚠️ Rahoviana no mila manatona mpitsabo ?

➡️ Raha lasa mitohitohy ( marary- mijanona-marary-mijanona ,....) sy marary,
➡️ Raha latsaky ny 37 herinandro na 9 volana,
➡️ Raha misy ra na rano mivoaka.

🌸 Hafatra lehibe

👉 Ara-dalàna ny Braxton Hicks
👉 Fihetsehan'ny tranon-jaza marary sy mitohy = manatona mpitsabo

🤍 Ahoana no hampitoniana ny zaza marary kibo?Rehefa marary kibo ny zaza dia mety hitomany, tsy hatory, na ho tezitra tsy...
05/01/2026

🤍 Ahoana no hampitoniana ny zaza marary kibo?
Rehefa marary kibo ny zaza dia mety hitomany, tsy hatory, na ho tezitra tsy mahazo aina.
Ireto misy fomba tsotra sy azo atao ao an-trano hanampy azy ho tony 🤱✨
🌿 Ataovy somary mipetraka (semi-assise)na trotroina somary hipetraka malefaka.
Indraindray, io fipetrahana na ny fitondrana azy eo an-tsandrinao io dia manamaivana ny fanaintainana.

🌿 O***a malefaka ny kibo
O***a moramora amin’ny tanana mafana ny kibony, atao miodina manaraka ny famantaranandro.

🌿 Hafanana malefaka
Asiana lamba mafana (tsy mamay be) eo amin’ny kibony mba hampiena ny kibo mibontsina

🌿 Ataovy mivoaka ny rivotra
Aorian’ny fampinonoana na biberon dia ampio avoaka ny rivotra (ampandrezato izy)

🌿 Feo mampitony sy fihina
Ny feon-dreny, hira malefaka, na fihina mamy dia mampitony ny zaza sy mampihena ny fitomaniana.

⚠️ Manatòna mpitsabo raha:
– maharitra na miverimberina ny fanaintainana
– misy fivalanana, mandoa, na tazo
– tsy mety misakafo na misotro ilay zaza

🤍 Karakarao tsara zaza o🙂
Ary ianao? Inona no nataonao hampihenana ny Fanaintainana amin'ny kibon'ny zazakely ?

04/01/2026

Mirary tontolo andro feno fahasoavana ho anao ny centre 🥰

❌Manampy anao ity ❌🛑Rehefa ilay mihetsijaza iny 🛑🌿Anisan'ny zavatra mampitaintaina ireo vehivavy bevohoka indrindra izan...
03/01/2026

❌Manampy anao ity ❌
🛑Rehefa ilay mihetsijaza iny 🛑

🌿Anisan'ny zavatra mampitaintaina ireo vehivavy bevohoka indrindra izany oe hanao ahoana izany mihetsijaza izany ,ao ny matahotra oe marary ve ,ho zaka vé ....sns

🌿Ilaina be ny fihomanana arantsaina ahafahantsika ho vonona tsara rehefa ilay hihetsijaza iny an 😉

👉Ireto misy vitsivitsy amin'izany afaka hanampy anao 😀Tsy natao hampitahotra akory fa hiomananao arantsaina no tanjontsika 😘

🌸Mila mihomana arantsaina aloha oe marary ilay izy ,fa tadidio fa iny marary iny dia midika fa mety tsara izany ilay fihetsehanjaza ( efficace tsara Ilay travail)Miaritra kely dia lahy kely moa ee😉

🌸Mila mananà fahatokisantena
Bediabe no miteny oe tsy vitako intsony ity ,ataovy césarienne za ,fa tadidio fa vitanao io,ataovy ambony bé foana ny moraly oe vitako io....Vitandry aki io aaa😉

🌸Mianarà ho tony tsara ,calme tsara fotsiny😉
Mety haharitra ilay mihetsijaza an ,mety ho tena mafy be Ilay marary,mety mahatsiaro oe reraka be fa zao an ,eo ilay fotoana ilaivana ilay fanaovana respiration,dia henoy tsara izay atoron'ny rasazy na dokotera anao 🙂

🌸 Mahatokisa ny rasazy ,na ny dokoteranao ,resaho azy izay zavatra mampanahy rehetra ....

🌸Farany an ,mihomana foana fa indray2 mety misy fiovana tampoka,mety ny fahasalamanao ,na ny an'ny zazakely ,mety ho atao césarienne tampoka ianao ,arakan'ny décision an'ny Dokotera na rasazy eo

👉Nanao ahoana ianareo tamin'ilay nihetsijaza iny ?tantarao oe 🥰🥰

🌸Courage bé daholo hoantsika rehetra 🌸

⭐ Resahantsika amin'ny manaraka ny afaka hanampin'ny mpanaraka( reny ,vady ,zoky...) ireo bevohoka mandrintra iny fotoana iny

✨Aza adino miabonne ny pagentsika

Mitohana n'y bevoka satria🌸 Miova ny hormones indrindra ny progestérone,mampihenjana ny hozatra malama ao amin'ny tsinay...
02/01/2026

Mitohana n'y bevoka satria

🌸 Miova ny hormones indrindra ny progestérone,mampihenjana ny hozatra malama ao amin'ny tsinay ary mampihena ny fandevonankanina 🧐

🌸 Mitombo ny tranonjaza lasa manapotsitra ny tsinay be, manakana ny fivoahan'ny 💩

🌸 Tsy ampy mandende tongotra ihany koa mampihena ny fiasan'ny tsinay👍

🌸 Tsy ampy ny sakafo be fibres sy ny rano

🌸 Be raritsaina loatra amin'ny fiandrasana ilay harena kely

🌸 Vao miantomboka ny fitondrana vohoka dia efa mety hiseho ny fitohanana eo amin'ny bevoka

🌸 Mitohy rehefa 2eme sy 3eme trimestre rehefa mitombo ny tranonjaza

🌸 Vokany mety ho be rivotra, mibontsina kibo ary mipoitra ny hémorroïdes

🌸 Mirary soa hatrany

31/12/2025
Arahabaina daholo nahatratra ny farany ooo🙏💝"VEHIVAVY BEVOHOKA MIPIPI MATETIKA"ANTONY:🚾VOKATRY NY TSINDRIN'NY TRANON-JAZ...
31/12/2025

Arahabaina daholo nahatratra ny farany ooo🙏💝

"VEHIVAVY BEVOHOKA MIPIPI MATETIKA"
ANTONY:

🚾VOKATRY NY TSINDRIN'NY TRANON-JAZA(UTERIS)
▶Rehefa mitombo ny zaza dia manindry ny tatavia (vessie) ilay tranon-jaza.Dia tsy afaka mitahiry rano betsaka intsony ny tatavia kanefa kely dia kely no mivoaka

🚾FIOVAN'NY HORMONE
▶Ny hormonina bevohoka (progesterone) dia mahatonga ny tatavia ho mora feno sy mora mampita “signal” hoe te hip**i

🚾FITOMBOAN'NY RA SY NY RANO AMIN'NY VATANA
▶Miasa mafimafy kokoa ny voa (reins) ➜ mamokatra p**i matetika

🚾FIHETSIKY NY ZAZA
▶Indraindray ny zaza mihitsy no manindry mivantana ny tatavia, ka vao mainka te hip**i nefa kely ihany

✅ TOROHEVITRA:
▶Mila misotro rano foana amin'ny antoandro 2-2,5 litatra(ilain’ny zaza foana ny rano)
▶Ahena kosa ny fisotroana rano amin'ny alina.
▶Mip**i avy hatrany rehefa te hip**i na kely aza, aza atohana
Mifafa amin'ny serviette aorian’ny p**i mba tsy ho maimbo p**i😁

IZAY FA MANAOVA FARAN'NY TAONA MAHAFINARITRA E🙏
AZA ADINO NY PARTAGE SY MI- ABONNÉ NY PAGE NA ZANY AZA
Nalaina Tam Rohy rasazy Natacha

31/12/2025
👶✨ Ny hoditry ny zaza vao teraka😍 Rehefa vao teraka ny zazakely dia matetika misy karazana tasy kely ny hodiny :mety ho ...
29/12/2025

👶✨ Ny hoditry ny zaza vao teraka

😍 Rehefa vao teraka ny zazakely dia matetika misy karazana tasy kely ny hodiny :
mety ho somary mena, misy mangamangana kely, na koa tache madinika hafa.
Mety mbola miovaova koa ny lokon’ny hodiny amin’ny voalohany 💛.

🔍 Fantaro ary fa ny hoditry ny zaza vao teraka dia mbola vao mi-s’adapte amin’ny tontolo ivelany aorian’ny nivoahany avy ao an-kibon-dreniny 🤱.
Mbola tena malemy sy marefo izy io, ka mora miova loko, mora maina kely, na misy tache kely mandritra ny herinandro na volana voalohany.

🌼 Amin’ny ankapobeny dia ara-dalàna tanteraka ireo fiovana ireo ary mihatsara tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana.

✨ Mahakasika ny lokony amin’ny ankapobeny indray, misy ny zaza sasany somary mazava kokoa vao teraka, fa rehefa miha lehibe izy dia maka tsikelikely ny tena lokony : mety ho somary matroka kokoa, na indraindray kosa ny mifanohitra amin’izany.
Ara-dalàna daholo izany 😊.

💬 Ary ny zanakareo ?
Nanao ahoana ny hodiny tamin’ny vao teraka ?
👉 Nisy karazana tasy kely ve ?
👉 Niova miandalana ve ny lokony, sa ilay vao teraka iny dia ohatr’iny foana ?

Zarao eto ambany 👇😊✨

🤧🤰 Bevohoka voan’ny sery : Rehefa bevohoka,matetika misy mora tratran’ny sery ny reny satria miova ny hery fiarovan’ny v...
28/12/2025

🤧🤰 Bevohoka voan’ny sery :

Rehefa bevohoka,matetika misy mora tratran’ny sery ny reny satria miova ny hery fiarovan’ny vatana.
✅ Inona no AZO ATAO :
• Maka aina tsara (matory ampy)
• Misotro rano mafana matetika (rano tsotra,afaka manao ranomboasarimakira, afaka manao rano sakamalaho kely indray mandeha)
• Mihinana sakafo mafana sy mahasalama (lasopy, vary mafana, voankazo betsaka,sns... )
• Manadio orona amin’ny sérum physiologique na ranontsira
• Mampiasa mouchoir madio sy manasa tanana matetika
• Afaka manao evoka ranontsira ihany koa(tsy manao huile essentielle,tsy mampiasa ravina)

⚠️ Inona no TSY AZO ATAO :
• ❌ Tsy mihinana fanafody raha tsy nasain’ny mpitsabo
• ❌ Tsy mihina antibiotique samirery
• ❌ Tsy mampiasa menaka na ravina mahery fofona
• ❌ Tsy manao automédication

🚨 Rahoviana no mila manatona mpitsabo ?
• Raha misy tazo mihoatra ny 38°C
• Raha maharitra mihoatra ny 3–5 andro
• Raha misy kohaka mafy, fahasemporana, fanaintainan’ny tratra
• Raha mahatsapa reraka tafahoatra

💗 Tsarovy : Ny fikarakarana ny reny dia fikarakarana ny aina ao an-kibo ihany koa.
Inona koa no nataonao rehefa voan'ny sery?
🌺Mirary soa o! Mirary krismasy sambatra eee 🥰🎀
nakana ny rohy

Nanao ahoana ny fety tao😊AVERINA FOANA ITY FOMBA FATORY METY AMIN'NY BEVOHOKA ITY😴🤰✅ MATORY AMIN’NY LAFINY HAVIA (Tsara ...
27/12/2025

Nanao ahoana ny fety tao😊

AVERINA FOANA ITY FOMBA FATORY METY AMIN'NY BEVOHOKA ITY😴🤰

✅ MATORY AMIN’NY LAFINY HAVIA (Tsara indrindra)
▶Manatsara ny fivezivezen’ny ra ho any amin’ny zaza
▶Manampy ny voa hiasa tsara ka mampihena ny fivontosana
▶Manampy ny placenta hahazo otrikaina bebe kokoa

⚠️ MATORY AMIN’NY LAFINY HAVANANA (Azo atao fa tsy tsara loatra)
⏭Mety hanindry ireo lalan-dra lehibe
⏭Tsy dia tsara loatra amin’ny fivezivezen’ny ra

❌ AZA MATORY AMIN’NY LAMOSINA(MIANTSILANY)
▶Mety hiteraka fanina sy fanaintainan-damosina
▶Mampihena ny fivezivezen’ny ra amin’ny volana farany amin’ny fitondrana vohoka

🛏️ Torohevitra: Apetraho eo anelanelan’ny tongotra na eo ambanin’ny kibo ny ondana mba hahazoana aina kokoa rehefa matory.

MIRARY SOA🙏🤰🏻
nakana ny rohy

Address

Tsarafara Sabotsy Namehana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre de Santé Mamindra Aina -CSMA l posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram