
08/11/2024
👉Rehefa tojo olana eo amin’ny fiainana dia tena ilaina ny miresaka amin'olona mihaino, tsy mitsara, tsy manebaka ary mahatazona tsiambaratelo. Izay indrindrindra no antompisian’ny PSY POUR TOUS satria Izay rehetra tsy sahinao borahana amin'ny havana/namana dia azonao tantaraina aminay ato amin’ny PSY POUR TOUS mba hanamaivana anao.
👉Ny asanay dia tsy mihaino fotsiny fa mitari-dalana anao hahafahanao miarina, Manolo-kevitra. Manampy anao hatoky tena sy hanana fijery miabo ary handini-tena ahafantaranao ny lesoka nataonao.
Raha misy olana tianao zaraina aminay ary dia manasa anao handefa MP fa hanampy anao izahay.
30 000 Ar ny saran ny consultation mandritra ny iray volana ato aminay. Manaraka ny fivoaranao izahay ary miresaka aminao matetika mandritra ny iray volana.
Marihina moa fa ny olona manantona Psychologue dia olona mila fanohanana satria mandalo sendra eo amin ny fiainana fa tsy olona adala na tsy ampy saina akory.