15/05/2026
🎁💯 Hetsika Fitiliana maimaimpoana ny vozon’ny tranonjaza!
💖 Tandremo ny fahasalamana!
💃🙏 RAVEHIVAVY! Aza atao ambany maso tsy hita na ambany foitra tsy zahana ny vozon’ny tranonjaza ho anareo efa misitraka firaisna ara-nofo hampifaliana ny vadinareo.
🕺🙏 RALEHILAHY! Aza variana mamita adidy sy maka fahafinaretana fotsiny fa ento ny olon-tianao hotilina fa tsy mbola misy ny pièces d'occasion na d'origine hasolo ny vozon'ny tranon-jaza raha sendra ahitana homamiadana.
👫🎁 VAOVAO MAHASOA!
fitiliana mialoha no fomba tsara indrindra hisorohana ny homamiadana.
📅 Oviana: 18-19-20 Mey 2026
📍 Aiza: CHRD Itaosy
🔹 Fitiliana ny vozon’ny tranonjaza.
🔹 Fandraisana an-tanana maimaimpoana.
👩❤️👩 HAFATRA MAHASOA ANAREO.
"Andao hiray hina hiady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza!"
Tageo ny namanareo MAVITRIKA ARA-PANANAHANA fa tena ilainy ito tolotra ito.
☎️ Raha mila fanazavana fanampiny, abonneo ny pejy.