Mamy Nutrition

Mamy Nutrition "Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition"🤗🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Te hihena ve ianao?Ireto no tena zava-dehibe tokony ho fantatrao! ☺️Maro no mieritreritra fa mila “regi...
16/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Te hihena ve ianao?
Ireto no tena zava-dehibe tokony ho fantatrao! ☺️

Maro no mieritreritra fa mila “regime drastique” na fanafody manokana vao afaka mihena. Ny marina anefa dia tsotra kokoa noho izany, mila fomba fanao maharitra sy voalanjalanja.

👉 Mihinàna sakafo voalanjalanja
Aza esorina tanteraka ny sakafo, fa fehezo ny fatrany ary ampifanaraho amin’ny filàn’ny vatanao. Samy hafa ny vatana tsirairay ka zava-dehibe ny mahafantatra ny portion mety aminao.
Ampitomboy:
✔️Legioma sy voankazo 🍎🥦
✔️Proteinina (atody, trondro, tsaramaso) 🍳🐟
✔️Ahena ny siramamy sy ny sakafo matavy be

👉 Mihetsiketsika isan’andro
Tsy voatery hanao sport mafy. Ny zava-dehibe dia:
✔️Mandeha tongotra 🚶
✔️Manao fanazaran-tena kely🏃

👉 Misotroa rano betsaka💧💧
Indraindray ny vatana dia mangataka rano fa tsy sakafo.
Ny rano dia manampy:
✔️Hampihena ny hanoanana diso
✔️Hanadio ny vatana

👉 Manaova ampy torimaso tsara : ny tsy fahampian-torimaso dia mety hampitombo ny fahazotoan-komana sy ny lanja.😴

👉 Aza maika, ataovy tanjona maharitra ny fihenan-danja tsara dia:
✔️ Miadana - Maharitra - Tsy mampijaly ny vatana

👍Tadidio: Ny tanjona dia tsy hoe “mihena fotsiny”, fa miaina salama sy mahazo aina amin’ny vatanao.

💬 Raha liana hahafantatra ny portion mety amin’ny toe-batanao ianao na mila plan alimentaire personnalisé mifanaraka aminao, dia aza misalasala mandefa hafatra miafina ato amin’ny pejy.

🌸 Nutrion - Santé - Beauté avec Mamy Nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸👉Matetika isika mieritreritra fa sarotra ny mihinana ara-pahasalamana…hoe mila mifady na manaraka fitsi...
15/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

👉Matetika isika mieritreritra fa sarotra ny mihinana ara-pahasalamana…hoe mila mifady na manaraka fitsipika henjana.

Kanefa raha ny marina, ny mihinana tsara dia fitadiavana fifandanjana fotsiny ihany.

👉Asio sakafo isan-karazany ao anaty lovia :
✔️ Legioma🥦🥬🥒🍅
✔️ Proteinina🥚🥩🦞🍗
✔️ Féculents (toy ny vary, paty, mofo)🍞🍚

Eny, azonao atao tsara ny mankafy sakafo tianao, mihinana amin-kafaliana, mizara fotoana miaraka amin’ny hafa manodidina ny sakafo.
💪Satria ny mifady be loatra dia tsy maharitra.

💬 Ny tena zava-dehibe ? Henoy ny vatanao.
✔️ Mihinàna rehefa noana.
✔️ Atsaharo rehefa voky.

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.l fa vonona ny hanampy anao my ato amin'i Mamy nutrition 🥰

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸 “Ballonné foana ve ianao rehefa avy misotro ronono ? Ary raha misy zavatra tian’ny vatanao holazaina a...
14/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

“Ballonné foana ve ianao rehefa avy misotro ronono ? Ary raha misy zavatra tian’ny vatanao holazaina aminao…”

Mieritreritra ve ianao fa ara-dalàna ny marary kibo rehefa avy misotro ronono ?🤔
👉 Tsy voatery ho izany.

💡 Ireto avy ny famantarana fa mety tsy mahazaka lactose ianao :
✔️ Miziriziry be ny kibo(ballonnemets fréquents)
✔️ Marary kibo
✔️ Misy rivotra ny kibo (gaz)
✔️ Mivalana rehefa avy misotro ronono na mihinana vokatra misy ronono

🧠 Fa maninona no mitranga izany ?
Mety tsy ampy lactase ny vatanao, ilay enzyme manampy amin’ny fandevonana lactose (siramamy ao anaty ronono).
👉Vokany : sahirana ny fandevonan-kanina… dia miseho ireo soritr’aretina 😬

👍 Tsara ho fantatra :
✔️ Tsy voatery esorina tanteraka ny vokatra avy amin’ny ronono !
✔️ Misy amin’izy ireny no mora zakaina kokoa (toy ny yaourt na fromage efa masaka tsara)

💬 Lazao amin’ny commentaire :
Mahatsapa ireo soritr’aretina ireo ve ianao ?
👉Zarao ity publication ity mba hohitan'ireo namanao

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Ary ahoana raha ny legioma no tena manova ny fahasalamanao ? 🍅Matetika isika no manilika azy… nefa ny l...
13/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Ary ahoana raha ny legioma no tena manova ny fahasalamanao ? 🍅

Matetika isika no manilika azy… nefa ny legioma no fototry ny sakafo voalanjalanja sy vatana salama.🍅🥬

👉 Ity no ohatra amin’ny lovia voalanjalanja androany :
Haricots verts, voatabia, patate douce ary galette vita amin’ny hena nototoina miaraka amin’ny atody sy legioma.
Tsotra, nefa voahevitra ara-tsakafo sy mahasoa ny vatana.

💡 Inona marina no anjara asan’ny legioma ?🥒🥕🥦
✔️ Miaro ny vatana : manankarena antioxydants izay miady amin’ny aretina
✔️ Manatsara ny fandevonan-kanina : noho ny fibres ilain’ny tsinay
✔️ Manampy fahafenoana : mampihena ny filàna mihinana tafahoatra
✔️ Manatsara ny angovo : manampy ny vatana hiasa tsara isan’andro

👍 Zava-dehibe tokony ho fantatra :
Ny sakafo tsy misy legioma dia tsy voalanjalanja ary tsy ampy otrikaina.
Fa rehefa ampiana legioma, ny sakafo dia lasa feno, mahavoky ary manohana ny fahasalamana.

👉 Ao anatin’ity lovia ity :
✔️Ny haricot vert dia manome fibres sy fahamaivana🌿
✔️Ny voatabia dia loharanon’ny vitamina sy miaro ny hery fiarovana🍅
✔️Ny patate douce dia manome angovo maharitra🍠
✔️Ny hena sy atody dia manome proteinina ilaina amin’ny hozatra🥩

💙 Torohevitra : Ataovy tanjona ny mihinana legioma manarona ny antsasaky ny lovianao isaky ny sakafo.

👉 Ny fahasalamana dia tsy vokatry ny fiovana tampoka,fa avy amin’ny safidy tsara sy maharitra atao isan’andro.

💚 Manomboka amin’ny zavatra tsotra… toy ny fampidirana legioma bebe kokoa amin’ny sakafo

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Fantatrao ve fa isan’ny sakafo feno indrindra ny atody ? 🥚🥚Manankarena protéine tsara kalitao, vitamina...
11/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Fantatrao ve fa isan’ny sakafo feno indrindra ny atody ? 🥚🥚

Manankarena protéine tsara kalitao, vitamina (A, D, B12) ary otrikaina ilaina izy, ka manampy amin’ny fitazonana angovo, fanamafisana hozatra ary fanatsarana ny fahasalamana.💪

💡 Ny fihinanana sakafo voalanjalanja dia midika hoe mahafantatra ny habetsahana sahaza hohanina, arakaraka ny filàn’ny vatana.

Ny régime dia mahomby kokoa rehefa mifanaraka amin’ny vatanao, ahitana sakafo isan-karazany ary azo arahina maharitra.

👉 Mizara aminao aho hevitra 8 momba ny sakafo voalanjalanja misy atody, mety amin’ny andavanandro :
✔️ Sakafo maraina
✔️ Sakafo atoandro
✔️ Sakafo hariva

✅ Ny tsiambaratelo : fifandanjana, fahasamihafana ary fatra mifanaraka.
Ny fihinanana ara-pahasalamana dia tsy midika hoe mifady, fa misafidy tsara izay hanome hery ny vatanao.

🔥 Atombohy dieny anio ny mampiditra sakafo tsotra, mahavelona ary mahasoa amin’ny fiainanao andavanandro !

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.l fa vonona ny hanampy anao my ato amin'i Mamy nutrition 🥰

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Maninona ianao no reraka foana, na dia efa misakafo betsaka aza?Matetika isika mieritreritra fa ny habe...
10/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Maninona ianao no reraka foana, na dia efa misakafo betsaka aza?

Matetika isika mieritreritra fa ny habetsahan’ny sakafo no zava-dehibe… nefa tsy izany akory.
👉 Ny tena ilaina dia ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina.

🚨Raha tsy voalanjalanja tsara ny sakafo:
✔️ Mora reraka ny vatana😩
✔️ Tsy mifantoka tsara ny saina🥱
✔️ Mihena ny énergie mandritra ny andro

💡 Fa raha misafidy tsara ianao:
✔️ Miasa tsara kokoa
✔️ Mifantoka tsara💆
✔️ Mahazo hery mandritra ny andro 💪

👉 Mila misafidy sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ianao.
Ny trondro, ohatra, dia anisan’ny sakafo tena ilaina ampiarahana amin'ny légumes sy vary🐟🍚🍅🥒:
✔️Manome hery (protéines)
✔️Miaro ny fo ❤️
✔️Manatsara ny fiasan’ny atidoha 🧠

👍 Tsotra + Voalanjalanja + Matsiro
Tsy mila recette sarotra ianao vao mikarakara ny vatanao 💯

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.l fa vonona ny hanampy anao my ato amin'i Mamy nutrition 🥰

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸 Ary ahoana raha tsotra kokoa noho ny eritreretinao ny mihinana ara-pahasalamana ? 🤔Jereo ity lovia ity...
09/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Ary ahoana raha tsotra kokoa noho ny eritreretinao ny mihinana ara-pahasalamana ? 🤔

Jereo ity lovia ity, sakafo tsotra, voajanahary ary mahomby👌

👉 Mihevitra foana ve ianao fa ny mihinana équilibré = fameperana ?

Ity ny ao anaty loviako androany 👇
✔️Vary mena : manome angovo maharitra🍚
✔️ Henan-kisoa (filet) : proteinina ho an’ny hozatra🥩
✔️Karoty + voasary makirana : vitamina + fahatsiro vaovao🥕
✔️Anana sautena miaraka amin’ny menaka kely : fibre + tsiro🥬

👍 Tsotra + Voalanjalanja + Matsiro
Tsy mila recette sarotra ianao vao mikarakara ny vatanao 💯

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.l fa vonona ny hanampy anao my ato amin'i Mamy nutrition 🥰

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸 Fantatrao ve fa ny fahasalamanao dia miankina betsaka amin’izay apetrakao ao anaty lovianao isan’andro...
08/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Fantatrao ve fa ny fahasalamanao dia miankina betsaka amin’izay apetrakao ao anaty lovianao isan’andro? 😊

👉Indrindra amin’ny hariva, fotoana ialan’ny vatana sasatra sy anaovany récupération, ka ilaina ny misafidy sakafo maivana sy voalanjalanja.

💡 Inona àry no maha samy hafa ny sakafo atoandro sy hariva?
Ny sakafo hariva dia tokony:
💙 Maivana
💙 Mora levona
💙 Tsy be glucide (toy ny vary fotsy na vomanga be loatra)

👍Tsarovy: Ny sakafo mavesatra amin’ny alina dia mety hitarika:
✔️Fitomboan-danja
✔️Fahasarotan’ny torimaso
✔️Fikorontanan’ny fandevonan-kanina

🥗 Idée dîner équilibré androany:
✔️ Trondro nandrahoina (rano + menaka 1 sotro kely, na tsy ampiana menaka akory)
✔️ Anana sy tongolo (manankarena vitamine)
✔️ Vary mena (amin’ny fatra voalanjalanja)

💚 Torohevitra kely:
👉 Aza misakafo tara loatra (miezaha hihinana 2-3 ora alohan’ny hatory)
👉 Mihinàna am-pahendrena, tsy amin’ny habetsahana fa amin’ny kalitao

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.l fa vonona ny hanampy anao my ato amin'i Mamy nutrition 🥰

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Vita indray ny fety… fa aza hadino foana ny fahasalamana! 💚Taorian’ny fihinanana sakafo matavy sy mamy ...
07/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Vita indray ny fety… fa aza hadino foana ny fahasalamana! 💚
Taorian’ny fihinanana sakafo matavy sy mamy be nefa tsy ampy légumes, dia ilaina ny miverina amin’ny sakafo voalanjalanja sy mahasalama 🥗

👉 Ity misy ohatra tsotra nefa feno otrikaina:
✔️ Atody 🍳 (protéines)
✔️ Vomanga 🍠 (énergie sy fibres)
✔️ Tomate 🍅 (vitamines)
✔️ Carotte 🥕 (bonne pour ny peau sy ny maso)

👉 Sakafo mora atao, matsiro, ary manampy anao hamerina ny équilibre ao amin’ny vatana

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Amin’izao fankalazana ny Pâques izao dia faly miarahaba antsika rehetra 🥰👉 Indro zaraiko aminareo eto i...
05/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Amin’izao fankalazana ny Pâques izao dia faly miarahaba antsika rehetra 🥰

👉 Indro zaraiko aminareo eto indray ireo hevitra sakafo voalanjalanja 4 izay nozaraina nandritra ity herinandro ity, ho fanampiana anareo amin’ny fikarakarana sakafo mahasalama isan’andro.

Ireo dia natao hanohanana:
✔️Ny fahasalamana ankapobeny
✔️Ny rééquilibrage alimentaire
✔️Ny perte de poids na prise de masse

💙Mirary fety sambatra ho antsika rehetra e! Samy hotahian’Andriamanitra daholo 🙏
Ankafizo ny fety fa aza adino ny fahasalamana 🥰

📩 Raha mila: Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao) na toro-hevitra momba ny nutrition dia aza misalasala mandefa message privé.

🌸 Nutrition -Santé-Beauté avec Mamy nutrition 🌸

.Salama aby ôoh 🤗🌸“Tena tsy azo hohanin’ny olona manena vatana ve ny vary fotsy?” 🤔👉 Valiny: TSIA. Tsy voatery esorina a...
04/04/2026

.Salama aby ôoh 🤗🌸

“Tena tsy azo hohanin’ny olona manena vatana ve ny vary fotsy?” 🤔

👉 Valiny: TSIA. Tsy voatery esorina amin’ny sakafo ny vary fotsy rehefa manena vatana, indrindra raha tsy mora aminao ny mahita na mihinana vary mena.

💡 Ny tena zava-dehibe dia:
✔️ Ny habetsahan’ny sakafo (portion)
✔️ Ny fifandanjan’ny sakafo (équilibre alimentaire)

👉 Midika izany fa:
✔️ Afaka mihinana vary fotsy ianao
✔️ Raha voafehy tsara ny habetsany
✔️ Ary ampiarahana amin’ny légumes sy protéines (hena, trondro, atody, tsaramaso…)

⚠️ Tsarovy:
🔸 Na dia vary mena aza dia tsy hampihena lanja raha be loatra no hohanina
🔸 Tsy misy sakafo “mahagaga” mampihena lanja irery

🔑 Ny lakilen’ny fahombiazana:
✔️ Portion adaptée
✔️ Alimentation équilibrée
✔️ Activité physique régulière

🚨 Zava-dehibe: Tsy sakafo tokana no mamaritra ny lanja, fa ny fomba fiaina manontolo (habits alimentaires + activité + sommeil).

📩 Raha mila:
👉 Plan alimentaire personnalisé (mifanaraka amin’ny toe-batana, fahasalamana ary tanjonao)
👉 Na toro-hevitra momba ny nutrition
dia aza misalasala mandefa message privé.

Mazotoa daoly 🥰
👉 Araho ny pejy raha te hahazo recettes équilibrées sy toro-hevitra isan’andro!

🌸 Nutrition • Santé • Bien-être avec Mamy Nutrition 🌸

Salama aby ôoh!🤗🌸Inona no tena sakana ho anao amin' ny fanaovana rééquilibrage alimentaire?Ny fanaovana rééquilibrage al...
02/04/2026

Salama aby ôoh!🤗🌸

Inona no tena sakana ho anao amin' ny fanaovana rééquilibrage alimentaire?

Ny fanaovana rééquilibrage alimentaire dia tsy hoe mifady hanina akory, fa mihinana sakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana, izany hoe mifanaraka tsara amin’ny toe-batanao sy ny toe-pahasalamanao ny sakafo hohanina sy ny fatrany. 🍽️💙

Tsy ny mihinana kely no tanjona… fa ny mihinana tsara sy amin’ny fatra mety 💚
👉Ao anatin’ity lovia ity dia hita daholo ireo singa ilain’ny vatana :

✔️ Protéine ampy sy tsara kalitao: emincé filet de porc maigre nendasina tamin’ny menaka oliva.🍖
Ny protéine dia ilaina amin’ny fananganana sy fanarenana ny sela (hoditra, hozatra, volo…). Zava-dehibe ny mihinana azy ampy isaky ny sakafo.

✔️ Lipide tsara : nenaka oliva ampiasaina amin’ny fandrahoana: ilaina amin’ny hormonina, ny fahasalaman’ny hoditra ary ny fandraisan’ny vatana vitamina.🌱🌱

✔️Glucide : vary mena na vary fotsy, izay Azo soloina vomanga na ovy (fa amin’ny fatra voafetra).🍚🍠🥔
Ny glucide no loharanon-kery ho an’ny vatana, manome angovo maharitra raha voalanjalanja ny habetsahana.

✔️ Fibre sy vitamina : sosety nandrahoina tamin’ny etona na amin' ny rano kely + Karoty nampiana ranona voasarimakirana🥕🍋
Ny fibre dia manampy amin’ny fandevonan-kanina tsara, mampahavoky ela ary manampy amin’ny fitovian’ny siramamy ao anaty rà.

💡 Torohevitra ho an’ny rééquilibrage :
Fenoy legioma ny antsasaky ny lovia, ¼ protéine, ¼ glucide complexe.

📩 Raha mila plan alimentaire personnalisé ( mifanaraka amin'ny toe-batana, toerana, toe-pahasalamana ary tanjona)na toro-hevitra momba ny nutrition ianao dia aza misalasala mandefa message privé.

Mazotoa daoly! 🥰
👉 Aza adino ny manaraka ny pejy hahazoanao recettes équilibrées isan’andro.

🌸 Nutrition • Santé • Beauté avec Mamy Nutrition 🌸

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mamy Nutrition posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share