30/07/2025
Salama daholo o🥰
👉👉 Ireto ny Zavatra TOKONY ho fantatry ny ray aman-dreny rehetra momba ny vaksiny atao @ zanatsika
In-6 no isan'ny fiverimberenana @ tobim-pahasalamana na CSB 2
1) Vao teraka hatramin'ny faha-15 Andro ny Zaza
Vaksiny BCG tsindrona amin'ny sandry +
Polio am-bava indroa mitete
2) 1 Volana sy tapany ny Zaza
Vaksiny 2 amin'ny fe (PCV-10 /DTC )
Polio am-bava indroa mitete
Rota tsetsafin'ny Zaza 5ml
3) 2 volana sy tapany
Vaksiny 2 amin'ny fe (PCV-10 / DTC)
Polio am-bava indroa mitete
Rota tsetsafin'ny Zaza 5ml
4) 3 Volana sy tapany
Vaksiny 3 amin'ny fe (PCV-10/DTC /VPI 1)
Polio am-bava indroa mitete
5) 9 Volana
Tsindrona 1 amin'ny fe (VPI 2)
Tsindrona 1 amin'ny sandry (VAR 1)
6) 15 Volana
Tsindrona 1 amin'ny sandry (VAR 2)
Vita Ireo rehetra Ireo dia Azo antoka fa ho Salama tsara ny zanatsika SatriA voasoroka amin'ny alalan'ireo ny aretina mahafaty Zaza tsy misy fanafana ary mahazo diploma ny zanatsika avy eo🥰.