Ordre National des Odonto-Stomatologistes de Madagascar ONOS

Ordre National des  Odonto-Stomatologistes  de Madagascar ONOS L'Ordre National des Odonto-Stomatologistes de Madagascar (ONOS) est l'organe qui régule la profession dentaire à Madagascar.

Il veille à l'organisation, au bon exercice, à la déontologie et à la représentation de tous les chirurgiens-dentistes.

🙏 FANKASITRAHANA HO AN’IREO PROTHÉSISTES DENTAIRESMankasitraka ireo prothésistes dentaires rehetra izay nametraka fangat...
21/12/2025

🙏 FANKASITRAHANA HO AN’IREO PROTHÉSISTES DENTAIRES

Mankasitraka ireo prothésistes dentaires rehetra izay nametraka fangatahana fisoratana anarana tao amin’ny ONOS.

📊 Vokatra vonjimaika :
✔️ 64 % nahafeno fepetra
⏳ 32 % mbola eo an-dalam-panitsiana
⚠️ 4 % nolavina satria tsy mahafeno fepetra

👉 Manamafy ny fiaraha-miasa ara-dalàna eo amin’ny mpitsabo nify sy ny prothésistes ny ONOS, ary mandà ny tsy fanarahan-dalàna sy ny korontana.

📈 Hisy fanamafisana fahaiza-manao ho fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny taona ho avy.

🤝 Miaraka isika miaro ny fahasalaman’ny Malagasy.

📢 ANTSO HO AN’IREO PROTHÉSISTES DENTAIRESAmpahafantarina ireo prothésistes dentaires izay nametraka fangatahana fisorata...
19/12/2025

📢 ANTSO HO AN’IREO PROTHÉSISTES DENTAIRES

Ampahafantarina ireo prothésistes dentaires izay nametraka fangatahana fisoratana anarana tao amin’ny Ordre National des Odonto-Stomatologistes de Madagascar (ONOS) fa vita ny fandinihana ny antontan-taratasin’izy ireo.

👉 Koa asaina manatona na mifandray amin’ny Sekretera ao amin’ny ONOS izy ireo, mba hahafantarana ny valin’ny fandinihana sy ny dingana manaraka.

📍 Toerana : Eden Space Ambatoroka, akaikin’ny Clinique Saint Paul
📞 Tél : +261 38 13 303 03

Miangavy ny tsirairay hiantso sy hanatona haingana .

Misaotra tompoko.

17/12/2025
FANAMBARANA OFISIALYManoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy ny hetsika fitakiana ataon’ny olona sasany milaza  ho mpan...
17/12/2025

FANAMBARANA OFISIALY

Manoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy ny hetsika fitakiana ataon’ny olona sasany milaza ho mpanao solonify LOVANDRAZANA, tsy manana diplôme na attestation ara-dalàna. Ny Holafitra dia manao izao fanambarana manaraka izao :

1️-Ny Ordre dia tsy manohitra ny fampiharana ny asa
Tsiahivina fa manohana tanteraka ny fampiharana ny asa ataon’ireo mpanao solonify nahavita fiofanana sy manana fanamarinana ara-dalàna ny Holafitra, araka ny lalàna mifehy ny asa ara-pahasalamana : Didim-panjakana laharana faha-2017-901.
2️-Tsy ekena intsony ny fanakorontanana sy ny asa tsy ara-dalàna
Tsy azo ekena ny fanaovana asa tsy misy fiofanana voamarina, ny fidirana mivantana miasa ao ambava izay asa voatokana ho an’ny mpitsabo nify, ary ny fampiasana akora sy fitaovana tsy ara-dalàna, izay mametraka loza mivantana ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka.
3️-Dingana efa nomanina sy nampahafantarina mialoha
Nanomboka tamin’ny volana Aogositra 2025, ny Holafitra dia efa nanao fanazavana, fanentanana, fiantsoana ofisialy ary nanokatra làlana ho amin’ny fisoratana anarana sy fanarahan-dalàna.
Noho izany, tsy hetsika tampoka no tanterahina fa fampiharana lalàna.
4️-Fepetra ara-dalàna:
Ireo izay mbola manohy ny asa tsy ara-dalàna, na efa nampahafantarina sy nampitandremana aza, dia iharan’ny Lalàna mifanaraka amin’izany.
5️-Antso ho amin’ny fahatoniana sy ny fanajana ny lalàna
Ny Holafitra dia miantso ny rehetra hanaja ny lalàna, hisafidy ny làlan’ny fanarahan-dalàna, ary handray anjara amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.
Ny tanjon’ny Holafitra dia tokana :
« fiarovana ny marary, fanajana ny lalàna, fampiroboroboana asa ara-pahasalamana matihanina sy tompon’andraikitra »
Ny fahasalaman’ny vahoaka no laharam-pahamehana.

DÉCLARATION OFFICIELLE

Face à la situation actuelle et aux mouvements de revendication menés par certaines personnes se déclarant prothésistes dentaires, sans diplôme ni attestation légalement reconnus, l’Ordre tient à faire la déclaration suivante :

1️- L’Ordre n’est pas opposé à l’exercice de la profession

L’Ordre réaffirme qu’il soutient pleinement l’exercice de la profession de prothésiste dentaire par les personnes titulaires d’un diplôme ou d’une attestation reconnue, conformément aux textes régissant les professions de la prothésiste dentaire : Décret n°2017-901 du 17 octobre 2017.

2️- Le désordre et l’exercice illégal ne sont plus acceptables
L’exercice sans formation reconnue, les interventions directes dans la cavité buccale, actes réservés aux chirurgiens-dentistes ainsi que l’utilisation de matériaux et de dispositifs non conformes, constituent des pratiques illégales mettant directement en danger la santé publique.
3️- Une démarche progressive, légale et transparente
Depuis Aout 2025, l’Ordre a mené des actions d’information, de sensibilisation, de convocations officielles et a ouvert des voies de régularisation. Les mesures actuellement mises en œuvre ne sont ni soudaines ni arbitraires, mais s’inscrivent dans une application normale et anticipée de la loi.
4️- Mesures disciplinaires et judiciaires
Toute personne qui persistera à exercer illégalement, malgré les informations et mises en demeure, s’exposera aux mesures disciplinaires et aux poursuites prévues par la loi.
5️- Appel au respect de la loi et à la responsabilité collective

L’Ordre appelle l’ensemble des acteurs concernés au calme, au sens de la responsabilité et au respect des règles, dans l’intérêt supérieur de la protection des patients et de la santé publique.
La mission de l’Ordre est claire et inchangée :
Protéger les patients, faire respecter la loi, promouvoir des pratiques professionnelles sûres, éthiques et responsables
La santé publique demeure la priorité absolue.

TSY KILALAO NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA, TSY FIARA , TSY TANY KA IFANDOVANA!!❌ Tsy zo ny manao asa ara-pahasalamana raha t...
17/12/2025

TSY KILALAO NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA, TSY FIARA , TSY TANY KA IFANDOVANA!!

❌ Tsy zo ny manao asa ara-pahasalamana raha tsy misy fiofanana.
❌ Tsy lova ny miditra miasa ao ambavan'olona.
❌ Tsy ekena ny korontana.

👉 Avela sy tohanana ny mpanao solonify manana diplôme na attestation ara-dalàna ary hamoraina ny fahafahany miasa.
❌ Atsahatra ny asa an-tsokosoko, ny voretra, ny fanaovana dokambarotra mampidi-doza.

⚠️ Solonify tsy ara-dalàna =
🦠 aretina
😖 fanaintainana
🚨 loza ho an’ny fiaraha-monina

📢 Efa nisy fanazavana, efa nisy fampitandremana.
👉 Ankehitriny dia fampiharana lalàna hoan'ireo diso lalana.

🤝 Antsoina isika :
Tohano ny filaminana sy ny fandaminana hoan'ny tombotsoa iombonana.
Tohano ny fahaiza-manao sy ny olona niezaka, nianatra.
Sarobidy ny aina ka tsy hoviraviraina sy ifandovana.

📌 Ny fahasalaman’ny vahoaka aloha.
📌 Tsy ekena intsony ny “bordel”.
📌 Hoan'ny rehetra ny Lalàna.

HO AN’NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA, AOKA ISIKA HIFANOME TANANANy asa ara-pahasalamana, indrindra ny mikasika ny nify sy ny ...
17/12/2025

HO AN’NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA, AOKA ISIKA HIFANOME TANANA

Ny asa ara-pahasalamana, indrindra ny mikasika ny nify sy ny vava, dia tsy azo anaovana andrana.
Tsy lova izy io, tsy atao tandrametaka, fa mitaky fahaizana sy fanarahan-dalàna.

Ny lalàna dia mazava : Ny mpanao solonify manana diplôme na attestation, voasoratra ara-dalàna ary miasa miaraka amin’ny mpitsabo nify ihany no azo itokisana.

⚠️ Ny fanaovana solonify tsy ara-dalàna dia mety hiteraka :

– aretina sy fivontosana,
– fanaintainana maharitra,
– fahasimban’ny nify sy ny vava,
– loza ho an’ny fahasalaman’ny rehetra.

Antso ho an’ny rehetra :
✔️ Safidio ny matihanina ara-dalàna
✔️ Anontanio raha misy diplôme sy fahazoan-dalana
✔️ Aza manohana asa tsy ara-dalàna
✔️ Ampahafantaro ny manodidina anao

🙏Tsy fanenjehana olona no tanjona, fa fiarovana ny aina sy ny fahasalamana.

Ny fahasalaman’ny vahoaka aloha.

14/12/2025

📢 MAHAJANGA | RENCONTRE PROFESSIONNELLE

Dans le cadre d’une mission officielle, le Bureau de l’Ordre National des Odonto-Stomatologistes, conduit par le Président Dr RABEMANANJARA Daniel, sera en séjour à Mahajanga durant la semaine du 15 décembre 2025.

À cette occasion, une rencontre formelle et informelle sera organisée avec l’ensemble des acteurs de la profession dentaire :
Odonto-stomatologistes - Prothésistes dentaires - Fournisseurs et partenaires du secteur dentaire.

Cette rencontre s’inscrit également dans le cadre de la célébration de la sortie de Promotion HAVANA, réunissant les Odonto-stomatologistes ayant soutenu avec succès leur thèse de Doctorat en Chirurgie Dentaire durant la semaine du 8 décembre 2025.

🎓👏 Félicitations à toute la Promotion HAVANA pour cette étape majeure de leur parcours professionnel !

🙏 Nous adressons également nos vifs remerciements à AFG Banque pour son précieux soutien à l’Ordre, ainsi que pour les cadeaux offerts aux trois premiers lauréats de la promotion sortante.

Les détails pratiques de la rencontre seront communiqués très prochainement.

👉 Membres de l’Ordre, partenaires et acteurs du secteur dentaire à Mahajanga : restons mobilisés pour ce moment d’échanges, de partage et de convivialité au service de la profession.

Ordre National des Odonto-Stomatologistes

Send a message to learn more

📢 FAMPAHAFANTARANAHikatona mandritra ny fialantsasatra faran’ny taona ny Biraon’ny Holafitra eo Ambatoroka manomboka ny ...
14/12/2025

📢 FAMPAHAFANTARANA

Hikatona mandritra ny fialantsasatra faran’ny taona ny Biraon’ny Holafitra eo Ambatoroka manomboka ny 22 Desambra 2025 ka hatramin’ny 10 Janoary 2026.
Hisokatra indray ny Alatsinainy 12 Janoary 2026.

📞 Antsoy misy raharaha maika ny : 038 13 303 03

🎄 Ny Biraon’ny Holafitra dia mirary anareo rehetra Krismasy Sambatra sy Taom-baovao; Mirary fahasalamana, fahombiazana ary fiadanana.

MANKASITRAKA ANAREO! 🙏🦷Mpanao solonify sy Laboratoire fanamboarana solonify ary Assitant (e)s Dentaires nahavita fiofana...
30/11/2025

MANKASITRAKA ANAREO! 🙏🦷
Mpanao solonify sy Laboratoire fanamboarana solonify ary Assitant (e)s Dentaires nahavita fiofanana, misaotra tamin’ny fahavononanareo hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna sy hiara-hiasa akaiky amin’ireo Mpitsabo nify sy ati-vava manerana an’i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Holafitry ny Mpitsabo Nify sy Ati-vava.

📌 Ny antontan-taratasy rehetra nalefanareo dia hojerena amim-pahamalinana sy cas par cas, ary hifandray mivantana aminareo izahay amin’ny dingana rehetra.

🔷 Ny soatoavina ijoroan’ny Biraon’ny Holafitra:

Marina — Mahitsy — Mampiray

➡ Marina : Fahamarinana sy mangarahara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra
➡ Mahitsy : Fanomezana toro-lalana tsy manasarotra ny fampanarahan-dalàna
➡ Mampiray : Fampivondronana ny fahaiza-manaontsika rehetra ho tombontsoa iombonana

Tsy hanao gaboraraka izahay, hanome fanazavana mazava raha sanatria misy fangatahana nolavina.

🤝 Hery iray, Tanjona tokana:

Mpitsabo nify 🩺 Mpanao solonify 🔧🦷 Assistant(e) dentaire 🎓
👇
Hiray hina, hanangana rafitra matanjaka ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ati-vava eto Madagasikara!

Address

Eden Space Ambatoroka, Près Clinique Saint Paul, Antananarivo
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ordre National des Odonto-Stomatologistes de Madagascar ONOS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram