Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara

Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara Destisterie
Consultation Général
Échographie
Planning familial
Accouchement
Circoncision à l'américaine
Petit Chirurgie
Tél : 034 46 618 87

01/05/2026
🔥 “ALEO HO TATAKA HO AZY VE SA ALEO TATAHANA ?”Io no fanontaniana mahasarotra safidy rehefa eo am-piterahana…Vehivavy ir...
29/04/2026

🔥 “ALEO HO TATAKA HO AZY VE SA ALEO TATAHANA ?”

Io no fanontaniana mahasarotra safidy rehefa eo am-piterahana…

Vehivavy iray niteraka: efa hita mazava fa tsy ho tafavoaka tsara ny zaza.
Nampiomana ny mpampivelona: “Hotatahako ianao…”
Fa hoy izy: ❌ “Aleo ho tataka ho azy…”

❗ Fa tena tsara kokoa ve izany?
👉 Ny marina:
✔️ Ny tataka ho azy (déchirure) dia mety ho tsy voafehy → mety lalina, tsy milamina, sarotra sitranina , mety hihitatra hatrany amin'ny lava-body
✔️ Ny épisiotomie (tatahana) kosa dia voafehy sy madio → mora tsaboina, ary matetika atao raha misy antony ara-pahasalamana (zaza sahirana, lalan-kivoahana tery, sns)

💡 Tsy midika akory hoe atao foana ny épisiotomie,
fa rehefa ilaina dia mety ho safidy MIARO kokoa noho ny hoe miandry fotsiny ny ho tataka tsy voafehy.

⚖️ Ka inona no tsara indrindra?
➡️ Tsy “izay tianao” na “izay mampatahotra anao”
➡️ Fa izay manome fiarovana indrindra ho anao sy ny zaza

👩‍⚕️ Matokia ny mpitsabo sy ny mpampivelona rehefa manazava izy ireo — satria amin’io fotoana io, segondra vitsy dia mety hanova zavatra betsaka.

Inona ny hevitrao?
👉 Aleonao ho tataka ho azy ve sa manaiky épisiotomie raha ilaina?
💬 Zarao eto ambany ny safidinao sy ny traikefanao!

Rehefa eo amin'ny fiantombohan'ny vohoka eo dia matetika tratran'ity maloiloy sy mandoa ity 😫🤢🤮, matetika izy ity mitran...
28/04/2026

Rehefa eo amin'ny fiantombohan'ny vohoka eo dia matetika tratran'ity maloiloy sy mandoa ity 😫🤢🤮, matetika izy ity mitranga amin'ilay telovolana voalohany iny .
Mety hoe tsy mahaafaka azy tanteraka ireto torohevitra arosonay ireto fa fomba tsotra mety analefahana azy ihany.

💨 Avelao hiditra ny rivotra madio
Sokafy ny varavarankely mba hahazoana rivotra vaovao ao an-trano

💧 Misotroa rano betsaka
Na rano mafana na rano mangatsiaka no tianao dia afaka sotroina avokoa , rano madio tsara foana an 👌

🍋 Dite sakamalaho sy voasarimakirana
Mahasoa amin’ny fampitoniana ny kibo sy ny maloiloy

🛏️ Aza midaboka avy hatrany rehefa avy misakafo
Avelao handeha tsara aloha ny fandevonan-kanina

👃 Halaviro ny fofona mahery
Mety hampietsoka be ny maloiloy ny fofona mahery loatra (Ohatra: ranomanitra, menaka endasina,...)

🍽️ Mihinàna matetika fa amin’ny ampahany kely
Manampy ny vavony tsy ho feno loatra

✨Saropady bé ny fahasalaman'ny vehivavy bevohoka ka tandremo hatrany! Raha mitohy na miharatsy ny maloiloy (mandoa be loatra) dia manatòna mpitsabo . Aza manao dokotera tena

Zarao amin'ireo namanao izay miatrika izany amin'izao ihany koa mba hanampy azy ireo .
Ary ianareo , sendra io maloiloy io ihany koa ve sa nilamina bé? 😁 Dia inona ny nataonareo?
Araho hatrany ny pejy fa maro no torohevitra mahasoa hozaraina eto

❌Ny fitsipika eny amin'ny hôpitaly Mamela Kely ahy ianareo androany hanome  hafatra kely a💌Itanareo rehefa makany amin'n...
25/04/2026

❌Ny fitsipika eny amin'ny hôpitaly

Mamela Kely ahy ianareo androany hanome hafatra kely a

💌Itanareo rehefa makany amin'ny hôpitaly an ,dia tsara foana manaja an'ireny soratra mipetaka amin'ny rindrina ireny ,misy information ho antsika izy ireny

💌Ny zavatra afaka atao ,ny tsy azo atao

👉Mila hajaina izy ireny toy ny fananana hiombonana toy ny fandrina ,tsy atao taingimbe ohatra

👉Hajaina ihany koa Ilay oe olona iray ny mpanaraka marary iray ,fifanajana hoanareo samy marary iny

👉Misy ora famangiana ihany koa dia hajaina izy ireny

👉Dia rehefa manatitra sakafo ianareo dia tokony oe ilay marary ihany no misakafo ao amin'ilay salle na miaraka amin'ny olona iray farafaharatsiny (Neny,vady ...) fa tsy ny fianakaviana iray manontolo tonga dia mamelatra eo ambany eo

👉Dia ny zazakely tsy azo oetina any amin'ny hôpitaly fa be aretina any anefa izy ireny dia tena marefo dia sao dia mahazo aretina any

Miraro soa antsika rehetra

👶💖 FITERAHANA VOIE BASSE (FITERAHANA ARA-BOAJANAHARY) 🤰✨   Ny fiterahana amin’ny voie basse dia fomba voajanahary hivoah...
22/04/2026

👶💖 FITERAHANA VOIE BASSE (FITERAHANA ARA-BOAJANAHARY) 🤰✨

Ny fiterahana amin’ny voie basse dia fomba voajanahary hivoahan’ny zaza 👶, matetika eo anelanelan’ny herinandro faha-37 ka hatramin’ny faha-41 🤍

🌸✨ MISY DINGANA 3 LEHIBE ✨🌸

🔹 1. Dilatation (fanokafana) 💫
🤰➡️💥 Rehefa misy contraction miverimberina
➡️ Misokatra tsikelikely ny vozon-tranonjaza
➡️ Hatramin’ny 10 cm 🟢

🔹 2. Expulsion (fivoahan’ny zaza) 👶🎉
💪🤰 Manosika ny reny
➡️ 👶 Mivoaka ny zazakely
⏱️ Matetika latsaky ny 30 minitra ⏳

🔹 3. Délivrance (placenta) 🌺
➡️ Mivoaka ny placenta 🩸
⏱️ 10–30 minitra aorian’ny nahaterahan’ny zaza

💡✨ ZAVA-DEHIBE TSARA HO FANTATRA ✨💡

🔸💉 Péridurale
➡️ manamaivana fanaintainana 😌
🔸👶 96%
➡️ loha aloha no fipetraka 🧠
🔸⚕️ Mety ilaina
➡️ episiotomie ✂️ na fitaovana (forceps/ventouse) 🛠️
🔸👩‍⚕️ Fanaraha-maso akaiky ➡️ mpitsabo sy mpampivelona 💙

📌✨ TOE-JAVATRA MANOKANA ✨📌

🔸⏳ Déclenchement
➡️ raha mihoatra fotoana na misy olana ⚠️
🔸👶 Siège
➡️ zaza mipetraka, mila fitandremana 👀
🔸🩹 Tataka ➡️ mety hisy zaitra 🧵

🕒💖 AORIAN’NY FITERAHANA 💖🕒

🔸👩‍🍼👶 Arahi-maso 6 ora
➡️ hiantohana fa salama tsara ny reny sy ny zaza 🤍✨

💖🤱 Ry Reny malala…
💪 Ny vatanao dia natao hahavita izany
✨ Matokia tena
🌸 Ary miomàna tsara hatrany

🍼 ꙳𝙏𝙊𝙆𝙊𝙉𝙔 𝙁𝙊𝙃𝘼𝙕𝙄𝙉𝘼 𝙑𝙀 𝙉𝙔 𝙕𝘼𝙕𝘼 𝙈𝘼𝙏𝙊𝙍𝙔 𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙃𝘼𝙈𝙋𝙄𝙉𝙊𝙉𝙊?꙳⚠️ “Aza fohazina izy aloha fa matory tsara… tsy noana izany io”Akor...
21/04/2026

🍼 ꙳𝙏𝙊𝙆𝙊𝙉𝙔 𝙁𝙊𝙃𝘼𝙕𝙄𝙉𝘼 𝙑𝙀 𝙉𝙔 𝙕𝘼𝙕𝘼 𝙈𝘼𝙏𝙊𝙍𝙔 𝙍𝘼𝙃𝘼 𝙃𝘼𝙈𝙋𝙄𝙉𝙊𝙉𝙊?꙳

⚠️ “Aza fohazina izy aloha fa matory tsara… tsy noana izany io”
Akory aby e🙋 𝑨𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂𝒐 ny amin'izany?
A) Tsy azo fohazina mihitsy ve izy
B) Indraindray tsy maintsy fohazina
C) Avela hatory eo foana?

𝐍𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨:
→ Amin’ny aorian’ny :
♧ 𝑚𝑏𝑜𝑙𝑎 𝑘𝑒𝑙𝑦 𝑛𝑦 𝑡𝑎𝒉𝑖𝑟𝑖𝑛’𝑎𝑛𝑔𝑜𝑣𝑜 𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑧𝑎𝑧𝑎𝑘𝑒𝑙𝑦
♧ 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎𝑡𝑜𝑟𝑦 𝑙𝑎𝑣𝑎 𝑖𝑧𝑦
♧ 𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑧𝑎 𝑖𝑧𝑦 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑓𝑜𝒉𝑎 𝒉𝑎𝑛𝑔𝑎𝑡𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑜𝑛𝑜 𝑎𝑘𝑜𝑟𝑦
● Kanefa… mbola mila (isaky ny 2–3 ora) izy

🚨 𝐈𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐞 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚 :
➡️ mety ho
➡️ mety hidina ny ao amin’ny rà
➡️ mety hisy fiantraikany amin’ny (lanja ohatra)

✔️ 𝐍𝐨𝐡𝐨 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 :
👉 Amin’ny (andro vitsivitsy / 𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒗𝒐𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏𝒚)
𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐨𝐡𝐚𝐳𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨
💡 Ohatra :
• safoina malefaka ny
• anesorana kely ny akanjony
• apetaho eo aminy ny nono

⏳ 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒐𝒎𝒃𝒐𝒂𝒏𝒚 :
✔️ mifoha irery mangataka nono
✔️ mahazo lanja tsara

Félicitation dia maroroa taiza  ny zazakely, mankasitraka ho anao sy ny Ankohonanao izahay ekipa ny CSMA TSARAFARA 🙏😘🤱😍
18/04/2026

Félicitation dia maroroa taiza ny zazakely, mankasitraka ho anao sy ny Ankohonanao izahay ekipa ny CSMA TSARAFARA 🙏😘🤱😍

⚠️ FAMANTARANA LOZA MANDRITRA NY FITONDRANA VOHOKA 🤰Ry vehivavy bevohoka malala 💗, zava-dehibe ny mahafantatra ireo sign...
15/04/2026

⚠️ FAMANTARANA LOZA MANDRITRA NY FITONDRANA VOHOKA 🤰

Ry vehivavy bevohoka malala 💗, zava-dehibe ny mahafantatra ireo signe de danger mandritra ny grossesse, satria mety hampidi-doza ho anao sy ny zanakao izany.

👉 Ireto avy ireo famantarana tokony hampitandrina anao:

🚨 Mandeha rà (saignement)
➡️ Na dia kely aza dia tsy tokony atao tsinontsinona

🚨 Marary kibo mafy
➡️ Fanaintainana tsy ara-dalàna

🚨 Aretin’andoha mafy + maso manjavozavo
➡️ Mety ho tosidrà ambony

🚨 Mivonto be tampoka (tongotra, tanana, tarehy)
➡️ Mila fitandremana

🚨 Tazo na marary
➡️ Mety misy aretina

🚨 Tsy mihetsika intsony ny zaza
➡️ Mila manatona mpitsabo avy hatrany

🚨 Mivoaka rano alohan’ny fotoana
➡️ Famantarana fa misy olana

---

✅ Inona no atao?
👉 Mankanesa avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana raha misy amin’ireo
👉 Aza miandry na manao fitsabo-tena

---

💡 Tsarovy: Ny fiarovana anao dia fiarovana ny zanakao 🤱💕

Address

Tsarafara
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category