11/02/2026
📝✍ KOLO AINA
Miarahaba antsika rehetra oh 👋😊
Andao ho resahantsika kely ny mahakasika ny tosi-drà AVO androany ,
Ho fantarintsika voalohany ar aloha
I - Ireo FAMBARA mety hiseho rehefa miakatra ny tosi-drà (hypertension) 👇 :
🔹 Mety marary loha mafy, indrindra eo amin’ny atoka na ny vodin-doha
🔹 Manjavozavo na mihena ny fahitana
🔹 Maneno ny sofina
🔹 Voly ny rantsantanana sy tongotra
🔹 Misy tefi-doha
🔹 Fitempon’ny fo haingana na tsy ara-dalàna
🔹 Mety hisy fanina na faharerahana tampoka
II - ⚠️ TANDREMO
Indraindray anefa mety tsy husy soritr’aretina mihitsy ny tosi-drà miakatra.
Izany no mahatonga azy antsoina hoe *“mpamono mangina”*.
III - 👉 Raha mahatsapa ireo soritr’aretina ireo ianao, na manana ahiahy, **tsara ny manatona dokotera haingana sy mitsapa ny tosi-drà anao.
IV- URGENT ✋ : Aza miandry raha toa ka:
* Marary loha mafy be tampoka
* Misy olana tampoka ny fomba fiteny
* Tsy mahetsika tampoka ny ilam-batana
* Misy fanaintainana eo amin'ny tratra na misy fahasemporana
V- ❤️ Ireto no TOROHEVITRA hisorohana ny tosi-drà Avo :
✔️ Fadio ny sira be loatra
✔️ Mihinàna voankazo sy legioma matetika (isanandro)
✔️ Manaova fanatanjahantena tsy tapaka
✔️ Aza mifoka sigara
✔️ Fehezo ny lanja sy ny adin-tsaina
☝️ Ny fahalalana sy ny fitandremana no fiarovana voalohany.
👉 Aza adino ny mizara ity hafatra ity mba hanampiana ny hafa ho mailo ihany koa.
Araho tsy tapaka ny pejy fa mbola maro ny fizarana atao hanatsarana ny fahasalamantsika 😊
Mirary soa ho anao hatrany ! 🥰🙏
📝✍ KOLO AINA