Cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso

Cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso, Antanifotsy.

Ho an'ny mpiompy kisoa : tena ilaina be ito hamendrahana fanafody. Mety ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa.✅ Pulvéri...
24/12/2024

Ho an'ny mpiompy kisoa : tena ilaina be ito hamendrahana fanafody. Mety ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa.
✅ Pulvérisateur 1L : 16 500 Ar
✅ Pulvérisateur 2L : 17 500 Ar

02/12/2024

Ireo fepetra ara-pahasalamana tokony ho arahana amin'ny fiompiana kisoa

29/11/2024

Miarahaba ny mpanaraka ny pejy rehetra.
Misy fanamarihana kely ho antsika miantso numero mila service avy aty aminay.
Marihina fa zahay tsy mbola manana technicien(ne) miasa miaraka aminay fa Dr Vétérinaire iray ihany no ato amin'ny cabinet manao ny clinique anatiny sy ivelan'ny cabinet noho izany:
NY FITSABOANA ANY ANTRANON'NY MPIOMPY REHETRA dia SUR RENDEZ-VOUS AVOKOA:
- Ny vaksiny sy ny odikakana ary ny vitamine ho an'ny biby
- Ny fandindina kisoa na omby na alika
- Ny fer sy ny fanapahana nifi-kisoa kely
NY SERVICE D'URGENCE NO MANDEHA EO NO EO RAHA VAO MIANTSO NAREO.
Rehefa miantso tompoko dia milaza ny anaranareo sy ny toerana misy anareo ary ny service angatahanareo ianareo. Rehefa tsy urgent lay service tadiavinareo dia aleo mba amin'ny 8h ora maraina ka hatramin'ny 5h hariva no miantso.
Mankasitraka antsika rehetra amin'ny fiarahamiasa

23/11/2024

Miarahaba antsika indray e !
Ho antsika izay mitady provende HENDRIX na CONCENTRÉ DE PROTÉINE HENDRIX dia eto amin'ilay fivarotana misy soratra "Cabinet Véto Ny Soa" akaikin'ny FJKM no ahitanareo azy. Fivarotana tokana ihany no misy anay ary tsy mivoaka ivelan'ny varavarana ny sakafom-biby mba ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny biby fiompinareo sy ny kalitaon'ny sakafony.
Izahay dia manome torohevitra foana ho anareo client, indrindra ny resaka fahasalaman'ny biby fiompy sy ny sakafony.

Fotoam-pambolena izao ka andao hamboly ary e. Matsiro be izy io sady betsaka hery fiarovana. Atoronay anareo ny fomba fa...
26/10/2024

Fotoam-pambolena izao ka andao hamboly ary e. Matsiro be izy io sady betsaka hery fiarovana. Atoronay anareo ny fomba fambolena azy. Masomboly CAL98 voafantina ny antsika.

Miarahaba antsika rehetra. Ho antsika izay nitady vovo trondro tsara kalitao, dia efa tonga ato aminay ny farine de thon...
16/10/2024

Miarahaba antsika rehetra.
Ho antsika izay nitady vovo trondro tsara kalitao, dia efa tonga ato aminay ny farine de thon. Tongava ary fa mirary ny vidiny

Miarahaba antsika rehetra. Ho antsika lay nitady provende feedmax rehetra na ho an'ny akoho fakana nofo na akoho mpiady ...
03/10/2024

Miarahaba antsika rehetra. Ho antsika lay nitady provende feedmax rehetra na ho an'ny akoho fakana nofo na akoho mpiady (provende TANJAKA), na ho an'ny kisoa dia efa misy ato amin'ny cabinet amin'ny vidiny mirary.

Miarahaba antsika rehetra. Efa tonga ato aminay ny masomboly katsaka irat 200 sy tsaramaso lingo Blanc . Tongava ary mij...
20/09/2024

Miarahaba antsika rehetra.
Efa tonga ato aminay ny masomboly katsaka irat 200 sy tsaramaso lingo Blanc . Tongava ary mijery raha liana ianao sy te hanana fambolena mahomby.
Aza adino fa misy fanafody ho an'ny voly isankarazany ihany koa ato aminay amin'ny vidiny mirary

04/09/2024

Ho an'ny mpiompy omby miasa sy omby vavy be ronono. Tongava mitsidika fa manana voam-bilona Ray grass amin'ny vidiny mirary zahay an

30/08/2024

Miarahaba ny mpanaraka ny pejy. Aza adino fa misy sakafo sy kojakoja ho an'ny alika sy saka ihany koa ato amin'ny cabinet toy ny:
Croquette ho an'ny alika
Odi-kakana sy vitamine
Collier, laisse, harnais
Shampoing sns
Odi-parasy

Salama daholo oh.Ho antsika mpiompy akoho na kisoa tsy mety mitombo mihitsy renyManasa antsika ho tonga ato amin'ny cabi...
30/08/2024

Salama daholo oh.
Ho antsika mpiompy akoho na kisoa tsy mety mitombo mihitsy reny
Manasa antsika ho tonga ato amin'ny cabinet fa misy BOOSTA AKOHO sy KISOA ato an. Misy vigosine ihany koa.
BOOSTA AKOHO, KISOA 250g= 4000ar
BOOSTA AKOHO, KISOA 1KG = 15000ar

Miarahaba antsika rehetra. Ilazana isika rehetra fa nifindra eto atsimon'ny fiangonana FJKM ny Cabinet Veto Ny Soa Amboh...
29/08/2024

Miarahaba antsika rehetra.
Ilazana isika rehetra fa nifindra eto atsimon'ny fiangonana FJKM ny Cabinet Veto Ny Soa Ambohimandroso.
Tongava ary mitsidika anay raha misy mahaliana anao.

Salama daholo.Ireto avy ny activités ataon'ny cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso:- Mitsabo biby marary : omby, ondry, os...
26/07/2024

Salama daholo.
Ireto avy ny activités ataon'ny cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso:
- Mitsabo biby marary : omby, ondry, osy, kisoa, akoho amam-borona, alika ary saka;
- Mivarotra fanafody ho an'ny biby rehetra;
- Manao vaksiny ho an'ny akoho amam-borona, kisoa, saka ary alika;
-Manao visite chien ou chat mordeur;
-Mivarotra sakafo ho an'ny biby fiompy sy alika;
-Mivarotra akoho kely (poussin d'un jour) sur commande;
-Manome torohevitra momba ny fiompina;
- Misy fanafody maro ho an'ny fambolena isankarazany ihany koa;
Tongava ary manatona anay
Afaka manatona anareo ihany koa izahay.

Miarahaba e, Ilazana ianareo mpiompy rehetra izay nitady vaksiny fanefitry ny RAMOLETAKA, PESTA ary RAMIJIDINA ho an'ny ...
26/07/2024

Miarahaba e,
Ilazana ianareo mpiompy rehetra izay nitady vaksiny fanefitry ny RAMOLETAKA, PESTA ary RAMIJIDINA ho an'ny kisoa fa mbola tsy mamokatra ireo vaksiny ireo ny IMVAVET amin'izao fotoana izao, araka ny vaovao farany azonay avy amin'ny IMVAVET. Noho izany, mbola tsy misy ireo vaksiny ireo, ary mbola tsy misy vaksiny importé mahasolo azy ireo ihany koa eto. Ny cabinet Véto Ny Soa dia tsy tompon'antoka amin'izay mampiasa na milaza ho manana ireo vaksiny ireo avy aty aminay.
NB : ny vaccin PNEUMOPORC fanefitry ny empona no efa misy ao amin'ny IMVAVET.
Aoka isika ho mailo.
Hamafiso ny fitandremana sy fiarovana mba ho lavitry ny aretina ny biby fiompy.
Mankasitraka

Arrivage article pour chien: Harnais confortable, Harnais standard, collier avec laisse
13/07/2024

Arrivage article pour chien: Harnais confortable, Harnais standard, collier avec laisse

Address

Antanifotsy

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00

Telephone

+261348417728

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Cabinet Véto Ny Soa Ambohimandroso:

Share