Princess Medical Center

Princess Medical Center Nous vous offrons les meilleurs de nous-mêmes pour vos épanouissements physiques, moraux et sociaux

Miarahaba antsika rehetra ô 🥰"Interactions entre médicaments et aliments"🍝🍲💊 indray no horesahantsika anio.Ny atao hoe "...
09/07/2025

Miarahaba antsika rehetra ô 🥰

"Interactions entre médicaments et aliments"🍝🍲💊 indray no horesahantsika anio.
Ny atao hoe "interactions" dia "effets" na vokatra ateraky ny fitambaran'ny zavatra roa na tsara na ratsy. Ka eto isika dia hamantatra ireo vokatry ny fitambaran'ny sakafo sy ny fanafody.

1- Ny rano🥛sy ny fanafody💊:
Isika rehefa mihinana fanafody "pillule" dia atosikantsika amin'ny rano mba ho mora ny fitelemana ilay fanafody
Kanefa tsy izay ihany fa tena ilaina ny misotro rano 1,5L-2L isan'andro indrindra rehefa manaraka fitsaboana satria miaro ny fahasalamantsika mba tsy hitaran’ny aretina izany, toy ny insuffisance rénale…sns

2- Café, thé ☕🍵sy ny fanafody💊 :
Ny café dia manafaingana ny " résorption digestive des médicaments" na fandevonana ilay fanafody ka hitondra voka-dratsy ho antsika
Ny "dite" na "thé" indray dia mampiadana io"résorption digestive des médicaments" io.
Ka tsara raha alavirina ny olona tsaboina ny rano misy fangaro.

3- Ny sakafo mamay loatra🍜, matavy🥘, be sira🧂na be siramamy🍬 dia mampiadana ny fanandevonan-kanina satria voasembatsembana any amin'ny lalan-kanina ny fanafody
Izany no mahatonga ny akamaroan'ny fanafody ohanina 30 minitra mialohan'ny sakafo.

4- Ny alcool 🍺sy ny fanafody 💊:
Mampidi-doza ny fisotroana alcool miaraka amin'ny fihinanana fanafody satria :
- na manafaingana ny résorption digestive izy
- na mahatonga " effets antabuse": mena ny tarehy, midina ny tosi-drà, te handoa, na mandoa mihitsy aza.
- na mahatonga anao ho be torimaso
- na manakorontana ny fiasan'ny taova fandevonan-kanina toy ny fivalanana...

❗❗Tsy fampitahorana akory ny fanafody fa izay no antony tsy tokony anaovantsika dokotera tena 🙅

Sarobidy ny fahasalamana ka aoka isika hitandrina 👩‍⚕️

Mirary tontolo andro feno fitahiana sy fahasalamana ho antsika 🤗

04/07/2025

Miarahaba tompoko!🤗🤗🤗Maro ianareo no nametraka fanontaniana mahakasika ny volo ka ho valiana  izany.Hoan'ny anio dia mah...
04/07/2025

Miarahaba tompoko!🤗🤗🤗

Maro ianareo no nametraka fanontaniana mahakasika ny volo ka ho valiana izany.
Hoan'ny anio dia mahakasika ny sakafon'ny volo

🌻Biotine na Vitamine B
🌻Vitamine E
🌻Omega 3
🌻Protéines
🌻Souffre

Amin'ny ankapobeany dia sakafo ara-pahasalamana sy miovaova loko no tokony ohanintsika fa ireto no sakafo ahitana betsaka ireo otrik'aina ireo : atody🥚, épinard🥬, voamaina🥔, hena omby 🥩ary voankazo isan-karazany🍌🍍🥭...

Aza adino ny misotro rano🥛 1,5 L isan'andro satria dia toy voninkazo (na tanim-bary) ka mila atao mandimandina isan'andro mba hitombo tsara.

❗Etoana dia ampahatsiahivina tsara fa samy manana ny toe-pahasalamany isika tsirairay avy ka aoka izay mendrika sy sahaza ho anao no ohaninao.

Manasa anao hanaraka ny pejy mba ahafantaranao bebe kokoa hatrany.

Ny tanan’ Andriamanitra mahery no hikasika sy hanasitrana anao🙏

Salama tompoko 🤗 Androany dia hizara fahalalana mahakasika ny volo isika: CYCLE PILAIRE ✨✨💜Ny volo dia mivoatra manaraka...
30/06/2025

Salama tompoko 🤗
Androany dia hizara fahalalana mahakasika ny volo isika: CYCLE PILAIRE ✨✨

💜Ny volo dia mivoatra manaraka ireto dingana ireto:
📌1-phase anagène (na phase de croissance, 3 à 5ans eo ny faharetany ): io no fotoana hitombon'ny volo. Raha ao anatin'io phase io ilay volo no manapaka volo ianao dia mitombo tsara foana izy.

📌2- phase catagène (na phase d'arrêt- 3 à 5 mois): io no fotoana hialan'ny volo tsikelikely amin'ny fotony mba ahatongavany amin'ny phase farany. Tsy mitombo intsony ny volo eo.

📌3- phase télogène (na phase de chute et repousse): misaraka tanteraka amin'ny fotony ny volo, efa maty izy ary mihitsana ary izy miongotra iny dia efa misy solony indray.

Tena mahay zavatra Andriamanitra 🙏fa samy nataony manana ny phase ny volo eo amin’ny loha iray, fa raha izany angamba no hoe miaraka mandalo phase telogène ny volo rehetra😳😧🤭... Dia nisy izany ny "saison de coco rasé"👩‍🦲🤔🤔🤔 mandrapahalavan’ilay repousse.

💜Inona ary ny sakafon'ny volo?
Ny volo dia misakafo amin'ny alalan'ny lalan-drà eo amin'ny loha. Ny sakafo rehetra ohanintsika dia misy fihaitraikany amin'ny fitombon'ny volo
Raha misakafo tsara qualité sy ara-dalana ianao dia mitombo tsara ny volonao
Raha tsy ampy sy ratsy ny sakafo ohaninao dia miadana ny fanirin'ny volo ary mety ho faty mihitsy aza.

💜Manao ahoana ny fitombon'ny volo ?
Araka izay voalaza etsy ambony dia miankina amin'ny sakafo ny fanirian'ny volo. Mitombo malaky ihany koa izy rehefa mafàna.
➡️Fa amin'ny ankapobeany dia mitombo 1cm-1,5cm isam-bolana, izany hoe 12cm à 16cm isan-taona.

Izay ary aloha ny androany😊😊😊, fa mbola maro ny fizaràna ho entina amintsika ka araho tsy tapaka ny pejy.

💜Inoana fa samy hanao dingana amin'ny fikarakarana volo indray isika!!

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho amintsika rehetra! Mirary fahasalamana hoan'ny rehetra ô!!! 🙏🤗🤗🤗

Miarahaba tompoko🤗🤗🤗,Hiresaka fikarakarana ny vatana isika androany. 🟩Hoan'ny tarehy🧏Amin'izao andro ririna izao dia mih...
27/06/2025

Miarahaba tompoko🤗🤗🤗,
Hiresaka fikarakarana ny vatana isika androany.

🟩Hoan'ny tarehy🧏
Amin'izao andro ririna izao dia mihamaina ny hoditra ka tsara raha hosorana " huile d'amande douce" isan-kariva alohan'ny hatory na hoan'ny ankizy na ny lehibe.

🟩Amin'ny tanana sy tongotra 👐🦶
Mizàra manosotra "glycérine" isaky ny avy mandro.

Raha misy areti-tenda dia manamboara ity fangaro ity:
+Tantely iray sotro [=> izay manalefaka ny kohaka ]
+ranom-boasary makirana 1 sotro [=>izay mitondra Vitamine C]
+ ranona sakamalao (na sakamalao rapé) 1sotro [ mitazona ny hafanan'ny vatana].

Mitovy avokoa ny fatran'ireo fangaro ireo, izany hoe raha ataonao 5 sotro ny tantely dia toy izay avokoa ny fatran'izy rehetra.

Fatra fihinanana azy :
1sotrokely maraina- 1sotrokely atoandro-1 sotrokely hariva (afaka ampiana rano nangotraka ihany koa ary sotroina dieny mbola mafana, lasa thé gingembre izy amin'izay😋)

✅Sotroina adiny 2 aorian'ny sakafo
❌Tsy natao hoan'ny zaza latsaky ny heritaona

📌Azonao atao ihany koa ny gararaka rano mafana 1 vera + sira 1 sotro fihinanana

🟩Marihana fa tsara foana manantona mpitsabo👩‍⚕️ rehefa misy olana ara-pahasalamana indrindra amin'izao ririna izao.

Manaova mafana tsara. Ezaho ho voatana foana ny hafanana eo amin'ny tratra, manaova cache nez sy bonnet.
Tsara ihany koa manao cache bouche na marary ianao na tsia mba tsy hisian'ny fifamindrana aretina.

Mazotoa manao fanatanjaha-tena💪⛹️🏋️🏃 (30' min tous les 3 jours farafahakeliny).

Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho amintsika !🙏❤️❤️
Mirary fahasalamana hoan'ny rehetra 💪😊😊!

19/05/2025

Fiadanana e!!Ity ilay PROMOTION SOIN DE VISAGE et CHEVEUX nampanantenaina anareo.Efa ho tonga ny fety ary efa hifarana n...
14/11/2023

Fiadanana e!!

Ity ilay PROMOTION SOIN DE VISAGE et CHEVEUX nampanantenaina anareo.

Efa ho tonga ny fety ary efa hifarana ny taona ka Andao hikarakara vatana o!!

👉 Aza atao tratran’ny taona vaovao eo intsony ilay panda sy mony ary miketrona sy menabe eo amin’ny tarehanao.
👉 Andao tsaboina ilay volo potiky ny loko sy main’ny fer ary brushing hatramin’izay.
👉 Tsarovy anefa fa ilay HATSARANA ANATY NO TENA HATSARANA an!!
👉 Fa kosa vao mainka TSARA LAVITRA raha toa ka sady tsara endrika ianao no mbola miampy HATSARAM-PANAHY koa.

Manomboka anio 14 Novembre ka mandram-pifaran’ity taona 2023 ity dia 30.000ar ny SOIN DE VISAGE eto amin’ny Princess Medical Center

💖 Diagnostique
💖 Nettoyage de visage
💖 Massage facial

💝50.000ar kosa ny SOIN BOTOX CAPILLAIRE CAVADA PARIS + coupe + finition steam pod.

👉 Aza adinoina ary ny maka rendez-vous fa hataonay Princesse kely ianao mivoaka eto aminay🥰

WhatsApp: 034 04 644 71
Contactez-nous: 033 74 773 10

Princess Beauty Institute

Honey Solofotina
Princess Chocolate Factory & School
Princess Cosmetics and Soap Factory
Princess Construction and Rental Services

🌺 SOIN et TRAITEMENT de VISAGE:* tache brune ( panda )* acné ( mony )* rides ( miketrona )* points noir* Veinules rouge🌼...
12/11/2023

🌺 SOIN et TRAITEMENT de VISAGE:
* tache brune ( panda )
* acné ( mony )
* rides ( miketrona )
* points noir
* Veinules rouge

🌼 SOIN et TRAITEMENT de CHEVEUX
- Péllicule ( angadrano )
- Chute ( miongotra )
- Vakivaky
- Tapatapaka
- Maina
- Simban’ny loko
- Simban’ny fer
- Tsy mety lava

💙 SOIN BOTOX
💖 Lissage Brésilien
💇🏻‍♀️ Coupe

🌸 PACK MARIAGE
- Manucure
- Make up
- Volo
- Mampiakanjo

Princess Beauty Institute
Honey Solofotina

Address

Antsirabe Afovoany

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261343505931

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Princess Medical Center posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Princess Medical Center:

Share