18/12/2024
Taitra sady nitomany aho vao nolazain'i mamanay sy rasazy hoe sima ny zanako. Tsy mbola nahita sima mihintsy hatramin'izay hany ka natahotra sy nitebiteby hoe ho velona ve ny zaza.
Nankahery anay ny rasazy nampiteraka sady nampianatra ny fomba fanomezana sakafo ny zaza. Nilaza koa izy fa mila tohanana ara_tsaina sy ara_tsakafo ny renin'i Tsiresy.
Mafy ny nampisakafo azy, ny kely tafiditra ao am_bava mbola misy very indray.
Ny vavan'ny fiarahamonina koa etsy an-daniny, nanampi-tsofina fotsiny amin'ilay hoe nanota fady ianareo, nandika famaky, namaky tahalaka...sns
Olona nanana zanaka sima efa voadidy no nanondro anay fa hoe misy an'izany Santé Plus izany any Antsirabe mandidy sima maimaimpoana, mandidy mandavantaona. Hanjoanjo fotsiny no nitadiavanay an'ilay hopitaly.
Voaray tsara rehefa tonga tany, izy ireo no nampianatra anay ireo antony mety hahatonga ny zaza iray ho sima.
Voadidy soa aman_tsara ny molotr'i Tsiresikely ary efa miomana ny amin'ny fandidiana ny lanilany izahay zao😊
Dadan'i Tsiresy
-antsirabe
-iray-manova-ny-tontolo