27/10/2025
TSABOINA AO ANTOERANA NY MPITONDRA MBA HO SALAMA NY FIRENENA.
Ry havana sy mpiara-miasa mpitsabo.Andao isika hiteny ny marina.
Raha mbola mandeha any ivelany hitsabo tena ny mpitondra nampindramina fahefana dia tsy hisy fandrosoana ny fahasalamantsika ao antoerana.
Isakin'ny manao évacuation sanitaire any ivelany dia volan'ny vahoaka no lany, raha toa ka ao amintsika , tsy ampy ny fotodrafitrasa, tsy ampy ny fanafody, tsy ampy ny fitaovana .Ary isika miasa andro aman'alina, tsy miala amin'ny adidintsika.
Koa izao no antsointsika :
👉🏽AOKA NY MPITONDRA MITSABO TENA ETO AMIN'NY TANINY.
Amin'izay hahita maso ny tena Zava- misy izy ireo:
- Ny efitrano feno marary
-Ny fitaovana simba, na tsy misy
-Ny tsy fisian'ny fanafody sns...
- Ary koa ny fahavononan'ny mpitsabo manolotena.
AOKA ISIKA TSY HIFANTOKA AMIN'NY KARAMA FOTSINY.
Fa inona no hasarobidin' ny karama,raha tsy afaka mitsabo tena isika, raha tsy afaka mitsabo ny havantsika amin'ny fomba mendrika ?
Ny tena ady dia ny HANANGANA RAFITRA ARA- PAHASALAMANA MATANJAKA ho an'ny rehetra, ao antanindrazana.
Ry namana mpitsabo, hanomboka ny fiovana amin'ny andro anambarantsika hoe :" tsy misy intsony ny fitsaboana any ivelany hoan'ny mpitondra , raha mbola marary ny hopitalintsika".
Dr Oswaldo Philison.
Voilàvoilà Magazine