23/06/2025
VOLANA SY FADIM-BOLANA
Mahay ny Ntaolo Malagasy, tena mazava tsara mihitsy ny teny hoe fadim-bolana izay mizara hoe FADY + VOLANA.
Araka ny efa nohazavaina tao amin'ny ranty teo aloha dia Vehivavy = Volana = Reny.
Ny vehivavy tsirairay dia Volana samy amin'ny fiainany avy, ny Volana dia manana cycle na tamberina itovizana ka misy dingana na phase 4 lehibe:
🔴 MAIZIMBOLANA :
Fadim-bolana : en règle na tonga fotoana.
Volana: Ny maizimbolana na nouvelle lune no fiatombohan'ny fanisana ny Volana vaovao, tsy hita ny volana eo, miafina endrika tsy miseho manoloana ny Masoandro izay endriky ny lehilahy na Ray. Masiaka ny andro maromaro manodidina eo, be ny loza ary mahery ny hovitra mihiba na vibration négative.
Vehivavy: Tonga ny fotoana, manary ireo lio ny vatana kanefa mila afenina izany fa henatra be eo imason'ny hafa izany misy mahafantatra hoe règle izany, indrindra ka hoe lehilahy hafa ivelan'ny vady. Marary ny vatana, tsy mahazo aina, kizitina sy tsy tia kitihina ary mila mailo sy mitandrina mandrakariva. Maharitra 5 andro eo izany amin'ny ankapobeny.
🔴 MIRABOLANA MIAKATRA (7 ANDRO)
Tapitra ny fadim-bolana.
Volana: Manomboka mipoitra tsikelikely ny tarehin'ny volana, ny tsinambolana no manomboka isehoan'ny hazavana ary mihamazava tsikelikely, rehefa feno ny 7 andro na herinandro dia misasaka ny hazavan'ny volana. Miakabolana ny filaza io fotoana eo anelanelan'ny maizimbolana mankany amin'ny diavolana io. Fotoana tsara hanombohana zavatra sy hampidirana fahasoavana.
Vehivavy: Tapitra ny fadim-bolana, miha-mahazo aina ny vatana ary afaka mifaly sy manao izay tiana atao satria tsy misy atahorana ny hahabevohoka hatreo amin'ny andro faha 8 aorian'ny fanombohan'ny règle.
🔴 DIAVOLANA (14 ANDRO)
Lonaka: Ovulation
Volana: mibaliaka, fenomanana ka mizara ny tarapahazavany, misafosafo sy mampanembona, manome fifaliana ny voahary rehetra, mitsilo sy mitari-dalana. Tsara tarehy ka mampite hijery mampanonofy ny olombelona mba hitsidika azy sy hanitsaka eo amboniny. Fotoana tsara hampidirana fahasoavana afa-tsy ny eo amin'ny tena fenomanana satria mahery loatra ny hovitra ka fisaka ny vintana.
Vehivavy: Ao anatin'ny fotoana mampiseho ny hatsarany indrindra eto ny vatan'ny vehivavy, misarika sy mampiseho fahavononana satria efa vonona ao ilay sela na atody miandry ireo tsirin'aina hifandrombaka aminy.
Eo amin'ny andro faha14 mihitsy no mivoaka ny ovule na ny atodim-bavy ka 2 andro no fotoana hiandrasany.
Ny tsirin'aina an'ny lehilahy dia mety ho velona hatramin'ny 5 andro ao anatin'ny tranon-jaza ka raha nisy firaisana ohatra 4 andro mialoha ny 14e jours dia mety hisy ny fitoeran'ny zaza.
Matanjaka kokoa ny tsirin'aina vavy noho ny tsirin'aina lahy ka raha manao firaisana amin'ny andro faha9 na faha10 aorian'ny fadimbolana dia mety ho vavy, raha eo amin'ny 1 andro manodidina ny andro mahalonaka kosa dia mety ho lahy.
🔴 MIRABOLANA MIDINA (21 ANDRO)
Roatokom-bolana
Volana: manomboka mihena ny hazavan'ny volana, mahazo vahana indray ilay faritra maizina ka maka tsikelikely ny faritra mazava. Rava volana no hiantsoana azy. Misasaka ny mazava sy ny maizina eo amin'ny faha 21 andro aorian'ny maizimbolana. Fotoana tsy dia tsara hanombohana zavatra na hampidirana fahasoavana.
Vehivavy: Manomboka miseho ireo fanaitra milaza fa hiverina ny fadimbolana, indrindra aorian'ny faha 21 andro aorian'ny fadimbolana. Tsy dia mampazoto intsony ny firaisana ara-nofo ary ny vatana dia tsy mampiseho endrika lonaka intsony. Tsy misy atahorana ny hoe itoe-jaza mandritra ny fotoana lavalava.
Mety miovaova ny fiverenan'ny fadimbolana fa tsy voatery ho 28 andro, raha somary lavalava kokoa ka te ho fantatra ny fotoana mahalonaka dia fantaro fa 14 andro alohan'ny iverenan'ny règle foana izany.
Zarao raha mahaliana anao.
Harilanto Fidinirina.