10/05/2023
TOSIDRÀ (hypertension artérielle)
Ireto antony Mahatonga ny fahatsetsenan'ny lalan-drà
1- Fiakaran'ny tahan'ny cholestérol tsy ilain'ny Vatana
2- Tosi-dra miakatra
3- Fifohana sigara
4- Diabeta
5- Manaranaka
6- angezana
7- Rarin-tsaina
8- Fihinanana sakafo tsy ara pahasalamana
Fomba fisehony
1- Reraka, malemilemy
2- Fanina
3- Maloiloy
4- Sempotra
5- Misy manindrona eo am tratra
6- Palpitation
7- Tsemboka
TANDREMO FA MAHAFATY AINGANA RAHA TSY MITSABO
1_SAKAFO VITSIVITSY MAMPIDINA NY TOSI-DRA MIAKATRA
🔵 CELERI manadio toxines indrindra ny mamy anaty rà, manatsara làlan-drà.
⚫GOAVY noho izy mitondra Potassium betsaka, ny Potassium anefa manampy amin ny fampidinana ny tosi-dra ambony
🔴 KARAOTY malaza fa tsara ho an'ny maso. be Potassium ihany koa izy ka tsara hoan ny mpiakatra tosi-dra
🍊🍋 VOASARY sy CITRON noho izy ireo mitondra Vitamine C betsaka. Ny Vitamine C dia manampy amin'ny fanatsarana ny lalan-dra izay isan'ny mampidina ihany koa ny tosi-dra.
⭕ Aza hadino ireo sakafo efa mahazatra antsika toy ny TONGOLO GASY izay efa lazaina foana fa voalohany indrindra amin'ny fampidinsna ny tosi-dra ary haingam-piasa
2 _FAMPIDINANA AMIN'NY ALALAN'NY OTRA REHEFA MIAKATRA TAMPOKA
•sary hotra 1: horina amin'ny fanondro (tsy tsindrina mafy loatra (massage doux) miakatra sy midina impolo (10 fois) havanana dia ny havia.
dinio tsara ny sary dia horina miodina mifanohitra amin'ny famantaranandro impolo (10 fois).
•sary hotra 2: apetraka ambony kibo (anelanelan'ny vavony sy ny foitra ny tanana havia, tapenana amin'ny ankihibe havanana ny lavakorona dia miaina mafy (grande respiration) amin'ny orona havia, tazomina vetivety vao mamoaka rivotra, averina mandritra 3 na 5 minitra, vita zay tokony mikoriana ny rà.
•Sary hotra 3 :Jereo tsara ny sary, mihoitra tena , tsindrina (tsy mafy be) afaka minitra vitsy dia hikoriana tsara ny rà , afaka ny marary andoha.
Aza adino ny mizara