
22/06/2022
Hiresaka kely indray mombany fitondrana Vohaka isika😊
👉 Bevohoka : Kely loatra hono ny habean'ny kibo ?
👉 Kely loatra hono ny zaza ao am-bohoka ?
👉 Tsy ampy lanja hono ny zaza ao am-bohoka ?
👉 Tsy mitombo hono ny zaza ao am-bohoka ?
⚖ Habean'ny zaza ao am-bohoka no ho resahintsika androany. 👇
▪
📐 Rehefa manao échographie dia refesina
✔ ny habean'ny lohany (périmètre cranien) mba hahitana ny fitombon'ny atidohan'ny zaza
✔ ny kibony (périmètre abdominal) mba hanombatombanana ny fahampiany sakafo na tsia
✔ ny halavan'ny feany (longueur du fémur) mba hanombatombanana ny halavany.
↪ Dia izay no hanombatombanana ny lanjan'ny zaza ao am-bohoka. Izany hoe raha bevohoka 32SA, ka notombanana hoe milanja 1,900kg dia mety milanja 1,700kg hatramin'ny 2,100kg. Izany hoe hanampiana sy hanalana 10% io tombatombana io mba hahalalana ny tena mety ho lanjan'ny zaza.
⚖ Rehefa manao izay échographie izay, ka hita fa kely ny lanjan'ny zaza izay notombatombanana raha ampitahaina amin'ny hangezan'ny vohoka (izany hoe firy SA), dia lazaina fa misy "re**rd de croissance utérin" ilay zaza. Izay ilay lazaina hoe kely loatra ny zaza ao am-bohoka.
Amin'io fotoana io dia tsy mitovy amin'ny SA nokajiana avy amin'ny DDR ny SA avy amin'ny echographie fa latsaka. Oh : SA nokajiana avy tamin'ny DDR : 37SA, SA avy amin'ny echographie : 35SA 2j
📈 Fa tsy vitan'ny échographie in-1 mandeha ihany anefa no ahitana izany. Raha manao échographie 2 mifanaraka ka hita fa
➡ zara raha mitombo ny lanjany notombatombanana
➡ mihena ny lanjany notombatombanana
↪ na dia voalaza aza fa araka ny tokony ho izy (normal) ny habean'ny zaza tamin'ny échographie voalohany, dia midika izay fa misy an'io "re**rd de croissance utérin" io ilay zaza.
Izay no anisan'ny antony ilavana manao échographie rehefa bevohoka, fa tsy hoe filam-baniny na haitraitra.
📏 Raha tsy afaka manao échographie, mety ho hita amin'ny habean'ny kibon'ny bevohoka ihany koa io : rehefa refesin'ny rasazy ny kibo. Ka izay refiny eo no ampitahaina amin'ny vohoka : hoe mifanaraka amin'ny isan'ny SA ve ny hangezany sa kely loatra.
Fa voafetra anefa io fandrefesana kibo io satria misy ny bevohoka manao kibo an-damosina.
✔ 4cm izy raha 1 volana ny kibo
✔ 8cm izy raha 2 volana ny kibo
✔ 12cm izy raha 3 volana ny kibo
✔ 16cm izy raha 4 volana ny kibo
✔ 20cm izy raha 5 volana ny kibo
✔ 24cm izy raha 6 volana ny kibo
✔ 28cm izy raha 7 volana ny kibo
✔ 30cm izy raha 8 volana ny kibo
✔ 32cm izy raha 9 volana ny kibo
Mitombo 4cm isam-bolana izy io hatramin'ny mahafeno 7 volana ny kibo, ary 0,5cm rehefa feno 8 volana ny kibo hatramin'ny hiterahana.
👶 Matetika tsy hita hoe kely ny zaza tao am-bohoka, nefa rehefa teraka izy vao hita izany. Ny zaza teraka miohatra ny 38SA nefa milanja latsaky ny 2,500kg izany atao hoe kely izany.
🔎 Tsy voatery ho aretina no mahakely ny zaza ao am-bohoka. Misy zaza kely lanja nefa salama tsara fa efa manaranaka izay hakelezany izay.
Ka izay no antony tsara hikarohana ny antony mahakely ny zaza. Mba ho moramora ihany koa ny hanarenana ny olana (raha azo arenina).
Mety ho vokatry ny
✖ aretina tahaka ny toxoplasmose, na rubéole, diabeta, tsy fahampian-drà be loatra (anémie sévère), aretim-po mahazo ny bevohoka
✖ fifohana sigara na rongony rehefa bevohoka
✖ fihinanana paraky rehefa bevohoka
✖ fisotroana toaka rehefa bevohoka
✖ tsy fiasan'ny ahitra (placenta) araka ny tokony ho izy. Tsy vitany tsara ny mitondra sakafo sy oxygène ny zaza ao am-bohoka.
✖ fahasamponana tahaka ny trisomie 21 na syndrome de down ohatra
✖ fihinanana fanafody tsy mety ny bevohoka
✖ tosidrà avo (hypertension)
✖ tsy fahampian-tsakafo amin'ny bevohoka
✖ fahanteran'ny bevohoka
✖ fahihiazan'ny bevohoka (mahia loatra)
🤰 Ny acide folique na folate na vitamine B9 dia manampy ny zaza ao am-bohoka mba tsy ho kely loatra na ho sampona. Izay no mahatsara ny fihinanana azy dieny vao hametraka zaza sy rehefa mitondra vohoka. Izay no antony hanomezana pilifera mitambatra amin'ny supplement acide folique ny vehivavy bevohoka. Fa tsy hoe filam-baniny akory.
🏠 Torak'izay koa ny fer dia manampy amin'ny fiforonan'ny ahitra (placenta). Ka manampy ny zaza ao am-bohoka mba tsy ho kely lanja.
Satria tsy mahampy ny zaza ny fer avy amin'ny sakafo hohanin'ny bevohoka, na hisesika be dia be aza izy, dia ho trohan'ny zaza ny fer efa ao amin'ny vatan'ny reniny. Ka hitarika tsy fahampiana fer izany (anémie). Eo matetika no lasa ratsiana biriky na tany mena ilay bevohoka : satria ilay lokony mena iny no heverin'ny atidoha hoe be fer.
↪ Raha ratsiana biriky na tany mena izany dia mila mihinana pilifera fa tsy biriky na tany mena.
💊 Raha tsy mihinana pilifera ilay bevohoka amin'izay fotoana izay dia hatahorana ho teraka tsy tonga volana ny zaza, na ho kely lanja.
🌱 Tadidio foana fa na hihinana sakafo be fer sy acide folique betsaka aza ny olombelona 1, dia
➡ tsy iny fatran'iny fer sy acide folique rehetra anatin'ny sakafo iny no tena tafiditra ny vatana, misy foana ny very fotsiny.
➡ tsy mahampy ny filan'ny bevohoka mihitsy ny oentin'ny sakafo satria mitombo miohatra ny mahazatra.
↪ Izay no antony hanomezana supplément fa tsy hoe filam-baniny. Ka hoe ny bevohoka indray no hanapa-kevitra hoe ho soloina sakafo ny pilifera satria hoe "tsy zaka".
🥜 Na izany aza, tsara foana ny mihinana sakafo be acide folique. Fa tsy atao hanoloana ny suppléments mihitsy izany.
✔ épinara
✔ anandrano
✔ artisao
✔ pitipoa
✔ tsaramaso
✔ voanjobory
✔ noix : voanjo, mahabibo, amandes, ...
✔ sns
🐠 Tsara ihany koa ampiarahana amin'ny sakafo be fer izany :
✔ henan'omby
✔ trondro
✔ lentilles
✔ tsaramaso fotsy
✔ voanjobory
✔ sns
🍵 Mila hajanona tanteraka ny fisotroana dité (izay karazana dité rehetra : veromanitra, oliva, thé vert, thé noir, ...) satria manakana ny fakan'ny vatana fer avy amin'ny sakafo izany.
🚭 Ankoatra ny fanajanonana ny sigara, paraky, toaka, rongony, sy ny fanatsarana ny fisakafohanana, ary ny fihinanana pilifera sy suppléments acide folique, dia TSY MISY AFAKA ATAON'NY DOKOTERA, NA RASAZY, SY NY BEVOHOKA INTSONY mba hampitombona ny zaza kely lanja ao am-bohoka.
🩺 Ny azon'ny dokotera sy rasazy atao sisa dia ny manara-maso ny fitombon'ny zaza avy amin'ny fandrefesana kibo sy ny échographie izay atao isaky ny 2 herinandro (tapa-bolana). Mety ho henoina matetika aza ny fitempon'ny fon'ny zaza mba hahalalana sao mijaly izy (tsy ampy ny fifanakalozana misy eo aminy sy ny ahitra izay mitondra sakafo sy oxygène). Ary avoaka alohan'ny mahafeno azy 9 volana ao am-bohoka ny zaza raha toa ka hita fa mijaly.
🛌 Matetika asaina maka aina ilay reny mitondra vohoka. Ary omena fanafody mampamaoty haingana ny taovam-pisefony (havokavoka na poumons) ny zaza ao am-bohoka. Mba hanampiana azy raha sanatria izy teraka tsy tonga volana na mila avoaka alohan'ny mahamaoty azy (alohan'ny mahafeno 37SA ny vohoka).
▪
😊Tonga dia apetraho ao amin'ny hafatra miafina (message na na mp) ny fanontanianao