Mpampivelona

Mpampivelona Izay marary marary no Andrianina �

Hiresaka kely indray mombany fitondrana Vohaka isika😊👉 Bevohoka : Kely loatra hono ny habean'ny kibo ?👉 Kely loatra hono...
22/06/2022

Hiresaka kely indray mombany fitondrana Vohaka isika😊
👉 Bevohoka : Kely loatra hono ny habean'ny kibo ?
👉 Kely loatra hono ny zaza ao am-bohoka ?
👉 Tsy ampy lanja hono ny zaza ao am-bohoka ?
👉 Tsy mitombo hono ny zaza ao am-bohoka ?
⚖ Habean'ny zaza ao am-bohoka no ho resahintsika androany. 👇

📐 Rehefa manao échographie dia refesina
✔ ny habean'ny lohany (périmètre cranien) mba hahitana ny fitombon'ny atidohan'ny zaza
✔ ny kibony (périmètre abdominal) mba hanombatombanana ny fahampiany sakafo na tsia
✔ ny halavan'ny feany (longueur du fémur) mba hanombatombanana ny halavany.
↪ Dia izay no hanombatombanana ny lanjan'ny zaza ao am-bohoka. Izany hoe raha bevohoka 32SA, ka notombanana hoe milanja 1,900kg dia mety milanja 1,700kg hatramin'ny 2,100kg. Izany hoe hanampiana sy hanalana 10% io tombatombana io mba hahalalana ny tena mety ho lanjan'ny zaza.

⚖ Rehefa manao izay échographie izay, ka hita fa kely ny lanjan'ny zaza izay notombatombanana raha ampitahaina amin'ny hangezan'ny vohoka (izany hoe firy SA), dia lazaina fa misy "re**rd de croissance utérin" ilay zaza. Izay ilay lazaina hoe kely loatra ny zaza ao am-bohoka.
Amin'io fotoana io dia tsy mitovy amin'ny SA nokajiana avy amin'ny DDR ny SA avy amin'ny echographie fa latsaka. Oh : SA nokajiana avy tamin'ny DDR : 37SA, SA avy amin'ny echographie : 35SA 2j

📈 Fa tsy vitan'ny échographie in-1 mandeha ihany anefa no ahitana izany. Raha manao échographie 2 mifanaraka ka hita fa
➡ zara raha mitombo ny lanjany notombatombanana
➡ mihena ny lanjany notombatombanana
↪ na dia voalaza aza fa araka ny tokony ho izy (normal) ny habean'ny zaza tamin'ny échographie voalohany, dia midika izay fa misy an'io "re**rd de croissance utérin" io ilay zaza.
Izay no anisan'ny antony ilavana manao échographie rehefa bevohoka, fa tsy hoe filam-baniny na haitraitra.

📏 Raha tsy afaka manao échographie, mety ho hita amin'ny habean'ny kibon'ny bevohoka ihany koa io : rehefa refesin'ny rasazy ny kibo. Ka izay refiny eo no ampitahaina amin'ny vohoka : hoe mifanaraka amin'ny isan'ny SA ve ny hangezany sa kely loatra.
Fa voafetra anefa io fandrefesana kibo io satria misy ny bevohoka manao kibo an-damosina.
✔ 4cm izy raha 1 volana ny kibo
✔ 8cm izy raha 2 volana ny kibo
✔ 12cm izy raha 3 volana ny kibo
✔ 16cm izy raha 4 volana ny kibo
✔ 20cm izy raha 5 volana ny kibo
✔ 24cm izy raha 6 volana ny kibo
✔ 28cm izy raha 7 volana ny kibo
✔ 30cm izy raha 8 volana ny kibo
✔ 32cm izy raha 9 volana ny kibo
Mitombo 4cm isam-bolana izy io hatramin'ny mahafeno 7 volana ny kibo, ary 0,5cm rehefa feno 8 volana ny kibo hatramin'ny hiterahana.

👶 Matetika tsy hita hoe kely ny zaza tao am-bohoka, nefa rehefa teraka izy vao hita izany. Ny zaza teraka miohatra ny 38SA nefa milanja latsaky ny 2,500kg izany atao hoe kely izany.

🔎 Tsy voatery ho aretina no mahakely ny zaza ao am-bohoka. Misy zaza kely lanja nefa salama tsara fa efa manaranaka izay hakelezany izay.
Ka izay no antony tsara hikarohana ny antony mahakely ny zaza. Mba ho moramora ihany koa ny hanarenana ny olana (raha azo arenina).

Mety ho vokatry ny
✖ aretina tahaka ny toxoplasmose, na rubéole, diabeta, tsy fahampian-drà be loatra (anémie sévère), aretim-po mahazo ny bevohoka
✖ fifohana sigara na rongony rehefa bevohoka
✖ fihinanana paraky rehefa bevohoka
✖ fisotroana toaka rehefa bevohoka
✖ tsy fiasan'ny ahitra (placenta) araka ny tokony ho izy. Tsy vitany tsara ny mitondra sakafo sy oxygène ny zaza ao am-bohoka.
✖ fahasamponana tahaka ny trisomie 21 na syndrome de down ohatra
✖ fihinanana fanafody tsy mety ny bevohoka
✖ tosidrà avo (hypertension)
✖ tsy fahampian-tsakafo amin'ny bevohoka
✖ fahanteran'ny bevohoka
✖ fahihiazan'ny bevohoka (mahia loatra)

🤰 Ny acide folique na folate na vitamine B9 dia manampy ny zaza ao am-bohoka mba tsy ho kely loatra na ho sampona. Izay no mahatsara ny fihinanana azy dieny vao hametraka zaza sy rehefa mitondra vohoka. Izay no antony hanomezana pilifera mitambatra amin'ny supplement acide folique ny vehivavy bevohoka. Fa tsy hoe filam-baniny akory.

🏠 Torak'izay koa ny fer dia manampy amin'ny fiforonan'ny ahitra (placenta). Ka manampy ny zaza ao am-bohoka mba tsy ho kely lanja.
Satria tsy mahampy ny zaza ny fer avy amin'ny sakafo hohanin'ny bevohoka, na hisesika be dia be aza izy, dia ho trohan'ny zaza ny fer efa ao amin'ny vatan'ny reniny. Ka hitarika tsy fahampiana fer izany (anémie). Eo matetika no lasa ratsiana biriky na tany mena ilay bevohoka : satria ilay lokony mena iny no heverin'ny atidoha hoe be fer.
↪ Raha ratsiana biriky na tany mena izany dia mila mihinana pilifera fa tsy biriky na tany mena.

💊 Raha tsy mihinana pilifera ilay bevohoka amin'izay fotoana izay dia hatahorana ho teraka tsy tonga volana ny zaza, na ho kely lanja.

🌱 Tadidio foana fa na hihinana sakafo be fer sy acide folique betsaka aza ny olombelona 1, dia
➡ tsy iny fatran'iny fer sy acide folique rehetra anatin'ny sakafo iny no tena tafiditra ny vatana, misy foana ny very fotsiny.
➡ tsy mahampy ny filan'ny bevohoka mihitsy ny oentin'ny sakafo satria mitombo miohatra ny mahazatra.
↪ Izay no antony hanomezana supplément fa tsy hoe filam-baniny. Ka hoe ny bevohoka indray no hanapa-kevitra hoe ho soloina sakafo ny pilifera satria hoe "tsy zaka".

🥜 Na izany aza, tsara foana ny mihinana sakafo be acide folique. Fa tsy atao hanoloana ny suppléments mihitsy izany.
✔ épinara
✔ anandrano
✔ artisao
✔ pitipoa
✔ tsaramaso
✔ voanjobory
✔ noix : voanjo, mahabibo, amandes, ...
✔ sns

🐠 Tsara ihany koa ampiarahana amin'ny sakafo be fer izany :
✔ henan'omby
✔ trondro
✔ lentilles
✔ tsaramaso fotsy
✔ voanjobory
✔ sns

🍵 Mila hajanona tanteraka ny fisotroana dité (izay karazana dité rehetra : veromanitra, oliva, thé vert, thé noir, ...) satria manakana ny fakan'ny vatana fer avy amin'ny sakafo izany.

🚭 Ankoatra ny fanajanonana ny sigara, paraky, toaka, rongony, sy ny fanatsarana ny fisakafohanana, ary ny fihinanana pilifera sy suppléments acide folique, dia TSY MISY AFAKA ATAON'NY DOKOTERA, NA RASAZY, SY NY BEVOHOKA INTSONY mba hampitombona ny zaza kely lanja ao am-bohoka.

🩺 Ny azon'ny dokotera sy rasazy atao sisa dia ny manara-maso ny fitombon'ny zaza avy amin'ny fandrefesana kibo sy ny échographie izay atao isaky ny 2 herinandro (tapa-bolana). Mety ho henoina matetika aza ny fitempon'ny fon'ny zaza mba hahalalana sao mijaly izy (tsy ampy ny fifanakalozana misy eo aminy sy ny ahitra izay mitondra sakafo sy oxygène). Ary avoaka alohan'ny mahafeno azy 9 volana ao am-bohoka ny zaza raha toa ka hita fa mijaly.

🛌 Matetika asaina maka aina ilay reny mitondra vohoka. Ary omena fanafody mampamaoty haingana ny taovam-pisefony (havokavoka na poumons) ny zaza ao am-bohoka. Mba hanampiana azy raha sanatria izy teraka tsy tonga volana na mila avoaka alohan'ny mahamaoty azy (alohan'ny mahafeno 37SA ny vohoka).

😊Tonga dia apetraho ao amin'ny hafatra miafina (message na na mp) ny fanontanianao

Tsy tsara ataony olona bisous zaza👌
14/06/2022

Tsy tsara ataony olona bisous zaza👌

PRISE DE POIDS RECOMMANDÉE PENDANT LA GROSSESSEIl est de coutume d'entendre dire qu'une femme enceinte devrait manger po...
26/11/2021

PRISE DE POIDS RECOMMANDÉE PENDANT LA GROSSESSE

Il est de coutume d'entendre dire qu'une femme enceinte devrait manger pour deux. Cependant, manger pour deux ne signifie pas manger deux fois plus, mais plutôt manger deux fois mieux !
En effet, il y a une prise de poids optimale recommandée durant la grossesse. Cette prise de poids dépend du poids de départ de la future maman. Elle influe sur la durée de la grossesse et le poids du nouveau-né. Pour atteindre cet objectif de prise de poids optimale, il est important pour la femme enceinte d'avoir une alimentation équilibrée.

Ainsi voici comment une prise de poids optimale doit se faire durant la grossesse :
- poids normal : indice de masse corporelle (IMC) compris entre 18,5 et 24,9 prise de poids totale recommandée entre 11,5 et 16 kg
- maigreur : IMC inférieur à 18,5 : prise de poids recommandée entre 12,5 et 18 kg
- surpoids : IMC compris entre 25 et 29,9, prise de poids recommandée entre 7 et 11,5 kg
- obésité : IMC compris entre 30 et 39,9, prise de poids recommandée inférieure à 7 kg
- obésité morbide : supérieur ou égal à 40, prise de poids recommandée inférieure à 7 kg.

Cette prise de poids optimale est repartie dans l'organisme de la femme enceinte comme suit :
- enfant : 3 - 4 kg
- placenta : 500 - 700 g
- liquide amniotique : 700 - 800 g
- utérus : plus de 800 g
- glandes mammaires : plus de 400 g
- volume sanguin : plus de 1 kg
- rétention d'eau : plus de 1 kg
- réserves graisseuses : 3 - 4 kg.

Il ne faut pas oublier que la grossesse n'est pas incompatible avec une activité physique. Cette activité, même modérée permet d'optimiser les effets d'une alimentation équilibrée.





La maternité comme vous en rêvez✨

Signe de grossesse à risque 🍃
22/11/2021

Signe de grossesse à risque 🍃

Mycoses et règlesLa mycose est une maladie féminine courante, qui est susceptible d’apparaître au moins une fois dans la...
22/11/2021

Mycoses et règles

La mycose est une maladie féminine courante, qui est susceptible d’apparaître au moins une fois dans la vie d’une femme. Elle est causée par une prolifération de levures appelés Candida albicans qui se sécrètent naturellement dans le corps humain. Lorsque le champignon dans le vagin grandit trop, cela provoque une infection vaginale, voire une mycose.

LES SYMPTÔMES ET LA CAUSE

Les symptômes d’une mycose sont des démangeaisons intenses et brûlantes, ainsi que des pertes vaginales visqueuses. Les muqueuses de la vulve peuvent présenter des rougeurs et de petits ulcères. La douleur abdominale et la fièvre ne font pas partie des symptômes, et s’ils se manifestent, vous devriez contacter un médecin. Le facteur déclencheur d’une mycose n'est pas toujours reconnu. Les antibiotiques, la grossesse, ainsi que l'utilisation intensive de protège-slips et de protections non respirants peuvent la déclencher. De plus, les fibres artificielles et les sous-vêtements empêchant la respiration prédisposent à l'infection. La mycose peut également se propager à partir du re**um dans le vagin, donc pensez à toujours essuyer vos fesses de l'avant vers l'arrière quand vous allez aux toilettes.

Étant donné que les symptômes de la mycose sont semblables à ceux de nombreuses autres maladies, comme les maladies sexuellement transmissibles ou les infections, les médicaments en vente libre doivent être choisis avec soin, surtout si la mycose survient pour la première fois.

TRAITEMENT

Pour le traitement de la mycose, les ovules vaginaux et les comprimés sur ordonnance et en vente libre peuvent être trouvés dans les pharmacies. Les ovules vaginaux sont utilisés pendant 1 à 3 jours, même pendant les règles. Une variété de crèmes peut permettre d’apaiser les démangeaisons de la vulve.

De manière générale, une bonne hygiène personnelle et un régime hypocalorique sont d'une importance primordiale. Des serviettes hygiéniques mal aérées, des protège-slips et des sous-vêtements synthétiques créent un environnement humide favorable à l’infection.

MYCOSES ET RÈGLES

Vous pouvez avoir une mycose durant vos règles. Dans ce cas, il est essentiel d'utiliser des sous-vêtements respirants et de veiller à votre hygiène. Cependant, veillez à ne pas trop vous nettoyer pour ne pas vous irriter. Un lavage avec de l'eau ou un savon doux avec un pH 7 est la meilleure solution pour garder une bonne hygiène intime. L’eau claire restant la meilleure option.

Pendant l'infection, l'utilisation de serviettes hygiéniques et de protège-slips jetables est à éviter, car cela ne permet pas une bonne respiration de votre zone intime, et donc favorise la croissance de la levure. La coupe menstruelle est la meilleure protection menstruelle lors d’une mycose, car elle permet à votre vagin de respirer et ne perturbe pas l'équilibre naturel de la flore vaginale.

Si l'infection est interne et que votre traitement ne peut pas être pris par voie orale ou qu'un ovule vaginal a été prescrit, il doit être utilisé le soir. Dans ce cas, l'utilisation d'un tampon ou d'une coupe menstruelle n'est pas recommandée, mais on peut utiliser des serviettes en coton lavables car elles protègent et permettent à votre vagin de respirer. Une mycose peut également affecter un homme, donc si monsieur présente les symptômes, il est recommandé d'utiliser des préservatifs lors de rapports sexuels.

🧑🏾‍⚕️Voady fa natao sy nekena ny hanasoa ny mpiarabelona ary atao ampitiavana ny asa Vonona hatrany 🧑🏾‍⚕️
18/11/2021

🧑🏾‍⚕️Voady fa natao sy nekena ny hanasoa ny mpiarabelona ary atao ampitiavana ny asa
Vonona hatrany 🧑🏾‍⚕️

👼🏻🤰🏻🤱🏻Sage femme bien expérimenté diplômée agréé par l'Etat est prête à vous accompagner au début jusqu'à l'accouchement...
17/11/2021

👼🏻🤰🏻🤱🏻Sage femme bien expérimenté diplômée agréé par l'Etat est prête à vous accompagner au début jusqu'à l'accouchement
Veuillez nous contacter on sera toujours disponible 👼🏻🤰🏻🤱🏻

Address

Itaosy
Itaosy

Telephone

+261347225520

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpampivelona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Mpampivelona:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram