23/03/2026
Video 322: FARADOBOKA FANOMANANA BEPC 2026
Betsaka ianareo Raiamandreny sy Mpianatra ao Mahajanga, nalahelo fa tsy hisy intsony ilay "Cours de mathématique et physique", izay mampiasa ireo fomba mahomby, mora ahatadidian'ny mpianatra ireo formules samihafa amin'ny fanomanana BEPC, rehefa nodimandry i Jamoka Misetra tamin’ny 18 Febroary 2020.
Noho izany, na dia tsy manam-potoana hampianatra cours aza ny zananivavy Tsiketa Brussah Aro Onjaniaina, satria sady mampianatra matematika ao amin’ny anjerimantonolon’ny IUGM Majunga izy no mampianatra ao amin’ny Sekoly frantsay ao Mahajanga, dia namaly ny hetahetantsika.
Hamoaka "Boky hommage", fahatsiarovana sy firaketana ho an-drainy mitondra ny lohateny hoe "BEPC no tanjona: Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto" izy, amin’ny Asabotsy izao, 28 Marsa 2026, raha sitrapon'ny Tompo.
Voaraikitra ao ireo taridalana mihavaka maro, natao hanampy ireo mpianatra manomana ny fanadinam-panjakana malagasy BEPC , miaraka amin’ireo laza adina sy valin’ny fanadinana BEPC miisa 543 hatramin’ny taona 2000.
Hozarainy amin’ny antsipirihany amintsika eto tsy ho ela, ireo:
1. Votoatin’ny boky sy ireo mampiavaka azy,
2. Toerana sy daty hamoahana azy amin’ny fomba ofisialy,
3. Ireo daty sy toerana hahafahan'ireo mpianatra misoratra anarana hanjifa ny boky sy hisitraka fanarahamaso akaiky mitohy avy aminy, mandrapahatongan’ny BEPC 6-9 Jolay 2026, na ireo ao Mahajanga na ireo avy lavitra, afaka manjifa version électronique sy manaraka fanarahamaso akaiky amin’ny alalan’ny zoom,
4. Ireo fanomezana sy fifaninanana samihafa, mamporisika ireo mpianatra ireo hahavita ireo laza adina rehetra, ary indrindra fanomezana ho an’ireo izay afaka BEPC soamantsara