Allô Rasazy

Allô Rasazy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Allô Rasazy, Medical and health, Mahajanga, Majunga.

07/01/2026

Nga hono izy io tsy mba mety natao atody de mba afaka endasina rehefa mbola tsy vonona 🤰🤦

Aza de manadroadro an'Ilay Mpamorona re a 🙄😅

Ndao mba horesahatsika kely ty Vao tsy ela no hitantsika niparitaka teto amin'ny Facebook ny mikasika ankizy iray nandos...
06/01/2026

Ndao mba horesahatsika kely ty
Vao tsy ela no hitantsika niparitaka teto amin'ny Facebook ny mikasika ankizy iray nandositra noho ny harcèlement 🥺

📌 INONA NO ATAO HOE HARCÈLEMENT ?
Ny harcèlement dia fanorisorenana na fampijaliana miverimberina atao amin’olona iray, ka mahatonga azy harary ara-tsaina, ara-pihetseham-po, na ara-batana.

⚠️ Tsy indray mandeha fotsiny izy io fa atao imbetsaka.

🔎 Endrika harcèlement:
Verbal: fanesoana, fanaratsiana, teny manambany
Psychologique: fanerena, fanilikilihana, fandrahonana
Physique: fanosehana, kapoka, herisetra
Sexuel: teny na fihetsika tsy mendrika
Cyberharcèlement: message, commentaire, publication manelingelina amin’ny réseaux sociaux

❗ Tadidio:
👉 Tsy vazivazy
👉 Tsy “mahazatra”
👉 Tsy tokony ekena

🤝 Raha iharan’izany ianao na mahita olona tratra:
Miresaha amin’olona atokisana
Mitadiava fanampiana
Aza mangina
Manana zo ho hajaina ny tsirairay

Efa niharan'ny harcèlement ve ianareo, tantarao ao amin'ny commentaire ary 👇

Ara-dalàna ve raha marary rehefa manao firaisana ?🔴 TSIA, raha miverimberina na mahery ilay fanaintainana.👉 Antony mety ...
06/01/2026

Ara-dalàna ve raha marary rehefa manao firaisana ?

🔴 TSIA, raha miverimberina na mahery ilay fanaintainana.

👉 Antony mety mahatonga azy:
🔹 Tsy ampy lubrication (maina ny fivaviana)
🔹 Stress na tahotra
🔹 Infection (perte, mangidihidy, fofona ratsy)
🔹 Fery na irritation
🔹 Olan’ny tranonjaza (ohatra: inflammation, fibrome, sns)

⚠️ Tandremo raha:
Marary isaky ny manao firaisana
Misy ra na perte tsy ara-dalàna
Misy fofona ratsy na mangidihidy
➡️ Mila manatona mpitsabo fa tsy tokony hangina.

🚫 Tsy tokony ho zakaina fotsiny ny fanaintainana

💬 Manana zo ho amin’ny firaisana tsy marary sy mahazo aina ny vehivavy

05/01/2026

Poa-tsatroka manokana ho antsika vehivavy fa isika no maharitra douleur mafy indrindra (Contraction mandritra ny accouchement)🤰💪

Tena mafy isika Reny ♥️

04/01/2026

Mazotoa manao firaisana ry vehivavy bevoka 🤰
Antony ao amin'ny commentaire 👇😘

04/01/2026

Fa nga koa misy an'zany hoe tsy misokatra ny col (saro-piterahana, ...sns) rehefa tsy nanao firaisana mihintsy nandritra ny fitondrana vohoka
❌Diso be zany ❌

Fanazavana ao amin'ny commentaire 👇😘

03/01/2026

Manaova metimety hono na bevoka aza 😁 (mipôzipôzy, manao manjamanja)
Tenenina izy zany ka mora 😅
Fa tantara be ny fanatanterahana azy 🥺

Salama daholo ve? ♥️Te hiteny Kely fotsiny aho hoe 👉 TSY MAMPORISIKA ny olona hanao fanabeazan’aizana ny RASAZY.Ny andra...
03/01/2026

Salama daholo ve? ♥️
Te hiteny Kely fotsiny aho hoe

👉 TSY MAMPORISIKA ny olona hanao fanabeazan’aizana ny RASAZY.
Ny andraikitray dia manome vaovao sy fanazavana marina, mba hahafahan’ny tsirairay misafidy an-tsitrapo, araka izay mety aminy sy ny vatany.

🩺 Ireo karazana fanabeazan’aizana azo isafidianana:
🟢 Méthodes naturelles (fanisana andro, fampinonoana, sns)
💊 Pilina
💉 Injection
🧬 Implants
🌀 DIU / Stérilet
🛡️ Préservatif
✂️ Méthodes définitives (ho an’izay efa tapa-kevitra tanteraka)

⚠️ Zava-dehibe ny mahafantatra fa
➡️ Tsy mitovy ny vatana, ka mety hisy contraception tsy hifanaraka amin’ny olona sasany.
⛔ Raha misy fikorontanana, voka-dratsy tsikaritra, azo ovaina ny fomba fanabeazan’aizana ampiasaina, aorian’ny torohevitra ara-pahasalamana ⛔

✨ Ny tanjon’ny RASAZY dia ny:
✔️ hampahafantatra
✔️ hanoro hevitra
✔️ hanampy amin’ny safidy tsara
❌ fa tsy hanery na hamporisika velively

📌 Ny safidy dia an’ny tsirairay, ny fahasalamana no laharam-pahamehana.

Hanombohantsika ity taona ity : mahaiza mandray fanapahan-kevitra amin'ny zavatra hatao rehetra 🥰 Ndrindra isika vehivav...
02/01/2026

Hanombohantsika ity taona ity : mahaiza mandray fanapahan-kevitra amin'ny zavatra hatao rehetra 🥰
Ndrindra isika vehivavy amin'ity resaka contraception na FISA hoy isika
Matetika lasa resabe izy ity, ndeha asiantsika resaka kely ary aloha

Manimba ny tranon-jaza ve ny contraception ?
👉 TSIA, tsy marina izany.
Ny contraception ankatoavin’ny mpitsabo dia tsy manimba ny tranon-jaza raha ampiasaina araka ny tokony ho izy.

🔎Ny pilina, injection, implant, DIU (stérilet)…
➜ Mifehy hormonina na misoroka fitondrana vohoka, fa tsy manimba ny tranon-jaza.
Rehefa ajanona ny contraception
➜ Miverina miasa ara-dalàna ny tranon-jaza, ary maro no bevohoka soa aman-tsara aorian’izany.

⚠️ Fa maninona no misy mahatsiaro hoe ratsy ny fisa
Mety hisy effets secondaires izy io toy ny
👉 fikorontanan’ny fadimbolana
👉 perte vaginale
👉 fanaintainana kely

➡️ Tsy fahasimban’ny tranon-jaza ireo fa fihetsiky ny vatana fotsiny.

💡 Tadidio fa
✔️ Tsy mitovy ny vatana rehetra
✔️ Ny contraception tsy mety aminao dia mety hety amin’olona hafa
✔️ Raha misy soritr’aretina maharitra ➜ mila mankany amin’ny mpitsabo

🌸 Hafatra kely ary e
Aza matahotra manao contraception noho ny tsaho (manafohy andro iainana hono ny FISA 😅, ohatra ty fa maro be henontsika any )
Ny fahalalana no fiarovana voalohany ho an’ny vehivavy.

💬 Fanontaniana ho anao 👇
➡️ Efa nampiasa contraception ve ianao ?
➡️ Inona no fiovana tsapanao tamin’izany ?
➡️ Mety sa tsy mety taminao ?

Zay fa mirary soa 🙏❤️

Salama daholo ny mpanaraka ny pejy ♥️Elaela Kely ndray Rasazy Arahabaina aloha fa tratran'ny taona 2026 eee 🎊🥳Arahabaina...
02/01/2026

Salama daholo ny mpanaraka ny pejy ♥️
Elaela Kely ndray Rasazy
Arahabaina aloha fa tratran'ny taona 2026 eee 🎊🥳
Arahabaina koa nahavita soa ny fety 🥰

Tsy adinoko ilay jeu anniversaire-n'ny page iny, tsy maintsy alefako eo ihany fa zao aloha za hirary soa antsika rehetra

Ho taona feno fifaliana, fahombiazana ho antsika anie ity taona ity 💓
Ndrindra tsy ho rofin'aretina fa ho salama lalandava 💋

⛔ Samia mitandrina ⛔
31/12/2025

⛔ Samia mitandrina ⛔

🍺 “Misotro labiera dia mahabe nono / mampiakatra ronono” : Marina ve?🔹 Ny labiera dia avy amin’ny orge, misy phyto-œstro...
24/12/2025

🍺 “Misotro labiera dia mahabe nono / mampiakatra ronono” : Marina ve?

🔹 Ny labiera dia avy amin’ny orge, misy phyto-œstrogène (mitovitovy endrika amin’ny hormone œstrogène)
🔹 Saingy kely dia kely io ka tsy ampy:
hampitombo nono
hampiakatra ronono maharitra

🤱 Fa nahoana ny olona sasany no mahatsapa hoe “niakatra nono”?
➡️ Rehefa misotro labiera dia mety:
mahazo aina ny vatana
mihena ny stress
➡️ Ka mivoaka vetivety ny ronono, fa tsy vokatry ny labiera mihitsy

⚠️ Zava-dehibe tsara ho fantatra:
Ny alcool dia mety hampihena ny famokarana ronono rehefa mandeha ny fotoana
Miditra ao anaty ronono koa izy ka tsy tsara ho an’ny zaza

✅ Ireto no tena mampiakatra ronono:
Mampinono matetika
Misotro rano betsaka
Mihinana sakafo ara-pahasalamana
Miala sasatra, tsisy stress

👉 Aza atao fanafody mampiakatra nono ny labiera.
Ny fahasalamanao sy ny an’ny zanakao no laharam-pahamehana 🤍

Address

Mahajanga
Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Allô Rasazy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram