Allô Rasazy

Allô Rasazy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Allô Rasazy, Medical and health, Mahajanga, Majunga.

Mahatonga cancer de peau ve ny produit éclaircissante?Mba haneho hevitra fa ity indray manko zao no malaza "Allô Rasazy ...
06/03/2026

Mahatonga cancer de peau ve ny produit éclaircissante?

Mba haneho hevitra fa ity indray manko zao no malaza "Allô Rasazy White" 😂

Maro no mampiasa crème na savon mampahazava hoditra mba hahazo teint mazava sy mirindra. Saingy vitsy no mahalala fa misy amin’ireo produit ireo no mety manimba tsikelikely ny hoditra.

❗ Inona no olana?
Maro amin’ireo produit éclaircissante eny an-tsena no mety misy akora mampidi-doza toy ny:
• Mercure
• Hydroquinone be loatra
• Corticoïdes

⚠️ Voka-dratsy mety hitranga amin’ny hoditra:
• Manify ny hoditra
• Mora may amin’ny masoandro
• Miseho taches mainty sarotra esorina
• Mety hiteraka irritation na infection amin’ny hoditra
Rehefa manify sy simba ny hoditra, dia lasa mora voan’ny taratra ultra-violets (UV) avy amin’ny masoandro. Izany no antony mety hampitombo ny risika ho amin’ny cancer de peau, indrindra raha ampiasaina ela sy tsy voafehy ilay produit.

❗ Midika ve izany fa ratsy daholo ny produit éclaircissante?
➡️ Tsia.
Misy produit ara-dalàna sy voasedra ampiasain’ny mpitsabo amin’ny olana sasany amin’ny hoditra.
Fa mila mitandrina amin’ireo produit tsy fantatra akora ao anatiny.

💡 Tsarovy:
Ny hoditra salama sy voakarakara tsara no tena hatsarana, fa tsy ny fanovana ny lokon’ny hoditra amin’ny fomba mety hanimba azy.

💬 Ahoana ny hevitrao? Tokony hajanona ve ny fampiasana produit éclaircissante?

📢 Zarao ity hafatra ity mba hahafantaran’ny vehivavy maro ny loza mety hitranga.

🚨 Amin'izao mbola maro ny vehivavy no tsy manao CPN ( )mandritra ny vohoka… nefa mety hampidi-doza ho an’ny reny sy ny z...
06/03/2026

🚨 Amin'izao mbola maro ny vehivavy no tsy manao CPN ( )mandritra ny vohoka… nefa mety hampidi-doza ho an’ny reny sy ny zaza izany!

Ny CPN (Consultation Prénatale) dia tena zava-dehibe mandritra ny vohoka satria:
✅ Manamarina raha salama tsara ny zaza ao an-kibo
✅ Ahafahana mahafantatra aretina mialoha (anémie, infection, tension…)
✅ Manampy hiaro ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza
✅ Manomana ny reny amin’ny fiterahana azo antoka

❗ Raha tsy manao CPN mihitsy ny vehivavy bevohoka dia mety:
Tsy fantatra ny aretina
Mety hisy loza amin’ny fiterahana
Tandindonin-doza ny reny sy ny zaza

💬 Soraty amin’ny commentaire: efa nanao CPN firy ianao nandritra ny vohoka?

📢 Zarao ity publication ity mba hahafantaran’ny vehivavy maro ny maha-zava-dehibe ny CPN.

👍 Araho ny page Allô Rasazy raha te hahazo torohevitra momba ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny vohoka.

🚨 FAMBARA 5 MILAZA FA AKAIKY HO TERAKA NA MIHETSI-JAZA NY VEHIVAVY IRAY Matetika aho mahita vehivavy manontany any anaty...
05/03/2026

🚨 FAMBARA 5 MILAZA FA AKAIKY HO TERAKA NA MIHETSI-JAZA NY VEHIVAVY IRAY

Matetika aho mahita vehivavy manontany any anaty groupe any hoe efa ho teraka ve aho fa marary be ny lamosiko, mararirary any anaty kiboko, misy tsiranoka mivoaka....sns
Dia gaga fotsiny aho fa kay mbola misy tsy mahay an'zany, dia mbola aty anaty facebook no manontany fa tsy avy dia manantona tobi-pahasalamana 🙄

Rehefa manakaiky ny fiterahana dia misy famantarana avy amin’ny vatana izay manambara fa efa manomboka ny asa fiterahana.

Ireto ny fambara mety hiseho:
1️⃣ Fanaintainana miverimberina amin'ny kibo na lamosina (contractions)
2️⃣ Fivoahan’ny rano avy amin’ny tranon-jaza
3️⃣ Tsiranoka misy ra kely mivoaka
4️⃣ Tsindry mafy eo amin’ny valahana
5️⃣ Faniriana te hanena

👉 Tsy voatery hitranga miaraka izy rehetra, fa mety ho iray na maromaro amin’ireo.

💬 Iza tamin’ireo no tsapanao voalohany rehefa niteraka ianao?
Soraty amin’ny commentaire 👇

📌 Araho ny page Allô Rasazy raha mila torohevitra sy fanabeazana momba ny fitondrana vohoka sy fiterahana.

“Zazakely sy ny réseaux sociaux… aiza ny fetra?” 👶📱Maro amintsika ray aman-dreny no tia mizara ny hafaliana sy ny fitomb...
04/03/2026

“Zazakely sy ny réseaux sociaux… aiza ny fetra?” 👶📱

Maro amintsika ray aman-dreny no tia mizara ny hafaliana sy ny fitomboan’ny zanatsika eny amin’ny réseaux sociaux 🥰
Fahatsiarovana sarobidy tokoa izany.

Kanefa, ilaina ihany koa ny mieritreritra:
✨ Ny fiarovana azy
✨ Ny fiainana manokan’ny zaza
✨ Ny ho aviny rehefa lehibe izy

Tsy hoe ratsy ny mizara hafaliana,
fa angamba mila fifandanjana sy fitandremana 💞

💬 Ahoana ny hevitrao, ry famille Allô Rasazy?

1️⃣ Tsara postena ve? Sa
2️⃣ Mila ferana ? Sa
3️⃣ Tsy tokony atao mihitsy

🫶 Andao hifanakalo hevitra am-pitiavana sy am-panajana.

🌸 “TE HAMPIHENA NY RISIKA TATAKA REHEFA  MITERAKA VE IANAO ?”Samy matahotra an'izany hoe tataka na déchirure périnéale i...
02/03/2026

🌸 “TE HAMPIHENA NY RISIKA TATAKA REHEFA MITERAKA VE IANAO ?”

Samy matahotra an'izany hoe tataka na déchirure périnéale izany avokoa ngamba isika
Ny marina? Tsy misy fomba miantoka 100% hisorohana mba tsy ho tataka

✨ Fa misy fomba manampy hampihena risika sy manomana ny vatana.
👉 Anisan’izany ny exercices de Kegel sy massage du périnée.

💪 1️⃣ EXERCICE DE KEGEL
🎯 Tanjona amin'izy ity dia ny hanamafy ny hozatra perinée

Ahoana no fanaovana azy?
1️⃣ Eritrereto hoe manakana pipy tampoka ianao
2️⃣ Henjana ilay hozatra ao anatiny
3️⃣ Tazomy 5 segondra
4️⃣ Avotsory 5 segondra
🔁 Avereno in-10
🕒 Ataovy in-3 isan’andro
Rehefa zatra dia ampitomboy 10 segondra ny fitazonana.
⚠️ Aza mampiasa hozatry ny kibo, vody na fe — ilay hozatra anatiny ihany no miasa.

🌸 2️⃣ MASSAGE DU PÉRINÉE
🎯 Hampitombo ny elastisité-ny perinée ny tanjona eto

📅 Azo atomboka manomboka amin’ny 34 SA (raha tsy misy contre-indication).
Fomba fanaovana azy:
✔️ Sasao tsara ny tanana
✔️ Mampiasà huile végétale madio
✔️ Ampidiro moramora ny ankihibe (na rantsan-tanana iray) eo amin’ny fidiran’ny fivaviana
✔️ Tsindrio moramora mankany ambany sy amin’ny sisiny (toy ny U)
✔️ Ataovy 5–10 minitra, in-3 na in-4 isan-kerinandro
Tsy tokony hampijaly be, fa tokony hahazo aina tsara

🎯 Inona no soa azo amin'ny fanaovana azy ireo
✨ Manamafy sy manomana ny perinée
✨ Manampy hampihena risika tataka
✨ Manampy amin’ny fanarenana aorian’ny fiterahana
✨ Mampihena ny pipy tsy voatazona

👉 Raha bevohoka ianao, atombohy dieny izao ny fikarakarana ny perinée
👉 Partageo amin’ny reny hafa mila ity fanazavana ity
👉 Araho hatrany ny page ALLÔ RASAZY ho an’ny fanabeazana momba ny fahasalaman’ny vehivavy

Fa maninona no toa mora tezitra sy masiaka ny vehivavy indraindray… indrindra ireo reny? 💡 Tsy hoe masiaka na tia ady ny...
02/03/2026

Fa maninona no toa mora tezitra sy masiaka ny vehivavy indraindray… indrindra ireo reny?

💡 Tsy hoe masiaka na tia ady ny vehivavy akory. Matetika dia misy antony lalina ao ambadik’izany :

🔹 Fiovan’ny hormonina
Mandritra ny fadimbolana, fitondrana vohoka, na aorian’ny fiterahana dia miova be ny hormonina. Izany no mety mahatonga fahasosorana, fahakiviana, na hatezerana tampoka.

🔹 Adin-tsaina sy havizanana
Ny reny dia mitondra andraikitra maro: mikarakara zaza, mitantana tokantrano, indraindray mbola miasa koa. Raha tsy ampy torimaso sy fanampiana dia lasa mora tezitra.

🔹 Enta-mavesatra ara-tsaina (charge mentale)
Izy no mieritreritra sy mikarakara ny zava-drehetra: sakafo, fianarana, fahasalamana, vola… ka rehefa miangona izany dia mipoaka amin’ny endrika hatezerana.

🔹 Tsy fahazoana fanohanana
Rehefa mahatsapa ho irery na tsy misy mihaino izy dia mety haneho izany amin’ny fomba masiaka.

⚠️ Indraindray koa dia mety misy fahaketrahana aorian’ny fiterahana (dépression post-partum) izay mila fanampiana ara-pitsaboana.

❤️ Ny vehivavy tezitra indraindray dia tsy tokony omena tsiny… fa mila fahatakarana, fitsaharana, ary fanohanana.

📣 Raha reny ianao ka mahatsapa ho mora tezitra sy reraka, aza menatra mitady fanampiana.
👉 Raha lehilahy na havana ianao, miezaha hanohana sy hihaino.

💬 Zarao ny hevitrao na ny traikefanao eto ambany.Ianao ve ilay mora tezitra sy mikitakita ?
🔄 Partageo hanampy ny hafa hahatakatra bebe kokoa.

“MATAHOTRA TATAKA REHEFA MITERAKA VE IANAO" ?Maro isika vehivavy no manahy an’io… indrindra raha zaza voalohany.Rehefa m...
01/03/2026

“MATAHOTRA TATAKA REHEFA MITERAKA VE IANAO" ?
Maro isika vehivavy no manahy an’io… indrindra raha zaza voalohany.

Rehefa mivoaka ny lohan’ny zaza dia miitatra be ny périnée (faritra eo anelanelan’ny fivaviana sy ny a**s).
Raha tsy malefaka sy tsy voaomana tsara izy io dia mety hisy tataka (déchirure).

✅ Ireto ny fikafika azonao atao mandritra ny vohoka
🔹 1️⃣ Massage périnéale (manomboka 34–35 herinandro)
– Atao 3–4 fois isan-kerinandro
– Mampiasa huile madio
– Manalefaka ny hozatra sy mampihena risika tataka
🔹 2️⃣ Exercice Kegel
– Manamafy ny hozatry ny périnée
– Atao 10–15 répétition, 2–3 fois isan’andro
– Zava-dehibe: mianatra mamaha hozatra koa, fa tsy manamafy fotsiny
🔹 3️⃣ Fifehezana fofonaina
Miaina lalina sy mamoaka rivotra miadana mba tsy hanery be tampoka.(Heveritsika ho tsy dia misy dikany ity fa tena zava-dehibe)

🌿 Rehefa voaomana sy malefaka ny périnée dia mora miitatra izy ary mihena be ny risika tataka

👉 Raha bevoka ianao na manomana vohoka, manomboka miomana dieny izao.
👉 Te hahalala tsara ny fomba fanaovana massage périnéale sy Kegel tsikelikely? Soraty hoe “Liana aho” dia hazavaiko aminao 💗
👉 Zarao amin’ny reny hafa mety mila ity fanazavana ity

❓ “Niteraka aho fa tsy tena nahay nanena… dia ela be vao nivoaka ny zaza!”Raha efa nahatsapa an’izany ianao, tsy irery i...
27/02/2026

❓ “Niteraka aho fa tsy tena nahay nanena… dia ela be vao nivoaka ny zaza!”
Raha efa nahatsapa an’izany ianao, tsy irery ianao

Vehivavy maro no:
Manena mialoha loatra
Manosika any amin’ny tarehy sy tenda fa tsy any ambany
Tsy mahay miara-miasa amin’ny contraction

Vokany?
Reraka be 😩
Ela ny fiterahana
Mety ho tataka na olana hafa

👉 Rehefa misokatra tanteraka (10 cm) ny vozon-tranonjaza (col) vao manomboka manena.
👉 Rehefa tonga ny contraction:
1️⃣ Maka rivotra lalina (inspiration profonde)
2️⃣ Tazomina 5–10 segondra
3️⃣ Manosika MIDINA (toy ny hoe mi-caca, mangery* raiki-tay )

❌ Aza manosika any amin’ny tarehy
✔️Aza abontsina eo amin'ny tenda ilay fanenana
✔️ Alefa any amin’ny kibo sy fivaviana ny hery
Isaky ny contraction dia afaka manena in-2 na in-3.
Eo anelanelany dia miala sasatra sy miaina ara-dalàna.

Rehefa tsara ny fanenana:
✔️ Mihena ny faharetan’ny fiterahana
✔️ Tsy reraka loatra ny reny
✔️ Tsara kokoa ny fiarovana ny reny sy ny zaza

Raha te hianatra mialoha momba ny dingana amin’ny fiterahana ianao, dia tsara ny manatona mpampivelona na tobim-pahasalamana akaiky anao mba hahazo fanazavana sy fanomanana.

💬 Zarao amin’ny reny sy ny vehivavy bevohoka ity publication ity.
📌 Te hahalala bebe kokoa momba ny fiterahana ve ianao? Araho hatrany ny page " Allô Rasazy "

⚠️ “Te hanena mafy aho… fa hoy ny rasazy: mbola tsy mahazo manena!”Inona no atao raha ilay zaza efa manesika mafy nefa m...
26/02/2026

⚠️ “Te hanena mafy aho… fa hoy ny rasazy: mbola tsy mahazo manena!”
Inona no atao raha ilay zaza efa manesika mafy nefa mbola tsy dilatation complète ? (10cm)

Ireto ny fikafika manampy rehefa mbola tsy mahazo manena:
🔹 Fofonaina “anti-poussée”
– Maka rivotra lalina amin’ny orona (inspiration profonde)
– Mamoaka miadana amin’ny vava (toy ny mitsoka labozia)
– Na manao “ha-ha-ha” fohy sy haingana
🔹 Miova position
– Matory miorirana miankavia
– Mandohalika mitongilana
– Na position à quatre pattes (raha eken’ny mpitsabo)
🔹 Miezaka miala sasatra (sarotsarotra ity)
– Avela ho malefaka ny valahana
– Tsy mihenjana
– Tsy mitazona rivotra ela

Ny mpampivelona (rasazy) no manara-maso akaiky ny fisokafan’ny vozon-tranonjaza. (Col)
Raha mbola tsy 10 cm dia ny tsy fanenana aloha no miaro ny reny sy ny zaza amin’ny loza mety hitranga.

Te hahalala bebe kokoa momba ny fikarakarana sy fitondrana vohoka ary fiterahana azo antoka?
Araho hatrany ny pejy ho an’ny fanabeazana ara-pahasalamana mazava sy azo ampiharina.

📣Zarao amin’ny reny sy vehivavy bevohoka ity mba hahafantarany ny tokony hatao rehefa tonga io fotoana sarotra io 🙏

Tena mampiferinaina 😔Ahoana ny anareo, ndao hifampizara ary, misy calendrier ve ny laoka isanandro sa dia izay tonga ao ...
26/02/2026

Tena mampiferinaina 😔

Ahoana ny anareo, ndao hifampizara ary, misy calendrier ve ny laoka isanandro sa dia izay tonga ao an-tsaina no atao ❤️

🥰

Mampiasa rasoir ve ianao isaky ny manao hygiene intime? Azo antoka ve izany?Vehivavy maro no misafidy rasoir satria mora...
26/02/2026

Mampiasa rasoir ve ianao isaky ny manao hygiene intime? Azo antoka ve izany?

Vehivavy maro no misafidy rasoir satria mora sy haingana.
Fa matetika:
Miteraka olana
Miseho haingana ny volo (maranitra sy mangidihidy)
Mety hiteraka poils incarnés
Izany rehetra izany dia mety tsy hampahazo aina ary mety hanorisory isan’andro.

Raha resaka hygiene intime:
✔️ Rasoir → mety raha maika, fa mila atao am-pitandremana (rasoir madio, crème adaptée, tsy atao matetika loatra).
✔️ Épilation → maharitra ela kokoa ny vokany, malefaka kokoa ny volo miverina, ary matetika mihena ny irritation raha atao tsara.

Tsy hoe iray no “tsara indrindra” ho an’ny rehetra, fa miankina amin’ny hoditrao sy ny fahazarana

🔎 Ny faritra intime dia manana hoditra marefo kokoa.
Rehefa esorina amin’ny rasoir ny volo dia maranitra ny fiveriny, ka izany no mahatonga mangidihidy sy irritation.
Ny épilation kosa manala volo avy amin’ny fakany, ka maharitra 3–4 herinandro eo ho eo vao miverina.

🎁Ireto ny fikarakarana aorian’ny fanalana volo sy ny fomba hisorohana irritation:
1️⃣ Sasao malefaka amin’ny rano mafana kely (tsy mafana be).
2️⃣ Aza asiana savon mahery na produit parfumé.
3️⃣ Asio crème hydratante malefaka na gel aloe vera naturel hanalefahana ny hoditra.
4️⃣ Aza manao akanjo tery(silipo) mandritra ny 24 ora voalohany.
5️⃣ Aza mikasika matetika ilay faritra.
6️⃣ Raha rasoir no ampiasaina → rasoir madio sy vaovao no tsara, ary ataovy manaraka ny fitombon’ny volo ny fanapahana.

Soraty amin’ny commentaire: “RASOIR” sa “ÉPILATION” no ampiasainao? Afa-po ve?

Address

Mahajanga
Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Allô Rasazy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram