31/05/2024
🔴 INONA NO ATAO HOE DIABETA ⚠️
Ny Diabeta dia aretina azo avy amin'ny tsy fahampiany INSULINE, izay vokarin'ny sarakaty na Pancréas. Vokatr'izany, dia tsy afaka mamadika ny siramamy ao anaty rà ho lasa hery (énergie) hoentiny vatana miasa intsony ny Diabetika.
‼️ Ny fiakaran'ny tahany siramamy ao anaty rà (hyperglycémie) maharitra (chronique) no tena fambara hitiliana azy io matetika.
‼️ Mety ho tratrin'ny Diabeta avokoa ny olona rehetra, indrindra ireo efa nahazo taona, sy ireo olona MATAVY (obèse) na mahazo aina (surpoids).
________
✅ Betsaka ny antony mahatonga ny Diabeta, raha tsy hiteny aho hafatsy ny :
👉🏾 Fihinànana sakafo be menaka (hena-charcuterie-jaune d'oeuf-fromage-beurre-crème), mamy loatra (bonbons-chocolat-boissons gazeuses), be lafarinina (gâteau-patisserie)
👉🏾 Tsy fahampiany fanetseham-batana sy ny fanatanjahantena
👉🏾 Fanànana ray amandreny misy Diabeta
👉🏾 Fisotroana toaka diso tafahoatra
👉🏾 Sy ny maro samihafa ...
________
💊 AZO TSABOINA sy ALAMINA tsara anefa ny Diabeta. Ka manatona mpitsabo mahay diany mbola tsy tara.
________
⛔ Raha tsy tsaboina kosa dia ireto no voka-dratsiny :
❌ Insuffisance Rénale 🌟 (mety ho tonga hatrany @ Dialyse izany)
❌ Infarctus du Myocarde 🌟 (fahatsetsenan'ny lalandrà mamelona ny Fo)
❌ Insuffisance Cardiaque 🌟 (faharerahan'ny Fo ka manempotra sy mampivonto)
❌ AVC 🌟 (fahatsetsenana na fahatapahan'ny lalandrà anaty Atidoha, ka mampalemy sy maha-moana)
❌ Cécité 🌟 (fahanjambàna tsisy fanafana)
❌ Amputation 🌟 (fanapàhana ny tongotra izay misy fery tsy azo sitranina intsony)
❌ Impuissance 🌟 (fihenan'ny filàna ara-nofo, tsy velona intsony ny mahalehilahy, tsy manana filàna hiray intsony ny vehivavy)
❌ Fahafatesana no hiafarany.
✅ SAMIA MIZARA
_❗⛔_Aleo misoroka toy izay mitsabo tandrovy ny fahasalamana ry namako,havako❗⛔❗_____
Hafatra indrana💉💊💉