Apm-Sisfm Menabe

Apm-Sisfm Menabe Association des Paramédicaux de Menabe et Syndicat des infirmier de sage-femme de Menabe

05/02/2026

Fifampiarabana ny taona vaovao
APM-SISFM

05/02/2026
03/02/2026

miarahaba antsika Paramed manerana ny faritra Menabe
mampatsiahy antsika fa le 04 fevrier am 4 ora tolakandro ny fivoriantsika mikasika ny bonne année ao @ hopitaly manarapenitra Morondava
samia mifampilaza.

mankasitraka antsika sahady

31/01/2026

📢 Fantaro indray anio ny mahakasika ny ARBOVIROSES

❓ Inona tokoa moa no antsoina hoe ARBOVIROSES ?
Ny Arboviroses dia ireo aretina mifongatra sy mipongatra (maladies émergentes et ré-émergentes) izay mora miparitaka haingana 🚨, ary fahita matetika eny andrenivohitra (mety efa mitoetra na autochtone, mety ihany koa avy any ivelany na importés ✈️).
🦟 Arboviroses dia avy amin’ny teny hoe arbovirus (Arthropod Borne Virus), izany hoe virus na tsimokaretina azo avy amin’ny kaikitry ny moka, ary misy ihany koa azo avy amin’ny biby fiompy 🐄🐐.
Ireo karazana moka toy ny Aedes, Culex, Anophèles… no mitondra ny virus ka manaikitra sy mamindra izany amin’ny olombelona.
🌍 Misy karazany 110 ireo arbovirus mety hankarary ny olombelona maneran-tany, fa 3 no voamarina eto Madagasikara 🇲🇬 :
• Dengue
• Chikungunya
• Fièvre de la Vallée de Rift (FVR)
Araka ny voalazan’ny OMS 🏥, 4 lavitrisa ny olona mety ho tratran’ny arboviroses maneran-tany, ary mety hahatratra 5 lavitrisa amin’ny taona 2050.
🔎 AHOANA NY FISEHONY
🦟 DENGUE
Miseho ao anatin’ny 4–10 andro aorian’ny kaikitry ny moka Aedes (manaikitra amin’ny antoandro).
Soritr’aretina :
• 🌡️ Fanaviana be (40°C farafahakeliny)
• 🤕 Marary mafy ny loha sy ny voamaso
• 💪 Marary ny nofo sy ny vanintaolana
• 🤢 Misalebolebo sy mandoha
• 🔴 Aretin-koditra (tratra sy ratsambatana)
⚠️ Raha voakaikitry ny moka indray ny olona efa nitondra dengue taloha dia mety hiseho ny dengue mahery vaika :
• 🤕 Aretinkibo mahery vaika misy lio
• 🤮 Fandoavana mitohy misy lio
• 🩸 Mandeha rà ny orona sy ankanjonify
• 😮💨 Haingana ny fisefoana, reraka
• 🥤 Mangetaheta be
• ❄️ Antsatra ny hoditra
🦟 CHIKUNGUNYA
Miseho ao anatin’ny 4–8 andro aorian’ny kaikitry ny moka Aedes.
Soritr’aretina :
• 🌡️ Fanaviana (38°C farafahakeliny)
• 🦴 Marary mafy ny vanintaolana (tanana, tongotra, lohalika)
• 😣 Fahasarotana mijoro na mihetsika
• 🤕 Marary andoha
• 🤢 Misalebolebo
• 🔴 Aretin-koditra
👵👶 Ny ankamaroan’ny marary dia sitrana tanteraka, saingy mety hisy fahasarotana (maso 👁️, retsika 🧠, fo ❤️) indrindra amin’ny zokiolona sy zaza mena vava.
🐄 FVR – Fièvre de la Vallée de Rift
Azo avy amin’ny :
• 🦟 Kaikitry ny moka (Aedes, Culex, Anophèles, Mansonia)
• 🥩 Fikirakirana hena na ràm-biby marary
• 🥛 Fisotroana ronono tsy masaka tsara
Tranga tsotra (toy ny grippe) :
• 🌡️ Fanaviana tampoka
• 🤕 Marary vanintaolana sy hozatra
• 🤯 Marary andoha
• 🤢 Fandoavana
• 💡 Tahotra hazavana
⚠️ Fahasarotana :
• 👁️ Fahavoazan’ny maso (mety hitarika fahajambana)
• 🧠 Méningo-encéphalite (fanintona, fahaverezan-tsaina, koma)
• 🩸 Fièvre hémorragique (mandeha rà anatiny sy ivelany) — mety hahafaty hatramin’ny 50%
💊 FITSABOANA
• Raha tranga tsotra ➜ Fitsaboana ireo soritr’aretina fotsiny.
• Raha misy fahasarotana ➜ Fanarahamaso akaiky eny amin’ny tobimpahasalamana 🏥.
🛡️ FISOROHANA
Azo sorohana tsara ny arboviroses :
• 🚫 Misoroka fikirakirana henambiby marary
• 🧤 Manao arotanana raha voatery mikirakira
• 🧼 Manasa tanana amin’ny savony
• 🍲 Mahandro tsara hena sy ronono
• 💧 Manala rano miandrona (kapoaka, pneu…)
• 🗑️ Manadio fako
• 🪟 Mametraka lay sakana amin’ny varavarana sy varavarankely
• 🛏️ Matory anaty lay misy odimoka (indrindra zaza sy zokiolona)
• 👕 Mitafy akanjo manarona hoditra
• 🦟 Mampiasa insecticides sy fanafody mandroaka moka
• 🌿 Mamboly zavamaniry mampandositra moka (citronnelle, romarin…)
• 🏥 Manatona haingana mpitsabo raha misy trangan’aretina mampiahiahy.
📌 HAFATRA
💚 Sarobidy ny fahasalamantsika!
Andao hiaro tena sy hiaro ny ankohonantsika amin’ny alalan’ny fisorohana sy fanadiovana ny manodidina.

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.





31/01/2026
31/01/2026

Miarahaba antsika namana paramed rehetra
Mba hifankahafantarantsika dia manasa anao handefa ny sarinao sy ny andraikitra sahaninao eto amin’ny pejy.

31/01/2026

Miarahaba antsika paramed manerana ny Menabe ity no pejy afahan-tsika mifandray mikasika ny tontolony Paramed sy ny asany koa manasa antsika rehetra hanaraka ity pejy ity.

Address

Menabe
Morondava
619

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Apm-Sisfm Menabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram