02/06/2025
🤝Vokatry ny fiaraha-miasan’ny SAHI Mpanasoa,amin’ny alalan’ny tetik’asa FAFIRANO III, izay tohanan’ny UNICEF dia tanteraka ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana izay manamarika ny fahafahana tanteraka amin’ny fangerena ankalamanjana (Fin de la Défécation à l’air Libre : FDAL) ho an’ny Kaominina Befasy sy Analaiva, distrika Morondava sy ireo fokontany 37 mandrafitra izany ny sabotsy 31 may 2025 teny amin’ny kianja malalaka Kaominina ambanivohitra Befasy taorian’ny fidinana ifotony teny amin’ny fokontany Mahasoa nataon’ireo manampahefana isan-tsokajiny izay nahitàna ny solon-tenan’ny Faritra Menabe sy ny Prefetioran’ny Morondava, ny Fitaleavana misahana ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, ny fitaleavana misahana ny fahasalamam-Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny fitaleavan’ny mponina sy ny firaisan-kina, ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena, ny lehiben’ny vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena, ny solon-tenan’ny Rotary Club sady olo-be , ireo olo-manankaja sivily sy miaramila, ny firaisamonim-pirenena , ka nahatsapana fa mampiasa ireo kabone sy toeram-pidiovana ny mponina ary tsy misy intsony ny tay miparitaka .
💧Amin'ny fitsinjovana ny lafiny maha-olona sy fanatanterahana ny politika ankapobean'ny fanjakana dia tsy afa misaraka ny fahasalamana sy ny rano fidiovana ary fahadiovana ka nandritran’ny fifandimbiasam-pitenenana samihafa dia nanamafy ny maha-zava dehibe sy ny tokony hitohizan’izao ezaka izao mba hisorohana ireo aretina azo amin’ny tay miparitaka ny talem-paritry ny fahasalamana ary nanentana ny amin’ny fanantonana ny tobim-pahasalamana koa raha sendra misy ny trangan’aretina; nohararaotina nandritra izany koa ny fanentanana amin’ny hetsika fanaovam-baksiny AVII izay hatao ny 02 ka hatramin’ny 06 jiona 2025 ka hanomezan’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka ireo tolotra rehetra mahakasika ny vaksiny eny anivon’ny fiaraha-monina.
📌Ny Kaominina Befasy izay ahitana mponina 14 690 sy fokontany 17 ary Analaiva ahitana mponina 24 867 sy fokontany 20 (distrikta Morondava) dia anisan’ireo Kaominina ambanivohitra 04 izay iasan’ny SAHI Mpanasoa izay miantsehatra amin’ny lafiny fidiovana sy fanadiovana aty amin’ny faritra Menabe.
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka