12/03/2026
‼️ 𝐎̂𝐢𝐨̂!!! “𝐍𝐃𝐄𝐇𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐇𝐀𝐘…” ‼️
🛌 𝐅𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐫𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨 𝐚𝐦𝐩𝐲, 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐛𝐞𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐢𝐚𝐳𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐞𝐤𝐨𝐥𝐲.
𝐍𝐲 𝐭𝐨𝐫𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐝𝐢𝐚 :
✔️ 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚
✔️ 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐭𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐝𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚
✔️ 𝐌𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚
✔️ 𝐌𝐢𝐬𝐨𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐯𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨.
💡 fa :
Ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny zaza sy hananany fifantohana tsara amin’ny fianarany, dia tsara raha matory ara-potoana ary tsy tapaka izy.
🛌 Ny ankizy 6 hatramin’ny 13 taona dia tokony hatory :
➡️ Adin’ny 8 hatramin’ny adin’ny 11 ora isan-kalina ary 30 minitra mialohan’ny hatoriana dia atsahatra ny fijerena écran (finday, tablette, fahitalavitra).
‼️Harena ny zanaka, ary sarobidy ny fahasalamany, andeha isika Ray aman-dreny hanara-maso akaiky ny torimason’ny zanatsika.‼️
-------
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction de la Promotion de la Santé
(C): Com DPS - Martsa 2026