Centre de Santé Mamindra Aina - CSMA I

  • Home
  • Centre de Santé Mamindra Aina - CSMA I

Centre de Santé Mamindra Aina - CSMA I Consultation générale - Pré et Post-Natale - Accouchement - Pédiatrie - Échographie - Dentisterie

13/03/2025

Miarahaba tompoko 👋 👋

Momba ny "arivo andro voalohany" ("1000 premiers jours") ny topic antsika androany.

➡️Inona no antsoina hoe "1000 premiers jours "
Manomboka @ andro hiforonan'ny Zaza ao an-kibo izy io mandrapahafeno azy 2 taona eo.

➡️Fa maninona no manan-danja ny 1000 andro voalohany ?
👉Satria miankina amin'io ny fahasalamana, fivoaran'ny saina, ny fitomboan'ny vatana , ny hery fiarovana , ny fifandraisana amin'ny manodidina, ny fiatrehana ny karazan'aretina amin'ny ho avy sns...

➡️ Inona no tokony hatao ?
🟢Ny sakafo lavorary no tena anisan'ny fototra ijoroan'ny fahatombanan'ny 1000 andro voalohany
Izany hoe manomboka @ fitondran'ilay reny bohoka. Mila sakafo ara-pahasalamana sy miovaova.

🟢Ny aretina izay mitranga amin'io salan-taona io dia mila voatsabo tsara ialana amin'ny atao hoe aretina tarazo (maladies chroniques) rehefa mihalehibe ny Zaza. Anatin'izany ny infections rehetra, ny inflammations rehetra, ny tsy fahampian-tsakafo, carences et malnutritions rehetra....

✅Ireto ny torohevitra anisan'ny manan-danja indrindra :
👉Tohanana ara-tsakafo ny reny bevohoka sy mampinono ( kalitao ny resaka eto fa tsy habetsaka 😅 , sao misy hiteny indray any hoe hividiano triple burger avec frites et mayonnaise hono za😁)
👉Omeo nonon-dreny ny Zaza (lait maternel)
👉Araho maso ny fahasalamany sy ny fitombony
👉Omeo ny karazan-tsakafo maro loko sy ny protéines izy rehefa mihinana venti-kanina
👉Omeo fitiavana ny Zaza mba tsy ho stressé lava
👉Araho tsara ny fitsaboana rehetra ataon'ny mpitsabo rehefa marary ny Zazakely

Izay indray ary ny rubrique anio.
Aza adino ny réaction kely 👍, mentionnéo ny namana , Zarao ny publication hahasoa ny hafa.

Dr Vatosoa - Conseils et suivis pédiatriques
Mpitsabo Zaza

Ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga dia mametraka ny fahasalamana sy ny fanabeazana ho antoky ny fandrosoan'ny maha olona...
19/08/2024

Ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga dia mametraka ny fahasalamana sy ny fanabeazana ho antoky ny fandrosoan'ny maha olona sy ny fiarahamonina.

Ny Centre de Santé Mamindra Aina (CSMA) eto Tsarafara Sabotsy Namehana dia faly mifanome tanana amin'ny Ray aman-dReny amin'izao fidiran'ny mpianatra ka manolotra fitaovam-pianarana amin'ny vidiny mirary ny Alakamisy 22 août tapak'andro maraina.

"Izay manoro lalana mahitsy mamindra aina"

Saro-pady ny foitra zazakely an! sady mba mila manjamanja koa indrindra raha vavikely 😊
18/03/2024

Saro-pady ny foitra zazakely an! sady mba mila manjamanja koa indrindra raha vavikely 😊

L'équipe féminine du CSMA Sabotsy Namehana : jeune, dynamique, accueillante et surtout professionnelle.
15/03/2024

L'équipe féminine du CSMA Sabotsy Namehana : jeune, dynamique, accueillante et surtout professionnelle.

Docteur Riana: "Tsy marary izany hoy aho ny manala nify, fa ny tena tsara vao misy simba kely na mangotsoka dia entina a...
14/03/2024

Docteur Riana: "Tsy marary izany hoy aho ny manala nify, fa ny tena tsara vao misy simba kely na mangotsoka dia entina aty amboarina".
Ampitsikiana hatrany no handraisan'i Dentiste anao eto amin'ny CSMA Sabotsy Namehana.

Nomarihana tamin'ny fizaham-pahasalamana sy fisafoana maimaim-poana ny 08 mars, andron'ny vehivavy, teto amin'ny Centre ...
09/03/2024

Nomarihana tamin'ny fizaham-pahasalamana sy fisafoana maimaim-poana ny 08 mars, andron'ny vehivavy, teto amin'ny Centre de Santé Mamindra Aina Sabotsy Namehana anio.

Zo fototra ny fisitrahana fitsaboana raha sendra tojo tsy fahasalamana. Misehatra amin'izany ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga

Ny vehivavy no fototra iorenan'ny ankohonana, hananganana firenena vanona Zo fototra ny hisitrahany fanaraha-maso ara-pa...
06/03/2024

Ny vehivavy no fototra iorenan'ny ankohonana, hananganana firenena vanona
Zo fototra ny hisitrahany fanaraha-maso ara-pahasalamana, indrindra mandritra ny fitondrany vohoka.

Ho fanamarihana ny andron'ny 8 mars. Izahay dia faly manolotra fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ny Vehivavy, eto amin'ny CSMA Tsarafara Sab-Nam
- Test Diabète
- Fizahana tosi-dra
- Fisafoana

Sabotsy 9 mars 2024, amin'ny 8ora - 12ora

Vonona handray anao sy hikarakara anao ny Rasazy eto amin'ny CSMA Tsarafara Sab-Nam. Am-pitiavana be ny famaliana ireo f...
05/03/2024

Vonona handray anao sy hikarakara anao ny Rasazy eto amin'ny CSMA Tsarafara Sab-Nam. Am-pitiavana be ny famaliana ireo fanontaniana manitikitika anao mahakasika ny fanabeazana haizana, ny fanomezana tan-tsoroka mandritra ny vohoka

Rasazy Nathalie, Rasazy Nomena, Rasazy Laingo

26/02/2024

Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara Sabotsy-Namehana: Toeram-pitsaboana natsangan'ny MMM
Ny Antoko Malagasy Miara-MiaingaMalagasy Miara-Miainga - MMMMMM dia mikatsaka mandrakariva ny fampandrosoana ity taninjanaka ity amin'ny alalan'ny fanajàna ny tamberin'andraikitra (redevabilité) amin'ny vahoaka, ny fikatsahana ny soa iombonana, ny fametrahana ny tany tan-dalàna

Mankasitraka ny rantsa-mangaikan'ny MMM, telo toko nahamasa-nahandro tokoa ato anatin'ny fianakaviam-ben'ny MMM: Mr Hajo Andrianainarivelo, Filoha Nasionalin'ny Antoko MMM, Mme RALIHARISOA Hermine Filoha Nasionalin'ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga, ary Mr Andry Harilala Ratavilahy Filoha Nasionalin'ny Tanora Malagasy Miara Miainga.

Tongasoa i Camille, 2kg900, 49cmArahabaina ny Ray aman-dReniny dia maroroha taiza o!Fanomezana kely avy amin'Andriamatoa...
15/02/2024

Tongasoa i Camille, 2kg900, 49cm
Arahabaina ny Ray aman-dReniny dia maroroha taiza o!

Fanomezana kely avy amin'Andriamatoa Andry Harilala Ratavilahy, izay Président Tanora Malagasy Miara-Miainga, ho an'i Camille, zaza vavikely voalohany teraka teto amin'ny CSMA Tsarafara Sabotsy-Namehana.
Mankasitraka ny ekipan-dRasazy o!

Zazalahy kely no teraka voalohany teto amin'ny Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara Sabotsy-Namehana.Salama tsara ny ...
13/02/2024

Zazalahy kely no teraka voalohany teto amin'ny Centre de Santé Mamindra Aina Tsarafara Sabotsy-Namehana.
Salama tsara ny Zaza sy ny reniny.
Nahazo fanomezana mamy kely avy amin'i Mr Andry Harilala Ratavilahy mivady
Tongasoa Sarobidy, 3,400kg, 50cm.
Maroroha Taiza dia mirary ny soa indrindra o!

Izay manoro lalana mahitsy mamindra aina 💙💛

Address


Opening Hours

Monday 08:00 - 16:30
Tuesday 08:00 - 16:30
Wednesday 08:00 - 16:30
Thursday 08:00 - 16:30
Friday 08:00 - 16:30
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre de Santé Mamindra Aina - CSMA I posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

  • Want your practice to be the top-listed Clinic?

Share