Torohevitra Ara-pahasalamana

Torohevitra Ara-pahasalamana Torohevitra ara-pahasalamana andoavam-bola
Conseils médicaux payants
Paid medical advice
Watssup 034 12 398 91

21/01/2026

Avec Dokotera Ambohipo – J’ai une série en cours ! Je suis super fan depuis 20 mois d’affilée. 🎉

09/01/2026

Ho anareo Canada na Maurice, misokatra ho anareo ny consultation en ligne sur wats up

09/01/2026

Miarahaba
Hiresaka momba ny delirium tremens isika. Inona izany?
Ny delirium tremens dia isan'ireo tranga miseho tampoka mampatahotra rehefa mpisotro toaka ka mijanona tsy misotro 2 na 3 andro.
IRETO NY FAMBARA:
-Tsy mifantoka, tsy mahalala ny fotoana sy ny toerana misy azy
-Mahita biby mampatahotra mandady @ vatana
-Midélire hoe misy hamono
-Miahiahy be, rarin-tsaina
-Tsy matory, manonofy ratsy raha matory
-Mangovitra be
-Tsembo-dratsy
-Miazakazaka be ny fidoboky ny fo, miakatra tosi-drà
-Mafana hoditra
-Marary loha, mandoa
-Manondrana Kara olo adala, tsy voatazona
FANTARO FA URGENCE MEDICALE IO
Raha tsy misy fitsaboana atao dia :
Mifanintona ary HIJANONA NY FITEMPON'NY FO
MATY.
Manatona Dokotera na toeram-pitsaboana akaiky anao raha misy ireo fambara ireo.
Rehefa hiala toaka dia manatona ireny centre mandray an-tanana izany.
Votre santé Notre MISSION

08/01/2026

Miarahaba
Tena maro ny malagasy tratran'ny AVC (fahatsentsenana na fivakisana lalan-drà @ ati-doha) sy ny insuffisance rénale chronique (faharerahan'ny voa) ka tsy hay intsony ny hangina.
Maro no mety ho anton'izany fa ny tiako hazavaina eto dia ireo olona manana tosi-drà avo efa mihinana fanafody kanefa mbola tratra ihany.
ANTONY MAHAVOA NY AVC:
-na mihinana fanafody fampidinana tosi-drà dia TSY TRATRA ny tanjona @ tosi-drà: tokony latsaky ny 140/90mmHg olona tsy diabetika ary 130/80 raha olona diabetika
-tsy voatsabo ireo antony hafa mahatonga AVC: mitohy mifoka sigara, tsy manao fanatanjahan-tena, miakatra ny tahan'ny cholesterol ratsy anaty rà, hatavezana, tsy tsaboina ny diabeta,...
ANTONY MAHAVOA NY INSUFFISANCE RÉNALE CHRONIQUE:
-Tsy manao analyses alohan'ny hanomezana ny fanafody tosi-drà avo. Raha ny tokony ho izy dia sady miaro ny voa ny fanafody tosi-drà avo. Fa Raha efa reraka ny voa vao omena Io fanafody Io ianao dia vao mainka ho simba ny voa. Ilaina koa ny analyse hanamboarana ny dose n'ny fanafody.
-Tsy mba mijery ny fiasan'ny voa mihitsy mandritra ny fihinanana ny fanafody. Indray mandeha isan-taona farafahakely mba manao analyse de contrôle.
Marihina fa tsy ny fanafody tosi-drà avo rehetra no lazaina eto kanefa ireo no fanafody omen'ny mpitsabo matetika.
Mety misy antony hafa fa ireo aloha no hitako.
Fehiny: Fitsaboana tosi-drà avo= fanafody + analyse + contrôle
Votre santé Notre MISSION

07/01/2026

Tantara kely
T@ 2019 rehefa nirongatra teto Madagasikara ny COVID 19 ka feno marary ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana maro, teo no nitsiry ny hevitra hoe ary raha ny Dokotera indray no manatona any an-tranon'ny marary mitsabo azy dia ahoana. Natao ary ny visite à domicile nanomboka teo. Hita fa mora kokoa no nifehezana ny fiparitahan'ny aretina noho izany.
Tonga indray ity ny MPOX na nendran-drajako dia mbola hita hoe izay ihany koa no hahafehezana ny fiparitahan'io.
Koa raha mila Dokotera manatona an-tranonao dia Io ny contact na Mpox na tsy Mpox no mahazo dia mety foana!
Votre santé Notre MISSION

02/01/2026

INONA NO HERY FIAROVANA?
Ny hery fiarovana no fitaovana ampiasan'ny vatana hiarova @ mikraoba isan-karazany.
Ho antsika olombelona dia maro ny miantoka azy:
anticorps hoy isika,
ireo sakana ampiasan'ny vatana manakana ny mikraoba tsy ho tafiditra: volon'orona, amygdales na kambon-tena, thymus, ganglion na atodi-tarina, tsinay sy appendice, hoditra,...
INONA NO MAMPAREFO NY HERY FIAROVANA?
-Tarazo: Samy manana ny tanjany ny hery fiarovana eo @ olona
-Toe-batana na aretina: diabeta, VIH-SIDA, aretin'ny aty toy ny cirrhose, faharerahan'ny fo sy ny voa, fanafody mampidina hery fiarovana,...
-Tsy fahampiana rano
-Tsy fahampiana vitaminaC sy D sy singa mineraly (fer, cuivre,zinc,selenium)
-Fahalotoan'ny tanana
INONA NO ATAO HAMPITOMBO AZY?
-Misakafo ara-pahasalamana: sakafo maro loko, voankazo sy legioma
-Ajanona ny fifohana sigara sy fisotroan-toaka
-Manao vaksiny
-3S: sport, sommeil, stress: manaova fanatanjahan-tena, ampy torimaso mandritra ny 7-9 ora, mitony ny saina
-Mitapy masoandro maka vitamine D
Ireo rehetra ireo mitambatra no hanome hery fiarovana matanjaka.
MIRARY SOA HO ANAO HAHARESY NY VALAN'ARETINA
Votre santé Notre MISSION!

Address

Tananarive
Tananarive
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Torohevitra Ara-pahasalamana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram