11/04/2026
🧠 Ny maladie de Parkinson : fahalalana mba hahafahana manampy tsara kokoa
Ny aretina Parkinson dia aretin’ny atidoha izay misy fiantraikany amin’ny fihetsika sy ny fiainan’ny marary andavanandro.
✋ Horohoron-tanana
🐢 Fihetsika miadana
🧱 Hozatra mafy
🚶 Sarotra ny mandeha
Fa ankoatra ireo soritr’aretina hita maso, dia mety hisy fiantraikany amin’ny torimaso, ny toe-po ary ny kalitaon’ny fiainana ihany koa izy.
💙 Aoka isika hifampahafantatra sy hanohana ireo marary.
🏥 Ny Centre Médical Mahavelona dia misokatra 24 ora isan’andro, 7 andro isan-kerinandro, ho an’ireo marary maniry hitsabo tena sy hahazo fikarakarana sahaza.