07/06/2025
🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Sainte-Marie (Nosy Boraha) : Toerana tsy tokony hohadinoina eto Madagasikara
Any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara no misy an’i Nosy Boraha, na Sainte-Marie, nosy manintona sy mangina, feno hakanton’ny natiora sy hasarobidin’ny tantara. Raha mitady fialan-tsasatra amin’ny toerana milamina, manakaiky ny mponina ary mahafinaritra amin’ny lafiny rehetra ianao, dia tsy maintsy andramana i Sainte-Marie.
🌊 Natiora tsy voakitikitika sy hakantony voajanahary
I Sainte-Marie dia malaza amin’ireo tora-pasika fotsy manjelatra, rano mangatsakatsaka, sy ala maitso mirehidrehitra. Saingy ny tena misongadina dia ny fisian’ireo trozona goavam-be, izay tonga manatody sy miara-milomano amin’ny zanany amin’ny volana jolay hatramin’ny septambra. Zavaboary sarobidy sy tsy fahita firy izay manintona mpitsidika avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao.
⚓ Tantara manankarena sy mistery manaitra
Tsy amin’ny natiora ihany i Sainte-Marie no miavaka, fa amin’ny tantarany ihany koa. Efa fonenan’ireo mpangalatra an-dranomasina (pirates) fahiny izy, ary mbola ahitana fasamben’ny pirates – ilay hany sisa tavela eto amin’izao tontolo izao. Eo ihany koa ireo trano sy fiangonana tranainy, manambara tantara lalina sy manan-danja.
🌿 Kolontsaina manintona sy feno fiainana
Azo tsidihana amin-kalalahana ireo tanàna kely amoron-dranomasina, ahitana fiainana andavanandron’ny mponina ao an-toerana. Afaka manandrana sakafo nentin-drazana, mitsidika tsena kely, ary mianatra momba ny fanafody natoraly sy fomba amam-panao mahazatra ianao.
✈️ Fidirana mora sy fizahan-tany maharitra
Azonao aleha amin’ny sidina avy any Antananarivo na amin’ny sambo avy any Soanierana-Ivongo i Sainte-Marie. Eo an-toerana, maro ireo hetsika sy fandaharanasa miezaka miaro ny tontolo iainana sy manampy ny fiarahamonina.
✅ Antony tokony hitsidihana an’i Sainte-Marie :
Hijery trozona goavam-be amin’ny fomba voajanahary
Hahita tantaran’ny mpangalatra an-dranomasina tena nisy
Hiaina fiainana anaty kolontsaina velona sy marina
Hiala voly amin’ny tora-pasika tsy mbola simba
Sainte-Marie dia tsy toerana fotsiny, fa fihetseham-po. Zavatra tsapa sy lalina, izay mandona ny fonao ary mampilamina ny sainao.
📝 Nosoratan’i : VELONTSARA Benjamin Julio Eric
📚 Ho an’ny pejy Mr Eric et ses élèves
Mr Eric et ses élèves
---
🇫🇷🇫🇷🇫🇷🇫🇷🇫🇷
Sainte-Marie (Nosy Boraha) : Une destination incontournable à Madagascar
Au large de la côte Est de Madagascar, l’île Sainte-Marie – ou Nosy Boraha – est un écrin de nature et d’histoire encore préservé. Pour ceux qui cherchent l’authenticité, le calme et l’émerveillement, cette île est tout simplement une évidence.
🌊 Une nature intacte et spectaculaire
Sainte-Marie séduit par ses plages de sable blanc, ses lagons transparents, ses palmiers bercés par le vent. Mais l’un de ses plus grands atouts reste sans doute les baleines à bosse, qui viennent s’y reproduire chaque année entre juillet et septembre. Un spectacle majestueux, rare, inoubliable.
⚓ Un patrimoine historique unique
L’île fut autrefois un refuge prisé des pirates. Aujourd’hui encore, elle abrite le seul cimetière de pirates connu au monde, niché face à la mer. Des vestiges coloniaux, dont la plus vieille église de Madagascar, rappellent aussi son passé captivant.
🌿 Une culture locale vivante
La vie quotidienne des habitants, simple et chaleureuse, fait partie du charme de l’île. Artisanat local, gastronomie traditionnelle à base de coco et de fruits de mer, musique typique… chaque instant passé à Sainte-Marie est une rencontre humaine et culturelle.
✈️ Accessible et respectueuse de l’environnement
Que ce soit par avion depuis Antananarivo ou par bateau depuis la côte Est, Sainte-Marie est facile d’accès. Et sur place, de nombreux acteurs œuvrent pour un tourisme responsable et durable, bénéfique à la nature comme à la population locale.
✅ Pourquoi visiter Sainte-Marie ?
Pour voir les baleines à bosse dans leur milieu naturel
Pour découvrir l’histoire fascinante des pirates
Pour vivre au rythme d’une culture locale riche et chaleureuse
Pour se détendre sur des plages paradisiaques et paisibles
Sainte-Marie n’est pas qu’un lieu, c’est une émotion. Une île qui parle au cœur et repose l’esprit.
📝 Rédigé par : VELONTSARA Benjamin Julio Eric
📚 Pour la page Mr Eric et ses élèves
Mr Eric et ses élèves